Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
25–31 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124: “Trano ho an’ny anarako”


“25–31 ôktôbra Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124: -Trano ho an’ny anarako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“25–31 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Nauvoo

I Nauvoo tsara tarehy, nataon’i Larry Winborg

25–31 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124

“Trano ho an’ny anarako”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 ianao dia saintsaino ireo fitahiana nasain’ny Tompo noraisin’ireo Olomasina tao Nauvoo sy ireo fitahiana izay omeny anao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Na dia sarotra be aza ireo enin-taona farany ho an’ny Olomasina dia nanomboka nihatsara ny toe-draharaha tamin’ny lohataonan’ny 1839: Nangoraka ireo Olomasina mpitsoa-ponenana ireo olom-pirenena tao Quincy Illinois. Nisy mpiambina maro nanaraka ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana mba tsy ho voasambotra tao Missouri. Ary vao avy nividy tany tao Illinois ny Fiangonana mba ahafahan’ireo Olomasina mivory indray. Eny, tany be honahona sy feno moka tokoa izany, saingy raha ampitahaina amin’ireo olana izay efa natrehan’ireo Olomasina izany dia toa azo hioriranana ihany. Koa dia noritin’izy ireo ny rano teo amin’ilay honahona ary nanoratra lalam-panorenana vaovao ho an’ny tanàna iray izay nantsoiny hoe Nauvoo izy ireo. “Tsara tarehy” no dikan’izany amin’ny teny Hebreo, na dia fanehoana finoana no tena hevitra nampitain’izany fa tsy tena famariparitana azy araka ny tena izy, tamin’ny voalohany aloha izay. Tao anatin’izany fotoana izany dia nataon’ny Tompo nahatsapa ny Mpaminany fa misy zavatra maika ilaina atao. Nanana fahamarinana sy ôrdônansy bebe kokoa haverina tamin’ny laoniny Izy, ary nila tempoly hahafahan’ny Olomasina mandray izany Izy. Manan-danja eo amin’ny asan’ny Tompo amin’izao fotoana izao amin’ny fomba maro ireo fahatsapana finoana sy hamehana ireo.

Teo am-pahalasan’i Nauvoo ho tanàna tsara tarehy niaraka tamin’ny tempoly iray tsara tarehy dia samy nilaozana izy ireo taty aoriana. Saingy ilay asan’ny Tompo tena kanto niaraka tamin’izany dia ny “mampisatroka anareo amin’ny haja, ny tsy fahafatesana ary ny fiainana mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:55), ary tsy mifarana na oviana na oviana izany asa izany.

Jereo ny Saints, 1:399–427; “Organizing the Church in Nauvoo,” Revelations in Context, 264–71.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:12–21

Afaka ny ho mpianatra atokisan’ny Tompo aho.

Na dia maro aza ireo mpitarika niavaka izay nandao ny Fiangonana teo anelanelan’ny 1835 sy 1839, dia nijanona ho mahatoky ny ankamaroan’ny mpikambana. Ireo Olomasina mahatoky ireo dia nahitana an’ireo izay niaritra ireo fitsapana tao Missouri sy ireo izay vao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Niresaka zavatra tsara momba azy ireo ny Tompo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:12–21. Inona no hevi-baovao momba ny maha-mpianatra izay hitanao ao amin’ny teniny? Misy zavatra momba ireo Olomasina mahatoky ireo ve izay mitaona anao ho lasa tahaka azy ireo? Afaka misaintsaina ny fomba nanehoan’ny Tompo ny fitiavany anao ihany koa ianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–24, 60–61

Tian’ny Tompo handray tsara sy hanaiky ny hafa aho.

Rehefa dinihina ny zavatra vao niaretan’ireo Olomasina tao Missouri, dia mety ho nalaim-panahy izy ireo mba hitoka-monina sy hanao izay hanakanana ny vahiny tao Nauvoo. Tadidio izany eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–24, 60–61. Inona no manan-danja aminao mikasika ny toromarika nomen’ny Tompo mba hanangana “tranom-bahiny”? (andininy 23). Inona no ampianarin’ny teniny anao momba ny asa anirahana ny Fiangonany? Eritrereto ny fomba azo hampiharana ireo toromarika ireo aminao sy ny tokantranonao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–45, 55

Mandidy antsika ny Tompo hanorina tempoly mba hahafahantsika mandray ireo ôrdônansy masina.

Azo antoka fa tsy nahagaga an’ireo Olomasin’ny Andro Farany fa raha vantany vao tafapetraka tao Nauvoo izy ireo dia nanome azy ireo toromarika momba ny fananganana tempoly ny Tompo, tahaka izay nataony tao Ohio sy Missouri ihany. Inona no hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–45, 55 izay manampy anao hahatakatra ny antony nilazan’ny Tompo hoe: “[didina] mandrakariva ny oloko mba [hanorina tempoly] ho an’ ny anarako masina”? (andininy 39).

Hatramin’ny niorenan’ny Tempolin’i Nauvoo dia tempoly mihoatra ny 200 no naorina na nambara. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Fantatsika fa zava-dehibe amin’ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika ary ny famonjena sy ny fisandratan’ny fianakaviantsika ny fotoantsika ao amin’ny tempoly. … Mitombo be hatrany hatrany ny fanafihan’ny fahavalo, na amin’ny heriny izany na amin’ny karazany. Tsy mbola lehibe toy izao ny filantsika mandeha matetika tsy tapaka any amin’ny tempoly” (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 114). Ahoana no fomba nanampian’ny tempoly anao hahatohitra ny “fanafihan’ny fahavalo”? Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanarahana ny torohevitry ny Filoha Nelson?

Jereo koa ny Church History Topics, “Nauvoo Temple,” ChurchofJesusChrist.org/study/church-history.

Sary
I Joseph Smith miaraka amin’ireo lehilahy manangana ny tempolin’i Nauvoo

i Joseph eo amin’ny Tempolin’i Nauvoo, nataon’i Gary E. Smith

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–118

Maniry ny hanome ahy torohevitra manokana ho an’ny fiainako ny Tompo.

Ny andininy 84–118 dia feno torohevitra ho an’ny olona voafaritra manokana, ary mety ho toy ny tsy manan-danja eo amin’ny fiainanao ny sasany amin’izy ireny. Saingy mety hahita zavatra tianao ho heno ihany koa ianao. Diniho ny hanontany ny Tompo ny hafatra tiany omena anao ao amin’ireo andininy ireo, ary katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mba hitadiavana izany. Dia manapaha hevitra avy eo ny amin’ny zavatra izay ho ataonao mba hanatanterahana izany. Ohatra hoe ahoana no hanampian’ny fanetren-tena bebe kokoa anao handray ny Fanahy? (jereo ny andininy 97).

Afaka misaintsaina ny torohevitra hafa nomen’ny Tompo anao ihany koa ianao. Inona no ataonao mba hanatanterahana izany?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:2–11.Raha asain’ny Tompo “[m]anao fanambarana marina ny amin’ ny filazantsarako” “amin’ ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany” (andininy 2–3) ny fianakavianao, dia inona no ho voalaza ao anatin’ilay fanambarana ataonareo? Diniho ny hiara-hamorona fanambarana iray ary asao ny olona ao amin’ny fianakaviana handroso ireo fahamarinan’ny filazantsara tian’izy ireo ampidirina ao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15.Inona no dikan’ny hoe manana fahitsiana? Nahoana ny Tompo no manome lanja ny fahitsiana? Inona avy ireo ohatry ny fahitsiana efa hitan’ny fianakavianao? (Jereo koa ny Jeunes, soyez forts 19.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:28–29, 40–41, 55.Inona no ianarana avy amin’ny ireo andininy ireo mikasika ny antony handidin’ny Tompo antsika hanorina tempoly? Mety ho tian’ny fianakavianao ny hanao sarina tempoly na hanangana iray amin’ny kilalao fanaovana rafi-trano, na zavatra hafa. Rehefa manao izany ianareo dia afaka mifanakalo hevitra momba ny antony maha velom-pankasitrahana anareo fa manana tempoly isika amin’izao fotoana izao sy ny antony ilantsika mandeha any tsy tapaka.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:91–92.Hitondra tombontsoa ho an’ny fianakavianao ve ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny tsodranon’ny patriarika? Ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay efa nahazo ny tsodranony avy amin’ny patriarika dia afaka mizara hoe toy ny ahoana ny nandray izany ary ahoana no nitahian’izany azy ireo. Azonao atao koa ny mamerina mamaky ny “Patriarchal Blessings” (Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 99

Sary
sary famantarana ireo olo-malazan’ny famerenana amin’ny laoniny

Ireo feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny

Ny Fikambanana Ifanampiana

Sary
I Joseph sy i Emma Smith miaraka amin’ny vehivavy hafa

hosodoko maneho ny rafitry ny Fikambanana Ifanampiana nataon’i Paul Mann

Tamin’ny 1842, taorian’ny nanorenana ny Fikambanana Ifanampiana tao Nauvoo Illinois, dia hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsy ho lavorary mihitsy ny firafitry ny Fiangonana raha tsy voarindra toy izao ny vehivavy” 1 Mitovy amin’izany ihany, ny fandalinana ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Tompo sy ny fisoronany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107) dia tsy feno raha tsy tafiditra ao anatin’izany ny fandalinana momba ny Fikambanana Ifanampiana, izay “famerenana amin’ny laoniny ny lamina iray fahiny” an’ireo mpianatra vehivavin’i Jesoa Kristy.2

Nitana anjara asa manan-danja i Eliza R. Snow tao anatin’izany famerenana amin’ny laoniny izany. Teo izy tamin’ny nanorenana voalohany ny Fikambanana Ifanampiana ary tamin’ny naha mpitantsoratry ny fikambanana azy dia nandray an-tsoratra izy nandritra ny fivoriana nataon’ny fikambanana. Hitany maso fa ny Fikambanana Ifanampiana dia naorina “araka ny lamin’ny fisoronana.”3 Ireto ambany ireto ny teniny, izay nosoratana fony izy Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, mba hanampiana ireo rahavaviny hahatakatra ny asa masina izay nankinina tamin’ireo zanakavavin’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra.

Mba hahalalana bebe kokoa momba ny fomba nanorenana ny Fikambanana Ifanampiana, dia jereo ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’œuvre de la Société de Secours (2017), 1–25.

Eliza R. Snow

Sary
Eliza R. Snow, nataon’i Lewis Ramsey

“Na dia manaraka ny toetr’andro aza ny anarana hoe [Fikambanana Ifanampiana] dia efa ela no niforonan’ny fikambanana. Nilaza taminay i [Joseph Smith] fa efa nisy tao amin’ny fiangonana fahiny ilay rafitra, ary misy filazana an-kolaka momba izany ao amin’ny sasany amin’ireo epistily voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay mampiasa ny anarana fiantsoana hoe -itompokovavy voafidy- [jereo ny 2 Jaona 1:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:3].

“Io rafitra io dia tsy misy raha tsy eo ny Fisoronana, satria izany no loharano hahazoany ny fahefany sy fitarihany rehetra. Rehefa nesorina teto an-tany ny Fisoronana dia lasa tsy nisy intsony io fikambanana io sy ireo zavatra hafa izay hita tao amin’ny lamina marin’ny fiangonan’i Jesoa Kristy teto an-tany. …

“Noho izaho nanatrika ny fanorenana ny -Fikambanana Ifanampiana ho an’ny vehivavy tao Nauvoo,’ … sy ny fananako traikefa maro tao anatin’izany fikambanana izany, dia azoko atao angamba ny mampita hevitra vitsy izay hanampy ireo zanakavavin’i Ziona mba hirotsaka ao amin’io rafitra manan-danja tokoa io, izay feno andraikitra vaovao sy marobe. Raha toa ka misy zanakavavy na reny ao Isiraely mahatsapa fa voafetra na dia kely fotsina aza ny sehatra ahafahany miasa dia hanana hery sy tanjaka bebe kokoa izy ireo ankehitriny hanaovana zavatra tsara amin’ny alalan’izay tena ananany be dia be tokoa. …

Sary
Magazay biriky Mena

Naorina tao amin’ny efitrano ambony rihana tao amin’ny Magazay biriky Mena ny Fikambanana Ifanampiana.

“Raha misy manontany hoe -inona no tanjona hisian’ny Fikambanana Ifanampiana ho an’ny vehivavy?- Dia hamaly aho hoe—hanao soa—hampiasa ny fahaiza-manao ananantsika amin’ny fanaovana ny tsara, tsy amin’ny fanampiana ny mahantra ihany fa amin’ny famonjena fanahy ihany koa. Ny ezaka atao mitambatra dia hanatanteraka zavatra maro be tsy tambo isaina izay azo tanterahina amin’ny alalan’ny ezaka ataon’ireo olona tena mahomby indrindra. …

“Rehefa manompo ny mahantra dia manana andraikitra hafa ho tanterahina ankoatra ny fanomezana izay zavatra ilaina ara-batana fotsiny ny Fikambanana Ifanampiana ho an’ny vehivavy. Ny fahantrana ara-tsaina sy ny ratram-po ihany koa dia mitaky firaharahiana, ary amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia mitaky filazana zavatra amin-kalemem-panahy, ny teny vitsy hanoroana hevitra, na fandraisan-tanana feno fitavana mihitsy aza dia hitondra soa bebe kokoa sy hankasitrahana bebe kokoa noho ny kitapo iray misy volamena. …

“Rehefa tafavondrona avy any andafin-driaka any ny Olomasina, izay vahiny tokoa ho an’ny olona rehetra, ary atahorana ho voatarik’ireo izay miezaka ny hamitaka mba hivily lalana, dia tokony hihetsika haingana ny Fikambanana [Ifanampiana] mba hitady [azy ireo], ary hampahafantatra azy ireo an’ilay fikambanana izay hanatsara sy hanandratra azy ireo, ary ny tena zava-dehibe indrindra dia hampatanjaka azy ireo ao amin’ny finoan’ny Filazantsara, ary rehefa manao izany izy ireo dia afaka ny ho fitaovana hanavotra olona maro.

“Hitaky boky maro ny famaritana ireo adidy sy tombontsoa ary andraikitra izay miaraka amin’ny andraikitra sahanin’ny Fikambanana. … Ataovy amim-pahatoniana (eo ambany fitarihan’ny evekanareo), sy an-tsitrapo, amim-pientanentanana, amim-piraisan-kina, ary amim-bavaka ny asa, dia hitahy ny ezaka ataonareo mba hahomby Andriamanitra.”4

Fanamarihana

  1. Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 451.

  2. Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2017), 1.

  3. Joseph Smith, in Sarah M. Kimball, “Auto-biography,” Woman’s Exponent, Sept. 1, 1883, 51.

  4. “Female Relief Society,” Deseret News, Apr. 22, 1868, 81.

Sary
Tempolin’i Nauvoo

Ny Tempolin’i Nauvoo nataon’i George D. Durrant

Hamoaka printy