Fanampiana amin’ny fandalinana
20. Jopa


20. Jopa

Sary
sary 20

Mijery mianavaratra andrefana ambonin’ny tanàna seranan’i Jopa.

Ny zava-dehibe nitranga: Nankao Jopa i Jona handray sambo ho any Tarsisy (Jon. 1:1–3). I Jopa no seranana nampiasain’i Solomona, ary koa i Zerobabala taty aoriana, raha nitondra hazo avy amin’ny alan-tsederan’i Libanona hanorenany ny tempoliny izy ireo (2 Tan. 2:16; Ezra 3:7). Tao no nananganan’i Petera tamin’ny maty an’i Tabita, izay antsoina koa hoe Dorkasy (Asa 9:36–43). Azon’i Petera koa ny fahitana ny amin’ny biby madio sy ny biby tsy madio, izay nampahafantatra azy ny ilana ny hanombohana ny fitoriana eo anivon’ny Jentilisa (Asa 10). Tonga tao i Orson Hyde hanokana ny Tany Masina ny taona 1841.

Hamoaka printy