Fanampiana amin’ny fandalinana
2. Tendrombohitra Sinay (Horeba) sy ny Tany Foanan’i Sinay


2. Tendrombohitra Sinay (Horeba) sy ny Tany Foanan’i Sinay

Sary
sary 2

Misy maromaro ireo toerana mety ho ny Tendrombohitra Sinay. Iray amin’ireo toerana araka ny lovantsofina i Jebela Miosà (Tendrombohitr’i Mosesy), izay hita amin’ny sary eto.

Ny zava-dehibe nitranga: Niseho tamin’i Mosesy Andriamanitra ary nanome azy ny Didy Folo (Eks. 19–20). Nahita sy niresaka tamin’ Andriamanitra i Mosesy sy i Aharôna, ny roalahy amin’ny zanak’i Aharôna, ary ireo loholona fitopololahy (Eks. 24:9–12). Nomen’ Andriamanitra toromarika i Mosesy amin ny fananganana ny tabernakely (Eks. 25–28; 30–31). Nivavaka tamin’ny ombilahikely volamena izay nampanaoviny an’i Aharôna ny Isiraelita (Eks. 32:1–8). Nandositra avy any amin’ny Lohasahan’i Jezrela izay fonenan’ny mpanjakavavy Jezebela i Elia, ka nankao amin’ity tany ity (1 Mpan. 19:1–18). Tao koa no toerana niresahan’i Elia tamin’ Andriamanitra (1 Mpan. 19:8–19). (Jereo ny TSM Sinay, Tendrombohitra.)

Hamoaka printy