Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
8–14 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132: “Ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana”


“8–14 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132: -Ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“8–14 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Mampianatra ao Nauvoo i Joseph Smith

Joseph Smith tao Nauvoo, 1840, nataon’i Theodore Gorka

8–14 nôvambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132

“Ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana”

Ny fizarana 129–32 dia mampianatra fitsipika sarobidy maromaro, fa vitsivitsy amin’izany ihany no nasongadina ato amin’ity rindran-damina ity. Inona ireo fahamarinana hafa izay hitanao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nisy fotoana i Brigham Young nilaza izao momba an’i Joseph Smith: “Afaka nanazava ireo zavatra mahakasika ny any an-danitra izy mba hahafahan’ny olona mety maty mahatakatra izany” (ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith, 499–500). Toa marina tokoa izany, indrindra fa raha ilay fampianaran’ny Mpaminany tao Nauvoo tamin’ny 1840 no resahina, ary ny sasany amin’izany dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–32. Toy ny ahoana ny endriky ny Mpamonjy? “Olona tahaka antsika Izy.” Toy ahoana ny any an-danitra? “Ary ny fiaraha-miaina izay misy etoana eo anivontsika ihany no hisy eo amintsika any ” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:1–2), ary ny fifandraisan’ny fianakaviantsika izay ankamamiantsika tokoa amin’izao tontolo izao, raha toa ka nofehezina tamin’ny fahefana araka ny tokony ho izy, “dia hanan-kery tanteraka” any amin’ny fiainana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19). Ny fahamarinana tahaka ireny dia afaka mahatonga ny lanitra ho toy ny tsy dia lavitra—be voninahitra, nefa azontsika haleha.

Saingy amin’izany, indraindray Andriamanitra dia mety hangataka antsika mba hanao zavatra izay tsy metimety amintsika ka toa tsy azontsika tratrarina izy ireny. Ho an’ny ankamaroan’ny ireo Olomasina voalohany ny fampakarana vady maro dia iray tamin’izany didy izany. Ilay didy mba hanambady vehivavy maromaro fanampiny dia tena fisedrana finoana henjana tokoa ho an’i Joseph Smith sy i Emma vadiny, sy ny ankamaroan’ireo izay nandray an’izany. Mba hivoahana ho mpandresy tao anatin’ io fitsapana io dia nila zavatra bebe kokoa noho ny fahatsapana tsara momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ireo; nila finoana an’ Andriamanitra matanjaka kokoa izy ireo mihoatra izay mety ho fanirian’ny tena manokana na fiheverana manokana fotsiny. Efa tsy manan-kery intsony ilay didy ankehitriny, saingy ny ohatra feno fahatokiana nasehon’ireo izay niaina izany dia mbola mitoetra. Ary izany ohatra izany dia mitondra fitaomam-panahy ho antsika rehefa asaina haneho fihafiana amin’ny fankatoavana isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:50).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130–31

Nanambara fahamarinana mikasika Ny Andriamanitra sy “ny tontolo ho avy” i Joseph Smith.

Mety ho tsikaritrao fa ny fizarana 130–31 dia nosoratana tamin’ny fomba miavaka raha ampitahaina amin’ireo fizarana hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Izany no izy dia satria ny fizarana 130–31 dia nifototra avy tamin’ny fitanana an-tsoratra nataon’i William Clayton, izay iray tamin’ny ireo mpitantsoratr’i Joseph Smith, zavatra noraketiny momba ny zavatra henony nampianarin’ny Mpaminany. Vokatr’izany ireo fizarana ireo dia mitovy kokoa amin’ny fahamarinana nangonina fa tsy fanambarana mirindra sy notononina. Na dia izany aza, dia misy lohahevitra iraisan’ireo fahamarinana be dia be ireo. Ohatra, mety hamaky ny fizarana 130–131 miaraka amin’ny fanontaniana toa ireto ao an-tsaina ianao: Inona no ianarako momba an’ Andriamanitra? Inona no ianarako momba ny fiainana aorian’ny fiainana an-tany? Inona no fiantraikan’io fahalalana io amin’ny fiainako?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; 132:7, 13–25

Nataon’ny Ray any An-danitra izay hahafahan’ny fianakaviana ho tafaraka mandrakizay.

Ny fanambadiana sy ny fifandraisan’ny fianakaviana izay afaka maharitra ho mandrakizay no isan’ny fahamarinana tafaverina amin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny mpaminany Joseph Smith izay tena mitondra fampiononana indrindra. Tamin’ny alalan’i Joseph Smith no namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ireo Ôrdônansy sy fahefana nilaina mba hanaovana izay hampaharitra ireo fifandraisana ireo ho mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7, 18–19). Mieritrereta momba ny fifandraisanao amin’ny fianakavianao na izay antenainao mba hananana any aoriana any rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; 132:7, 13–15. Inona no fiantraikan’ireo andininy ireo amin’ny fomba fieritreretanao ireo fifandraisana ireo?

Indraindray, na dia izany aza, dia tsy dia mampionona loatra ny fitsipiky ny fianakaviana mandrakizay—mety hitondra tebiteby izany, eny alahelo aza, rehefa tsy mahafeno ny fepetran’ny tontolo selestialy ny toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika amin’izao fotoana izao. Rehefa nanahy momba ny toe-java-misy toy izany tao amin’ny fianakaviany ny Filoha Henry B. Eyring dia nandray an’ity torohevitra feno fahendrena ity avy tamin’ny mpikambana iray tao amin’ny kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy: “Miaina mba ho mendrika ny fanjakana selestialy fotsiny ianao dia hahafinaritra kokoa mihoatra ny azonao eritreretina ny momba ny fianakavianao” (ao amin’ny “Tokantrano itoeran’ny Fanahin’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 25). Mety hitahy anao amin’ny fomba ahoana ny fanarahana io torohevitra io ao anatin’ny toe-java-misy iainan’ny fianakavianao amin’izao fotoana izao?

Jereo ihany koa ny Kristen M. Oaks, “To the Singles of the Church” (Fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony nokarakarain’ny Departemanta Fampianarana an’ny Fiangonana, 11 sept., 2011), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
lehilahy sy vehivavy eo ivelan’ny Tempolin’i Accra Ghana

Afaka ny ho lasa mandrakizay ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny tempoly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132: 1–2, 29–40

Ny fanambadiana maro dia tsy eken’Andriamanitra raha tsy Izy no mandidy ny hanaovana izany.

Ny olona izay efa namaky ny Testamenta Taloha dia mety efa nanontany tena momba an’i Abrahama, Jakoba, Mosesy sy ny hafa izay nanambady vehivavy betsaka. Moa ve nanao fijangajangana ireo lehilahy tsara ireo? Na moa ve nankatoavin’ Andriamanitra ny zavatra nataon’izy ireo? Jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132: 1–2, 29–40.

Ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no fenitr’ Andriamanitra amin’ny fanambadiana (jereo ny sasin-tenin’ny toko ho an’ny Filazana ôfisialy 1; jereo ihany koa ny Jakoba 2:27, 30). Na izany aza anefa dia nisy fotoana teo amin’ny tantara izay nandidin’ Andriamanitra ireo zanany mba hampakatra vady maro.

Ireo taona voalohany nanombohan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny no isan’ny fotoana nitrangan’izany. Rehefa nahazo io didy i Joseph Smith sy ireo Olomasin’ny Andro Farany hafa dia nampihatra ny fampakarana vady maro. Raha toa ka te hianatra bebe kokoa momba ny fampakarana vady maro teo anivon’ireo Olomasin’ny Andro Farany teo aloha ianao dia jereo ny “Feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny” ao amin’ny faran’ity rindran-damina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2, 18–19; 132:13, 19.Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ireo andininy ireo mba hanampiana ny fianakavianao hanao lohalaharana ny zavatra izay maharitra mandrakizay? Mety ho azonao atao ny mameno valizy na kitapo babena iray amina zavatra izay maneho ireo zavatra izay, araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2; 18–19; 132:19 dia azontsika entina miaraka amintsika any amin’ny fiainana manaraka, toy ny sarim-pianakaviana na soratra masina. Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:13 momba ny zavatr’izao tontolo izao? Afaka mitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra iray momba ny fifantohana amin’ny zavatra izay manana lanjany mandrakizay izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21.Azonareo atao ihany koa ny mihira hira miresaka momba ny fankasitrahana toy ny “Isao ireo fitahiana” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah.16), ary hanao lisitra ireo fitahiana izay efa noraisin’ny fianakavianao vokatry ny fankatoavana ny lalàna’ Andriamanitra. Inona ireo fitahiana izay antenaintsika horaisina? Ahoana no hahazoantsika an’ireo fitahiana ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; 132:15–19.Ilay horonantsary “Marriage is Sacred” (ChurchofJesusChrist.org) dia afaka hanampy ny fianakavianao hifanakalo hevitra momba ireo fahamarinana ao anatin’ireo andininy ireo. Inona no tsapan’ny Tompo momba ny fanambadiana? Ahoana no ahafahantsika—na manambady na tsia—hiomana mba hanana fanambadiana mandrakizay?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Fianakaviana mandrakizay,” Bokin-kiran’ny ankizy, 98).

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Tadiavo ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Indraindray ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara dia voalaza mivantana, ary indraindray izy ireny resahina amin’ny alalan’ny ohatra na tantara. Rehefa mamaky ianao dia manontania tena hoe: “Inona no fahamarinana mandrakizay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo?”

Sary
efitrano famehezana ao amin’ny Tempolin’i Paris, Frantsa

Efitrano famehezana iray ao amin’ny Tempolin’i Paris, Frantsa.

Hamoaka printy