Fanampiana amin’ny fandalinana
19. Kaisaria sy ny Lemak’i Sarona hatrany Karmela


19. Kaisaria sy ny Lemak’i Sarona hatrany Karmela

Sary
sary 19

Mijery mianavaratra miampita ny seranan’i Kaisaria fahiny sy ny Lemak’i Sarona. Tazana manaraka ny tendron’ny sary koa ny tangoron-tendrombohitra Karmela.

Ny zava-dehibe nitranga: Nifandahatra tamin’ireo mpaminany sandok’i Bala teo amin’ny Tendrombohitra Karmela i Elia (1 Mpan. 18). Hita ao atsinanan’i Kaisaria ny Via Maris (Lalan’ny Ranomasina), lalana nanana ny lanjany tamin’ny andro fahiny. I Petera, taorian’ny nahazoany fahitana mahagaga raha izy mbola tany Jopa, dia nanomboka ny fitoriany teo anivon’ny Jentilisa tamin’ny fampianarana kapiteny Romana nantsoina hoe Kornely tao Kaisaria (Asa 10). Nonina sy nitory tao i Filipo ary nanan-janaka vavy efatra izay naminany (Asa 8:40; 21:8–9). Mpifatotra tao amin’io tanàna io i Paoly nandritra ny roa taona (Asa 23–26). Nitory tamin’i Feliksa, i Festosy, ary i Heroda Agripa II, izay niteny hoe: “Ataonao fa mora toy izany ny hampanekenao ahy ho Kristiana” (Asa 26:28).

Hamoaka printy