“15–21 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134: -Miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)
“15–21 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021
15–21 nôvambra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134
“Miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra”
Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia nanomboka tamin’ny fanontaniana feno fanetrentena nosaintsainina tao amin’ny tokantrano sahirana iray, ary afaka mitohy ao amin’ny tokantranontsika tsirairay avy” (“Tokantrano hitoeran’ny Fanahin’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 25).
Raketo ireo zavatra tsapanao
Raha zara fa vao 19 volana ny niorenan’ny Fiangonana dia namorona drafitra mahataka-davitra maromaro ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana mba hanambatra ireo fanambarana nomen’ Andriamanitra tamin’ny andro farany ho boky iray ary hanonta boky 10.000, izay avo roa heny amin’ilay fanontana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny voalohany. Indrisy anefa fa nanakana ireo drafitra ireo ny halafosan’ny saran’izany, ary nisy andian’olona mpihetraketraka nanafika ny trano fanontan’ny Fiangonana nandritra ny fotoana nanaovana ny fanontana. Naparitak’izy ireo ireo pejy tsy mbola voatambatra, ary na dia nahatahiry ny sasany tamin’izy ireny aza ireo Olomasina mahery fo dia tsy nisy tahadika fenon’ny Bokin’ireo didy izay fantatra fa afa-bela tamin’izany.
Ilay fantatsika amin’izao fotoana izao amin’ny hoe fizarana 133 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia natao mba ho tovana ho an’ny Bokin’ireo didy, toy ny famaranana mafonja any amin’ny fiafaran’ireo fanambarana avy amin’ny Tompo izay navoaka. Mampitandrina ny amin’ny andro fitsarana iray ho avy izany ary mamerimberina milaza ilay fiangaviana izay hita manerana ny fanambarana maoderina hoe: fiangaviana handositra ny zavatr’izao tontolo izao, izay aseho amin’ny alalan’i Babylona, fiangaviana hanangana an’i Ziona, hiomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany, ary hampiely ity hafatra ity “amin’ ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra” (andininy 37). Raha toa ka tsy tanteraka ireo drafitra ho an’ny Bokin’ireo didy tany am-piandohana, ity fanambarana ity kosa dia fampahatsiahivana sy fijoroana ho vavolombelona fa tsy azo sakanana ny asan’ny Tompo, “fa hampitanjaka ny sandriny masina … Izy, ary ny faran’ ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamaniny” (andininy 3).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133
Afaka manomana ahy hanao ny asan’ Andriamanitra ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.
Indraindray ny boky dia mifarana amin’ny teny famaranana izay mamerina milaza na mamintina ny hevitra fototra ao amin’ilay boky. Ny fizarana 133 tany am-piandohana dia natao ho teny famaranana ho an’ny Bokin’ireo didy, ary mety manan-danja ny mamaky io fizarana io sady mitadidy izany ihany. Inona avy ireo hevitra izay hamafisin’ny Tompo momba ny asany? Inona no ampianarin’ny andininy 57–62 anao momba ny anjara asa izay tian’ny Tompo hiandraiketanao ao anatin’ny asany?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–19
Tian’ny Tompo hiomana ho amin’ny Fiaviany Fanindroany aho.
Ny fizarana 1, izay teny fampidiran’ny Tompo ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, sy ny fizarana 133, izay tovan’ilay boky tany am-piandohana, dia samy manomboka amin’ilay fiangaviana avy amin’ny Tompo manao hoe: “Mihainoa ianareo Ry olon’ ny fiangonako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1; 133:1). Inona no dikan’ny hoe mihaino? (Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Mihaino,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Inona no fanasana na didy tian’ny Tompo hohainoinao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–19? Taomin’ny Fanahy hanao inona ianao mba hiomananao tsara ho amin’ny fiaviany? Ahoana no hanampianao ireo manodidina anao mba hiomana?
Jereo koa ny Matio 25:1–13; D. Todd Christofferson, “Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 81–84.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:19–56
Ho androm-pifaliana ho an’ny olomarina ny Fiaviana Fanindroany.
Eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:19–32 momba ireo zavatra hitranga miaraka amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany dia azonao atao ny misaintsaina ny zavatra tian’ireo famariparitana momba ireo zava-mitranga ireo holazaina aminao momba ny Mpamonjy sy ny asany. Inona avy ireo fampiharana ara-panahy hitanao ao amin’ireo famariparitana ireo?
Rehefa mamaky ny famariparitana ny fiverenan’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 32–56 ianao dia inona no mahatonga anao hiandrandra fatratra io andro lehibe io? Inona no teny na andian-teny izay mamaritra ny fitiavan’ny Tompo an’ireo olony? Hevero ny hanoratra ny zavatra niainanao manokana tamin’ny “fitiavan’ny Tompo[nao] ary izay rehetra efa natolony [anao] araka ny hatsaram-panahiny” (andininy 52).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134
“Natsangan’ Andriamanitra ny governemanta mba ho tombontsoan’ny olombelona.”
Sarotra ny fifandraisan’ireo Olomasina tamin’ny governemanta. Rehefa noterena hiala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri ny Olomasina tamin’ny 1833 dia tsy nahazo fanampiana na vola fanonerana avy tamin’ny governemanta teo an-toerana na ny an’ny firenena izy ireo na dia teo aza ny antso avo nataon’izy ireo mba hangataka fanampiana. Nifanindran-dalana tamin’izay, dia nisy olona sasany ivelan’ny Fiangonana izay nandray ny hevitry ny fampianarana momba ny Ziona ho toy ny hoe nitsipaka ny fahefan’ny governemanta teto ambonin’ny tany ny Olomasina. Isan’ny antony nanoratana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134 ny hanazava ny foto-kevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ny governemanta.
Inona no tokony ho tsapan’ny mpikamban’ny Fiangonana momba ny governemanta? Rehefa mandalina ny fizarana 134 ianao dia manaova lisitra roa: lisitra iray ahitana ireo fitsipika nianaranao momba ny governemanta sy lisitra iray hafa ahitana ireo andraikitr’ireo olom-pirenena. Ahoana no mety ho nanampian’ireo hevitra ireo an’ireo Olomasina teo aloha? Ahoana no azo hampiharana izany any amin’ny toerana hipetrahanao?
Jereo koa ny Ireo Fanekem-pinoana 1:11–12; Gospel Topics, “Religious Freedom,” topics.ChurchofJesusChrist.org.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–14.Ny mifanohitra amin’i Ziona eo amin’ny lafiny ara-panahy dia i Babylona, tanàna fahiny izay tandindon’ny faharatsiana sy ny fahababoana ara-panahy manerana ny soratra masina (jereo ny D. Todd Christofferson, “Avia aty Ziona,” Liahona, nôv. 2008, 37; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Babela, Babylona,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Misy zavatra ilainareo mianakavy atao miaraka ve mba “[hialana] an’i Babylona” (andininy 5) amin’ny heviny ara-panahy ary “[handeha h]ankany amin’ny tanin’i Ziona”? (andininy 9).
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:20–33.Eo am-piarahanareo mamaky ireo andininy ireo, dia afaka manao sary izay heveriny ho endriky ny Fiaviana Fanindroany ny fianakavianao. Azonareo atao koa ny mitendry na mihira hira momba ny Fiaviana Fanindroany, toy ny “Raha ho avy indray Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy,46), ary mifanakalo hevitra momba ny zavatra azon’ny fianakavianao hatao mba hiomanana ho amin’ny Fiaviany.
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:37–39.Ho tian’ny fianakavianao ve ny hamaky ireo andininy ireo “amin’ny feo mahery”? (andininy 38). Inona no dikan’ny hoe mizara ny filazantsara amin’ny feo mahery? Inona avy ireo fahamarinana azontsika zaraina?
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:1–2.Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny governemanta dia afaka mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana tahaka ireto ianareo: Inona no fitahiana azon’ny fianakaviantsika noho ny fananana fitsipika arahina? Inona no fitahiana azon’ny firenentsika noho ny fananana lalàna? Afaka manao ny sarin’ny sainam-pirenenareo na mandoko sarin’izany koa ianareo, na manao tsianjery ny fanekem-pinoana faha-iraika ambin’ny folo sy faha-roa ambin’ny folo.
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba hohiraina: “Ndao ry zanaky ny Tompo,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 7.