Fanampiana amin’ny fandalinana
6. Tany Havoanan’i Jodea


6. Tany Havoanan’i Jodea

Sary
sary 6

Ny tany havoanan’i Jodea dia mirefy sahabo ho 56 kilaometatra ny lavany ary 27 kilaometatra ny sakany. Vatoana sady sarotra ambolena ny ankamaroan’ny tany. Vakivakin’ny lohasaha izay ahitana tany mahavokatra ihany ireo havoana. Nonina tao amin’ireo havoana ireo ny Isiraelita voalohany, ka nampiasa izany ho fiarovana manoloana ny mpanafika.

Ny zava-dehibe nitranga: Nampanantena io tany io an’i Abrahama sy ny taranany ny Tompo (Gen. 13:14–18; 17:8). Nalevina tao amin’ny lava-baton’i Makpela ao Hebrona i Sara sy i Abrahama (Gen. 23:19; 25:9). Babon’i Davida tamin’ny Jebosita i Jerosalema (2 Sam. 5:4–9). Mihoatra noho ny amin’ny faritra hafa rehetra ny hamaroan’ny zava-misy ao amin’ny Testamenta Taloha nitranga tao amin’ireo havoana ireo.

Hamoaka printy