15. Jeriko
Io sary io dia maneho ny zavamaniry ao Jeriko ankehitriny. Tanàna mimanda tao amin’ny lohasahan’ny Renirano Jordana, miorina 252 metatra ambanin’ny haavon’ny ranomasina izany fahiny. Toeram-pambolena manankarena izay anirian’ny hazo palma sy voasary koa izany. Hita ery aoriana ny Tendrombohitry ny Fakam-panahy (Mat. 4:1–11).
Ny zava-dehibe nitranga: Teo akaikin’io toerana io i Josoa sy ny zanak’Isiraely no niampita voalohany ny Renirano Jordana, ka niditra ny tany nampanantenaina (Jos. 2:1–3; 3:14–16). Nataon’ny Tompo nianjera tamin’ny fomba mahagaga teo anoloan’ny miaramilan’ny Isiraely ny rindrina (Jos. 6; jereo koa Heb. 11:30). Nametraka ozona tamin’ilay tanàna i Josoa (Jos. 6:26), ary tanteraka izany (1 Mpan. 16:34). Nanasitrana ny ranon’i Jeriko i Elisa (2 Mpan. 2:18–22). Nandalo teo ny Mpamonjy raha namangy farany an’i Jerosalema, ka nanasitrana an’i Bartimeo jamba sy niara-nipetraka tamin’i Zakeo mpamory hetra (Mar. 10:46–52; Lio. 18:35–43; 19:1–10). Voaresaka ao amin’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ny lalana avy any Jerosalema mankao Jeriko (Lio. 10:30–37). (Jereo ny TSM Jeriko.)