Fanampiana amin’ny fandalinana
24. Kapernaomy


24. Kapernaomy

Sary
sary 24

I Kapernaomy, izay hita eo amin’ny morontsiraka avaratry ny Ranomasin’i Galilea no ivon’ny fanompoan’i Jesoa tao Galilea (Mat. 9:1–2; Mar. 2:1–5). Toeram-panjonoana sy fivarotana nanana ny lanjany sady nahomby izany, ary nonenan’ny Jentilisa sy Jiosy. Azo inoana fa tsy nihoatra ny 1000 ny isan’ny mponina tao tamin’ny taonjato voalohany. Niorina teo amin’ny fihaonan’ireo lalam-barotra manan-danja izany, ary voahodidin’ny tany lonaka. Nanorina trano fandroana sy trano fitehirizana tao ny miaramila Romana. Na dia teo aza ireo fahagagana maro notanterahina tao, dia mazana nandà ny fanompoan’ny Mpamonjy ny mponina. Nanozona ny tanàna noho izany i Jesoa (Mat. 11:20, 23–24). Zary rava sy nijanona ho lao i Kapernaomy taty aoriana.

Ny zava-dehibe nitranga: Fantatra ho ny “tanànan’ny Mpamonjy” i Kapernaomy (Mat. 9:1–2; Mar. 2:1–5). Nanao fahagagana maro tao amin’io toerana io Izy. Nanasitrana olona maro ohatra Izy (Mar. 1:32–34), ka isan’izany ny mpanompon’ilay kapiteny (Lio. 7:1–10), ny rafozambavin’i Petera (Mar. 1:21, 29–31), ilay lehilahy nalemy izay nampidinina avy eo amin’ny tafo ny fandriany (Mar. 2:1–12), ary ilay lehilahy maty tanana (Mat. 12:9–13). Nandroaka fanahy ratsy maro koa i Jesoa tao (Mar. 1:21–28, 32–34), nanangana ny zanakavavin’i Jaïro tamin’ny maty (Mat. 9:18–19, 23–26; Mar. 5:22–24, 35–43), ary nanao ny toriteny momba ny mofon’aina tao amin’ny sinagogan’i Kapernaomy (Jao. 6:24–59). Nandidy an’i Petera ny Mpamonjy haka hazandrano tao amin’ny Ranomasin’i Galilea, hanokatra ny vavany, ary haka ny sekely handoavana ny hetra (Mat. 17:24–27).

Hamoaka printy