Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
1–7 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128: “Feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty”


“1–7 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128: -Feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“1–7 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Fianakaviana manana razambe ao amin’ny tontolon’ny fanahy

Izahay miaraka amin’izy ireo ary izy ireo miaraka aminay, nataon’i Caitlin Connolly

1–7 nôvambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128

“Feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty”

Tsarovy ny hirakitra ireo fahatsapanao rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–28 ianao mba hahafahanao mieritreritra momba azy ireny sy mizara azy ireny amin’ny hafa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny aogositra 1840 dia nisy lehilahy nalahelo iray nantsoina hoe Jane Neyman izay nihaino ny Mpaminany Joseph nandaha-teny tamin’ny fandevenana an’i Seymour Brunson namany. Vao maty vao haingana ihany koa i Cyrus zanaka lahitokan’i Jane izay mbola zatovo. Nanampy trotraka ny alahelony ihany koa ny tsy mbola nahavitana batiza an’i Cyrus hatramin’izay, ary niasa saina i Jane ny amin’ny vokatr’izany ho an’ny fanahiny mandrakizay. Fantatr’i Joseph ny zavatra tsapany; efa nametra-panontaniana ny amin’ny zavatra toy izany ihany koa izy momba an’i Alvin rahalahy malalany, izay maty ihany koa talohan’ny nanaovana batisa azy. Noho izany dia nanapa-kevitra ny Mpaminany mba hizara amin’i Jane sy ny olona tsirairay izay nanatrika ilay fandevenana, ny zavatra izay efa nambaran’ny Tompo taminy mikasika an’ireo izay efa maty kanefa tsy mbola nandray ireo Ôrdônansin’ny filazantsara—sy ny zavatra izay azontsika hatao mba hanampiana azy ireny.

Nahavelom-bolo an’ireo Olomasina ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty. Avy hatrany dia nitodika tany amin’ireo ray aman-drenin’izy ireo, ny dadabe sy renibe an’izy ireo sy ireo olona hafa tao amin’ny fianakavian’izy ireo izay efa nody mandry ny eritreritr’izy ireo. Ankehitriny dia nisy fanantenana ny amin’izy ireny! Niara-nifaly tamin’izy ireo i Joseph, ary nampiasa fiteny feno fifaliana sy zotom-po mba hanehoana ny zavatra izay nampianarin’ny Tompo azy izy mahakasika ny fanavotana an’ireo maty: “Aoka ny tendrombohitra hihiaka ny fifaliany ary ianareo lohasaha rehetra hiantso mafy; ary ianareo ranomasina rehetra sy tany maina hitantara ny zava-mahagagan’ny mpanjakanareo Mandrakizay!” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:23).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126

Tian’ny Tompo hikarakara ny fianakaviako aho.

Rehefa niverina nody taorian’ny asa fitoriana be dia be izay nataony farany tany Angletera i Brigham Young dia nandray antso manan-danja iray hafa avy tamin’ny Tompo—mba “hikarakara manokana ny fianakavian[ny]” (andininy 3), izay nahonena nandritra ny fotoana tsy naha-teo azy. Rehefa misaintsaina ny fomba iharan’izany sy ny torohevitra hafa ao amin’ny fizarana 126 aminao ianao dia eritrereto ireto teny avy tamin’ny Filoha Bonnie L. Oscarson ireto, izay efa Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany tany aloha:

“Tsarovy fa mety eo anoloanareo mihitsy ny sasany amin’ireo filana fanampiana goavana. Atombohy any an-tokantranonareo sy eo anivon’ny fianakavianareo ny asa fanampoana ataonareo. Ireo no fifandrasaina izay afaka ny ho mandrakizay. Na dia, tsy tonga lafatra aza ny toe-javatra iainan’ny fianakavianao, na angamba raha toa ka tena izany tokoa, dia afaka mahita fomba hanompoana sy hampitrakana sy hampatanjahana olona ianao. Atombohy any amin’izay misy anao izany dia tiavo araka ny maha-izy azy izy ireo ary miomana ho an’ilay fianakaviana izay tianao hananana amin’ny ho avy” (“Ireo filana fanampiana manoloana antsika,” Liahona, nôv. 2017, 27).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:2–4

Fantatry ny Tompo ny fifaliako sy ny fahoriako.

Voatery niafina indray i Joseph Smith tamin’ny aogositra 1842 noho ireo fanenjehana sy fandrahonana ny hisamborana azy. Kanefa na dia izany aza dia feno fanantenana zavatra tsara sy fifaliana ireo teny izay nosoratany ho an’ireo Olomasina nandritra izany fotoana izany (ankehitriny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127). Inona no ampianarin’ny andininy 2–4 anao momba an’ Andriamanitra? momba ny fomba hahafahanao miatrika fitsapana izay miseho aminao manokana?

Eritrereto ny fomba hiraketanao ny fomba izay anohanan’ny Tompo anao amin’ny “rano lalin’”ny fiainanao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–8; 128:1–8

“Na inona na inona raketinareo ety an-tany dia ho voarakitra any an-danitra.”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–8; 128:1–8, ianao dia tadiavo ireo antony nahatonga ny Tompo nanome an’i Joseph Smith torolalana mazava tsara toy izany mahakasika ny batisa ho an’ny maty. Mampianatra inona anao momba ny Tompo sy ny asany izany?

Sary
zatovolahy miaraka amin’ny karatra misy ny anaran’ny fianakaviana

Mamatotra ny fontsika amin’izy ireo ny fanaovana asa fanompoana ho an’ireo razambentsika ao amin’ny tempoly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:5–25

Tena ilaina amin’ny famonjena ahy ny famonjena ireo razambeko.

Tena mazava avy amin’ny zavatra izay nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Joseph Smith ny antony ilan’ireo razambentsika izay tsy vita batisa teto amin’ity fiainana ity ny fanampiantsika ho fanavotana azy ireo. Fa nahoana araka ny hevitrao no “manan-danja sy ilaina amin’ny famonjena antsika ny famonjena an’ireo razambentsika”? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15–18; nampiana sora-mandry).

Mampianatra ny andininy 5 fa ireo ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty dia efa“nomanina hatry ny talohan’ny fanorenana izao tontolo izao.” Inona no ampianarin’io fahamarinana io anao momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny? Inona no fahatakarana vaovao entin’ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring “Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra” aminao? ( Liahona, mey 2017, 19–22).

Nampiasa andian-teny toy ny “hery mamehy,” “fifamatorana,” sy “firaisana feno” i Joseph Smith rehefa nampianatra momba ny ôrdônansin’ny fisoronana sy ny batisa ho an’ny maty. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:5–25 ianao dia tadiavo ireo andian-teny ireo na andian-teny izay mitovitovy amin’ireo. Inona avy ireo zavatra sasany izay azo fehezina miaraka noho ny ôrdônansin’ny fisoronana ho an’ireo efa maty, ary izany dia atao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy? Nahoana ny teny hoe “sahy” no teny tsara hamariparitana ny fotopampianaran’ny famonjena ho an’ireo efa nodimandry? (jereo ny fizarana 9–11).

Inona no manaitra anao amin’ireo tenin’i Joseph Smith ao amin’ny andininy 19–25? Inona no fiantraikan’ireo andininy ireo amin’ny zavatra tsapanao momba ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambenao? momba an’i Jesoa Kristy? Inona no tsapanao fa tokony hataonao? (jereo ny FamilySearch.org/discovery raha hitady hevitra).

Jereo ihany koa ny 1 korintiana 15:29; Dale G. Renlund, “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” Liahona, mey 2018, 46–49; .

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126.Mety hitondra fitaomam-panahy ho an’ny fianakavianao mba hiresaka mikasika ny fomba izay mety hampiasanareo fotoana misimisy kokoa mba“[hifampikarakaranareo] manokana” (andininy 3) ny famakiana an’ity torolalana ho an’i Brigham Young ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15–18.Inona avy ireo fitahiana mahavonjy sy mahatonga antsika ho tanteraka izay entin’ny fanaovana ireo asa momba ny tantaram-pianakaviana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18.Manaova rojon-taratasy ka asio ny anaran’ny olona ao amin’ny fianakaviana sy ny razambe ny taratasy mampitohy tsirairay avy mba hampisehoana ny fomba hamoronan’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly “fifamatorana” izay mampifandray antsika amin’ireo razambentsika. Mety afaka ny hanao fikarohana ao amin’ny FamilySearch.org ianao mba hahita olona hafa fanampiny ao amin’ny fianakaviana sy hahita ny fitombon’ny rohy misy anao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:19–23.Angamba mety hijery ireo andinin-tsoratra masina ireo ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hahita an’ireo teny izay maneho ny fifalian’i Joseph Smith mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fanavotana an’ireo efa nodimandry. Ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka ny mizara ireo zavatra niainana izay nahatonga azy ireo hientanentana momba io asa io ihany koa—na koa, afaka miara-mikatsaka traikefa toy izany ianareo ao amin’ny FamilySearch.org/discovery.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Hanao ny tantaram-pianakaviana aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 100.

Sary
sary famantarana ny feon’ny famerenana amin’ny laoniny

Ireo feon’ny famerenana amin’ny laoniny

Batisa ho an’ny Maty, “zavatra iray vaovao sy feno voninahitra”

Sary
Sarin’ny toerana fanaovana batisa ao amin’ny Tempolin’i Nauvoo

Ity sary ity dia mampiseho ny dobo fanaovana batisa ao amin’ny Tempolin’i Nauvoo izay mipetraka eo ambonin’ny omby lahy roa ambin’ny folo.

Phebe sy Wilford Woodruff

Nipetraka tao akaikin’i Nauvoo i Phebe Woodruff rehefa nanomboka nampianatra mikasika ny batisa ho an’ny maty i Joseph Smith. Nanoratra momba izany tamin’i Wilford vadiny izy, izay nanao asa fitoriana tany Angletera:

“Nianatra tamin’ny alalan’ny fanambarana Rahalahy Joseph … fa ireo izay ato amin’ity fiangonana ity dia afaka ny hatao batisa ho an’ireo havan’izy ireo izay efa maty sy tsy nanana fahafahana ny haheno an’ity filazantsara ity, eny fa na dia ho an’ny zanak’izy ireo, ny ray aman-dreniny, ny rahalahiny, ny anabaviny, ny dadabeny sy ny renibeny, ny dadatoany ary ny nenitoany aza. … Raha vantany vao vita batisa ho an’ireo naman’izy ireo izy ireo dia afaka ao amin’ny tranomaizina ny naman’izy ireo ary izy ireo dia afaka ny hangataka azy ireo amin’ny fitsanganana amin’ny maty sy hitondra azy ireny ho any amin’ny fanjakana selestialy—ity fotopampianarana ity dia noraisin’ny fiangonana tsara ary izy ireo dia mandroso amin’ny andiany lehibe, ny sasany dia natao batisa in-enina ambin’ny folo … tao anatin’ny andro iray.”1

Taty aoriana dia hoy i Wilford Woodruff mahakasika an’ity fitsipika ity: “Vao naheno an’izany aho dia feno fifaliana izaitsizy tokoa ny fanahiko. … Nandroso aho ary natao batisa ho an’ireo havako rehefa izay efa maty ka tonga tato an-tsaiko. … Nahatsapa ho niteny hoe aleloia aho rehefa nivoaka ilay fanambarana manambara ny batisan’ny maty taminay. Nahatsapa aho fa nanana zo izahay ny hifaly amin’ireo fitahian’ny lanitra.”2

Vilate Kimball

Toa an-dRahavavy Woodruff, i Vilate Kimball dia naheno mikasika ny batisa ho an’ny maty fony mbola lavitra, nandeha nitory ny filazantsara i Heber vadiny. Nanoratra taminy izy nanao hoe:

“Ny Filoha Smith dia nanomboka niresaka zavatra iray vaovao sy be voninahitra… izay niteraka fifohazam-pinoana lehibe tao amin’ny fiangonana. Momba ny hoe atao batisa ho an’ny maty izany. Niresaka momba izany i Paoly ao amin’ny Korintiana Voalohany toko faha-15 andininy faha-29. Nahazo fanazavana feno kokoa mikasika izany i Joseph tamin’ny alalan’ny fanambarana. … Tombontsoa ho an’ity fiangonana ity ny hatao batisa ho an’ireo havany rehetra izay maty talohan’ny nivoahan’ity filazantsara ity; eny fa na hatrany amin’ny Ray sy renin’ny raibe sy ny reniben’izy ireo aza. … Rehefa manao izany isika dia lasa manao asa ho azy ireo, sy manome azy ireo ny tombontsoa handray anjara amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany. Nilaza izy fa hotoriana amin’izy ireo ny Filazantsara … saingy tsy misy izany hoe fanahy atao batisa izany. … Hatramin’ny nitoriana io lamina io dia niasa tsy tapaka ny rano. Nandritra ny fihaonambe dia nisy loholona valo ka hatramin’ny folo tao anatin’ny renirano nifandimby nanao batisa. … Te hatao batisa ho an’ny reniko aho. Nanao kajikajy aho mba hiandry ny fiverenanao aty an-trano, saingy ny fotoana farany izay niresahan’i Joseph momba an’io lohahevitra io, dia nanoro hevitra ny tsirairay izy mba hijoro sy hanao izany, ary hanafaka haingana araka izay azo atao ireo naman’izy ireo amin’ny famatorana. Ka noho izany dia hanao aho amin’ity herinandro ity, satria misy ihany koa ireo namana akaiky izay hanao izany. Ny sasany dia efa niverimberina natao batisa imbetsaka. … Araka izany dia hitanao fa manana fahafahana daholo ny rehetra. Moa ve tsy fotopampianarana feno voninahitra tokoa izany?”3

Phebe Chase

Rehefa vita ny dobo fanaovana batisa tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo dia natao tao ny batisa ho an’ny maty fa tsy tany amin’ny renirano intsony. I Phebe Chase, mponina tao Nauvoo dia nanoratra tamin’ny mamany momba ny tempoly, namariparitra ny toerana fanaovana batisa ho toy ny toerana izay “hahafahantsika hatao batisa ho an’ireo olona efa nodimandry ary ho lasa mpamonjy eo an-tendrombohitra Ziona.” Mbola nanohy nanazava izy fa tao amin’io dobo fanaovana batisa io no “nanaovana batisa ahy ho an’ny raiko izay efa maty sy ho an’ireo namako rehetra izay efa maty. … Ankehitriny dia tiako ho fantatra ny anaran’ireo ray sy reninao mba hahafahako manafaka azy ireny, satria tiako ny hanampy ireo maty. … Efa niteny indray ny Tompo sy namerina tamin’ny laoniny indray ny lamina taloha.”4

Sally Randall

Rehefa nanoratra tamin’ireo namany sy ny fianakaviany momba ny batisa ho an’ny maty i Sally Randall dia tadidiny ny fahafatesan’i George zanany lahy:

“Tena fotoana sarotra tamiko izany ary saika tsy tafarina tamin’izany aho, saingy … efa natao batisa ho azy ny rainy ary zavatra tena be voninahitra izany hoe isika dia mino sy mandray ny fahafenoan’ny filazantsara araka izay itoriana izany ankehitriny ary afaka ny hatao batisa ho an’ny ireo namantsika efa nodimandry ka hanavotra azy ireny hatrany amin’izay taloha indrindra amin’izy ireny ka afaka ny ho fantatsika.

“Tiako hosoratanao amiko ny anaran’ireo olona misy rohim-pihavanana amintsika izay efa nodimandry hatrany amin’ny raibe sy renibe ao anatin’ny taranaka rehetra izay misy. Manana fikasana aho ny hanao izay rehetra azoko atao mba hanavotana ireo namako ary tokony ho feno fifaliana tokoa aho raha toa ka misy ho tonga ny sasany aminareo ka hanampy ahy satria asa goavana loatra izy ity ka tsy vitan’olon-tokana. … Mety hieritreritra ianao hoe fotopampianarana hafahafa izany saingy ho hitanao fa marina izany.”5

Fanamarihana

  1. Taratasin’i Phebe Woodruff ho an’i Wilford Woodruff, Oct. 6, 1840, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; nampanarahana toetrandro ireo tsipelina sy mari-piatoana.

  2. Wilford Woodruff, “Remarks,” Deseret News, May 27, 1857, 91; nampanarahana toetrandro ireo tsipelina sy mari-piatoana.

  3. Taratasin’i Vilate Kimball ho an’i Heber C. Kimball, ny 11 okt. 1840, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; nampanarahana toetrandro ireo tsipelina sy mari-piatoana.

  4. Taratasin’i Phebe Chase, tsy misy daty, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; nampanarahana toetrandro ireo tsipelina sy mari-piatoana. Rehefa nanomboka nanatanteraka batisa ho an’ny maty ireo Olomasina dia indraindray ny olona iray dia natao batisa ho an’ireo razambeny lahy sy vavy. Taty aoriana dia nambara fa ny lehilahy dia tokony hatao batisa ho an’ny lehilahy ary ny vehivavy dia hatao batisa ho an’ny vehivavy.

  5. Taratasin’i Sally Randall, 21 Apr. 1844, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; nampanarahana toetrandro ireo tsipelina sy mari-piatoana.

Sary
dobo fanaovana batisa ao amin’ny Tempolin’i Ogden Utah

Ny dobo fanaovana batisa ao amin’ny Tempolin’i Ogden Utah mitoetra eo amin’ny lamosin’ny ombilahy 12.

Hamoaka printy