Fanampiana amin’ny fandalinana
17. Sekema


17. Sekema

Sary
sary 17

Toeran’i Sekema fahizay. Eo aloha indrindra ao anatin’ny sary ny Tendrombohitra Gerizima ary eny amin’ilay faritra lavidavitra azy ny Tendrombohitra Ebala. I Sekema dia niorina teo anelanelan’ireo tendrombohitra roa ireo.

Ny zava-dehibe nitranga: Nanorin-day tao Sekema i Abrahama (Gen. 12:6–7). Nanorin-day tao i Jakoba ary nividy ampahan-tany (Gen. 33:18–20). Ny Tendrombohitra Gerizima dia tendrombohitry ny fitahiana, ny Tendrombohitra Ebala kosa tendrombohitry ny ozona (Deot. 27–28). Teo amin’ny Tendrombohitra Ebala no nanaovan’i Josoa tsangambato mitondra ny lalàn’i Mosesy ary namakiany ny lalàna tamin’ny Isiraelita rehefa izany (Jos. 8:30–35). Milevina ao Sekema ny taolambalon’i Josefa (Jos. 24:32).

Hamoaka printy