Fanampiana amin’ny fandalinana
3. Ny Tany Foanan’i Jodea


3. Ny Tany Foanan’i Jodea

Sary
sary 3

Ny tany foanan’i Jodea dia hita ao amin’ny faritra atsinanan’i Jerosalema ary midina mankany amin’ny Ranomasina Maty.

Ny zava-dehibe nitranga: Fialokalofana manan-danja ny tany foanan’i Jodea tamin’ny fotoana maro tamin’ny tantara fahiny. Niafina an’i Saoly mpanjaka i Davida (1 Sam. 26:1–3). Nifady hanina 40 andro sy 40 alina i Jesoa (Mat. 4:1–11; Marka 1:12–13). Nampiasain’i Jesoa ny lalana avy any Jerosalema mankany Jerikao, mamakivaky ny tany foanan’i Jodea, ho toerana nitrangan’ny fanoharana ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy, satria ny olona mandeha irery dia zary haza mora ao amin’izany faritra izany (Lio. 10:25–37). (Jereo ny TSM Ranomasina Maty.)

Hamoaka printy