Fanampiana amin’ny fandalinana
27. Nazareta


27. Nazareta

sary 27

Mijery mianatsimo ity sarin’ny tanànan’i Nazareta ankehitriny ity. Tanàna kely i Nazareta tamin’ny andron’ny baiboly.

Ny zava-dehibe nitranga: Nahita tamin’ny fahitana ny renin’i Mpamonjy tao Nazareta i Nefia (1 Ne. 11:13–22). Nilazan’ny Anjely Gabriela i Maria fa izy no hiteraka ny Mpamonjy (Lio. 1:26–35). Niteny an’i Josefa i Gabriela hampakatra an’i Maria ho vadiny sy hiantso ny zanany hoe Jesoa (Mat. 1:18–25). Nitombo tao Nazareta i Jesoa (Mat. 2:19–23; Lio. 2:4–40; 4:16). Notoriany sy nambarany tao amin’ny Sinagoga fa Izy no Mesia (Lio. 4:16–21), saingy nitsipaka Azy ny vahoakan’i Nazareta (Mat. 13:54–58; Lio. 4:22–30). (Jereo TSM Nazareta.)