Fanampiana amin’ny fandalinana
25. Renirano Jordana


25. Renirano Jordana

Sary
sary 25

Manomboka ao avaratry ny ranomasin’i Galilea ny Renirano Jordana ka mivarina ao, ary dia manohy mianatsimo rehefa izany mankany amin’ny Ranomasina Maty. Nalaina teo akaikin’ny fivoahan’ny renirano avy eo amin’ny Ranomasin’i Galilia ity sary ity.

Ny zava-dehibe nitranga: Nifidy ny lemak’i Jordana i Lota mba ho azy (Gen. 13:10–11). Nampisaraka ny rano i Josoa ka afaka nita ho ao amin’ny tany nampanantenaina ny Isiraelita (Jos. 3:13–17; 4:1–9, 20–24). Nampisaraka ny rano i Elia sy i Elisa (2 Mpan. 2:5–8, 12–14). Sitrana tamin’ny habokana i Namana (2 Mpan. 5:1–15). Nanao batisa olona maro i Jaona Mpanao Batisa, ka isan’izany ny Mpamonjy (Mat. 3:1–6, 13–16). (Jereo ny TSM Renirano Jordana.)

Hamoaka printy