Fanampiana amin’ny fandalinana
29. Atena


29. Atena

Sary
sary 29

Io sary io izay nalaina avy teny amin’ny Aeropagosy (Havoanan’i Martsa) dia mampiseho ny Tampon-tanànan’i Atena, izay toerana nahitana trano fivavahana maro nanompoana sampy. I Atena no renivohitra Grika taloha an’i Atika, ary tao amin’ny faritany Roman’i Akaia izy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. Nomena ho fanomezam-boninahitra ny andriamanitra sampy Grika Atena ny anarany. Efa very ny ankabeazan’ny lanja sy ny lazan’i Atena tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao, saingy mbola voarakitra ao kosa ny sarivongana sy ny tsangambato maro ho an’ireo andriamanitra isan-karazany, ka isan’izany ilay “Andriamanitra tsy Fantatra” (Asa 17:23).

Ny zava-dehibe nitranga: Nitsidika ny tanàna ny Apôstôly Paoly ary nitory mikasika ny “Andriamanitra tsy fantatra” teo amin’ny Havoanan’i Martsa (Asa 17:15–34). Nirahina avy any Atena ireo misiônera ho any amin’ny faritra hafa ao Gresy (1 Tes. 3:1–2).

Hamoaka printy