Fanampiana amin’ny fandalinana
31. Efeso


31. Efeso

sary 31

Ny sisa tsy rava tamin’ny sehatra Grika ao Efeso, izay nitorian’i Paoly teny. Nalaza teo amin’izao tontolo izao izay fantatra tamin’izany andro izany i Efeso nandritra ny fotoanan’ny Testamenta Vaovao, noho ny tempoliny nampitolagaga naorina ho fanomezam-boninahitra ny andriamanitra sampy Diana an’ny Romana. I Efeso, izay rava ankehitriny, dia renivohitry ny faritany Roman’i Azia sady foibem-barotra lehibe fahiny. Nampiroborobo varotra tamin’ny fivarotana ny sarin’i Diana ny mpanefy tao an-tanàna.

Ny zava-dehibe nitranga: Nitsidika an’i Efeso ny Apôstôly Paoly tany amin’ny faran’ny dia faharoa fitoriana filazantsara nataony (Asa 18:18–19). Nijanona tao amin’ny tanàna nandritra ny roa taona izy tamin’ny diany fahatelo. Voatery nandao ny tanàna izy vokatry ny tabataba nataon’ireo mpanefy izay very fidiram-bola noho i Paoly nitory teny nanohitra ny andriamanitra sandoka Diana (Asa 19:1, 10, 23–41; 20:1). Ny sehatr’i Efeso no sehatra lehibe indrindra naorin’ny Grika sady toerana niatrehan’ireo naman’i Paoly ny mpihetraketraka (Asa 19:29–31). Nanoratra epistily tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Efeso i Paoly nandritra ny nitazonana am-ponja azy tany Roma. Tao Efeso ny iray tamin’ireo sampana fiton’ny Fiangonana tao Asia izay iantefan’ny bokin’ny Apôkalipsy (Apôk. 1:10–11; 2:1).