28. Dana
Lesema (Jos. 19:47) na Laisy (Mpits. 18:7, 14) no niantsoana ny tanàna tranain’i Dana talohan’ny nahazoan’ny Isiraelita ny tany. Ny loharano hita ao amin’io toerana io miaraka amin’ny loharano ao Kaisaria Filipo no tena mamatsy ny Renirano Jordana. Hita eto amin’ny sary ny toerana nisy ny tempolin’i Jeroboama.
Ny zava-dehibe nitranga: Namonjy an’i Lota i Abrahama (Gen. 14:13–16). Nobaboin’ny fokon’i Dana ny tany ka nantsoiny hoe Dana (Jos. 19:47–48). Nanamboatra tempoly tsy izy tamin’ny alalan’ny ombikely volamena izay nahatonga ny fianjeran’ny foko folo avaratra i Jeroboama (1 Mpan. 12:26–33). I Dana no tanàna avaratra indrindra amin’ny Isiraely—koa ny soratra masina dia milaza ny tanin’i Isiraely ho “avy eo Beri-seba ka hatrany Dan” (2 Tan. 30:5; Beri-seba no tanàna atsimo indrindra). (Jereo ny TSM Dana.)