Fanampiana amin’ny fandalinana
4. Kadesy-barnea


4. Kadesy-barnea

sary 4

Fahitana avy eo avaratra atsinanana ny lohasaha efitra lehibe (antsoina koa hoe hoadia) izay misy an’i Kadesy-barnea. Ny sakeli-drano izay mikoriana ao mandritra ny fotoanan’ny orana dia mahatonga azy ho toerana voatondraka tsara sady mahavokatra ao amin’ny tany foanan’i Zina.

Ny zava-dehibe nitranga: Azo inoana fa avy eo amin’io toerana io no nanirahan’i Mosesy lehilahy roa ambin’ny folo hitsikilo ny tany Kanana (Nom. 13:17–30). Nampiasaina ho foibe nitobian’ny Isiraelita izany nandritra ny 38 taona tao anatin’ny 40 taona nivezivezeny tany an-tany foana (Deot. 2:14). Tao no nahafatesan’i Miriama sy nandevenana azy (Nom. 20:1). Tao no nisehoan’ny fikomian’i Kora, ny fimonomononan’ny vahoaka, ary nitsimohan’ny tehin’i Aharôna (Nom. 16–17). Tsy lavitra teo no nikapoka ny vatolampy i Mosesy ka nampiboiboika ny rano avy ao (Nom. 20:7–11).