Fanampiana amin’ny fandalinana
23. Ranomasin’i Galilea sy ny Tendrombohitry ny Fahasambarana


23. Ranomasin’i Galilea sy ny Tendrombohitry ny Fahasambarana

Sary
sary 23

Mijery mianatsimo andrefana, amin’ny zorony avaratra andrefan’ny Ranomasin’i Galilea, misy farihin-dranomamy iray. Ny havoana eo afovoan’ny tany eto aloha no toerana heverina araka ny lovantsofina ho ny Tendrombohitry ny Fahasambarana. Eo ankavia ivelan’ny sary i Kapernaomy. I Tiberiasy dia eny amin’ny atsimo lavidavitra kokoa manaraka ny morontsiraka andrefana.

Ny zava-dehibe nitranga: Tao amin’io faritra io no nandanian’ny Mpamonjy ny ankamaroan’ny andro nanompoany tety an-tany. Tao Izy no niantso sy nanokana ny Apôstôly Roa ambin’ny Folo (Mat. 4:18–22; 10:1–4; Mar. 1:16–20; 2:13–14; 3:7, 13–19; Lio. 5:1–11), nampianatra ny Toriteny teo an-tendrombohitra (Mat. 5–7), ary nampianatra tamin’ny fanoharana (Mat. 13:1–52; Mar. 4:1–34). Isan’ny fahagagana nataony tao ireto manaraka ireto: nanasitrana boka (Mat. 8:1–4); nampitony ny tafiotra (Mat. 8:23–27); nandroaka avy ao amin’ny zazalahy iray ny devoly iray legiona izay niditra tao amin’ny kisoa ka namarina azy ireo tany an-dranomasina (Mar. 5:1–15); namahana olona 5000 sy 4000 (Mat. 14:14–21; 15:32–38); nandidy ny mpianany handatsaka ny haratony ka nahazoan’izy ireo trondro betsaka (Lio. 5:1–6); nanasitrana olona maro (Mat. 15:29–31; Mar. 3:7–12); ary niseho taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty mba hampianatra ny mpianany (Mar. 14:27–28; 16:7; Jao. 21:1–23). (Jereo ny TSM Galilia.)

Hamoaka printy