Fanampiana amin’ny fandalinana
11. Tendrombohitra Oliva


11. Tendrombohitra Oliva

Sary
sary 11

Io sary io dia mitodika any amin’ny Tendrombohitra Oliva. Ny faritra nanorenan-javatra hita eo aloha indrindra ao amin’ny sary dia mety ho toerana nisy ny Saha Getsemane. Nianika ny Tendrombohitra Oliva ny Loholona Orson Hyde tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly ny 24 ôktôbra 1841, ary nanolotra vavaka fanokanana zary faminaniana ho an’ny fiverenan’ny zanak’i Abrahama sy ny fanorenana ny tempoly.

Ny zava-dehibe nitranga: Noravan’i Roma i Jerosalema ny 70 taona taorian’i Kristy, araka izay efa nambaran’ny Mpamonjy mialoha avy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva (jereo JS—M 1:23). Mbola hitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny Mpamonjy mialohan’ny hisehoany amin’izao tontolo izao. (Jereo Zak. 14:3–5; F&F 45:48–53; 133:19–20; TSM Oliva, Tendrombohitra.)

Hamoaka printy