Fanampiana amin’ny fandalinana
16. Silo


16. Silo

Sary
sary 16

Eo amin’io fijery miankandrefana io, dia hita eo ankavia kely afovoan’ny sary ny sisa tsy rava amin’ilay tanàna fahinin’i Silo.

Ny zava-dehibe nitranga: Nivory ireo fokon’i Isiraely ary nandray ireo anjara taniny (Jos. 18–22). Napetraka tao ny tabernakely sy ny fiaran’ny fanekena ary nijanona tao nandritra ny taon-jato maro (Jos. 18:1). Tao no nivavaka i Hana ka nanokana an’i Samoela zananilahy ho an’ny fanompoana ny Tompo (1 Sam. 1). Naka ny fiaran’ny fanekena avy ao Silao ny Isiraelita ary resin’ny Filistina izay namabo ny fiaran’ny fanekena (1 Sam. 4:1–11).

Hamoaka printy