Fanampiana amin’ny fandalinana
22. Tendrombohitra Tabara


22. Tendrombohitra Tabara

Sary
sary 22

Mijery mianavaratra andrefana mankany amin’ny Tendrombohitra Tabara. Ny tany iva manodidina ny tendrombohitra Tabara dia tafiditra ao anatin’ny Lemak’Esdrelôna. Ao akaikin’ireo havoana ao ambadiky ny Tendrombohitra Tabara no misy an’i Nazareta.

Ny zava-dehibe nitranga: Nanambatra ny tafiky ny Tompo hiady amin’i Jabina mpanjakan’i Hazora i Debora sy i Baraka (Mpits. 4:4–14). Ny Tendrombohitra Tabara dia iray amin’ny toerana heverina araka ny lovantsofina ho nisian’ny Fiovan-tarehin’ny Mpamonjy (Mat. 17:1–9); ny tendrombohitra Hermona ny iray hafa (Jereo ny TSM Fiovan-tarehy.)

Hamoaka printy