10. Tohatra Mankao amin’ny Tempoly
Mizarazara ho kianja ny faritry ny tempoly, ka miorina eo amin’ny ambany indrindra ny kianja ivelany. Miditra amin’ny vavahady maro samihafa ireo mpivavaka, ka isan’izany ireo vavahady izay mitondra miakatra avy amin’ireo tohatra ireo mankao amin’ny kianja ivelany ao aloha, ary rehefa izany vao ao amin’ny kianja anatiny. Olona an’arivony no niakatra ireo tohatra ireo nandritra ny fotoana nifandimby, ka isan’izany ny Zanak’ Andriamanitra. Rehefa noravan’ny tafik’i Tito ny tempoly ny 70 taona taorian’i Kristy dia rakotra poti-javatra ireo tohatra. Navoakan’ny mpahainifahagola indray ireo tohatra tany amin’ny taona 1970 tany nandritra ny fihadiana ny ampahany amin’ny tanànan’i Jerosalema fahizay.
Ny zava-dehibe nitranga: Hitan’i Ezekiela tamin’ny fahitana ny refy sy ny endriky ny tempoly izay haorina (Ezek. 40). (Jereo ny TSM Tempoly, Tranon’ny Tompo.)