Fanampiana amin’ny fandalinana
30. Korinto


30. Korinto

Sary
sary 30

I Korinto no renivohi-paritry ny faritany Roman’i Akaia. Niorina teo amin’ny andilan-tany mampifandray ny Peloponesosa amin’ny tanin’i Gresy, manana seranana eo amin’ny ilany atsinanana sy andrefana. Tanàna fitodian-tsambo manankarena sy matanjaka izany.

Ny zava-dehibe nitranga: Nonina tao Korinto nandritra ny herintaona sy enim-bolana i Paoly ary nanorina ny Fiangonana tao (Asa 18:1–18). Nanoratra taratasy maro ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny faritr’i Korinto i Paoly, ka ao amin’ny Testamenta Vaovao ny roa amin’izany ankehitriny (1 sy 2 Korintiana). Ny Epistily ho an’ny Romana dia azo heverina ho nosoratana avy tany Korinto.

Hamoaka printy