Fanampiana amin’ny fandalinana
21. Lohasahan’i Jezrela


21. Lohasahan’i Jezrela

Sary
sary 21

Mijery mianatsimo avy eo amin’ny tendron’ny Tendrombohitra Tabara mankamin’ny ampahany amin’ny Lohasahan’i Jezrela, izay fantatra koa amin’ny hoe Lemak’i Esdrelôna. Na dia heverina matetika ho lohasaha lehibe iray aza ny Lohasahan’i Jezrela, ny marina dia fitambarana lohasaha maromaro izay mampifandray ny Lemak’i Akao amin’ny Lohasaha Jordana sy ny faritry ny Ranomasin’i Galilea izy. Ny lohasahan’i Megido ohatra dia ao amin’ny ampahany andrefan’io lohasaha io. Ny Lohasahan’i Jezrela no lalam-be mamakivaky ny Tany Masina manelanelana ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana, sy ny Lohasahan’i Jordana ao atsinanana.

Ny zava-dehibe nitranga: Mandalo amin’io lohasaha io ny lalambe fampiasa indrindra mampifandray an’i Egypta amin’i Mezopotamia, ary ady maro no niseho tao (Mpits. 1:22–27; 5:19; 2 Mpan. 23:29–30). Ny ady lehibe farany ao amin’io tany io dia hanomboka amin’ny adin’i Hara-magedona, izay hitranga fotoana fohy mialohan’ny Fahatongavan’ny Mpamonjy Fanindroany; izany anarana izany dia avy amin’ny hoe Hara Megiddon, na ny Tendrombohitr’i Megido (Ezek. 38; Joela 3:9–14; Zak. 14:2–5; Apôk. 16:14–16).

Hamoaka printy