Fanampiana amin’ny fandalinana
9. Tempolin’i Heroda


9. Tempolin’i Heroda

Sary
sary 9

Io sary io dia mampiseho ny modelin’ny tempolin’i Heroda (1:50 ny refiny oharina amin’ilay tena izy) araka izay niheverana izany tamin’ny 67 taona taorian’i Kristy. Ny rindrina manodidina ny tempoly sy ireo zavatra miaraka aminy dia mamaritra ny toerana masina izay mirakitra ny fitoerana masina indrindra, ny fitoerana masina, ary ireo kianja lehibe telo.

Ny zava-dehibe nitranga: Nanolotra an’i Jesoa zaza tao amin’ny tempoly i Josefa sy i Maria (Lio. 2:22–38). Nampianatra tao amin’ny tempoly ny Mpamonjy fony Izy 12 taona (Lio. 2:41–46). Nandroaka ireo mpanakalo vola tao amin’ny tempoly ny Mpamonjy (Mat. 21:12–13) ary naminany ny handravana ny tempoly (Mat. 24:1–2). Hisy tempoly haorina ao Jerosalema (Ezek. 40–48; Zak. 8:7–9). (Jereo ny TSM Tempoly, Tranon’ny Tompo.)

Hamoaka printy