Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
18–24 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”


“18–24 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123: -Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“18–24 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Fonjan’i Liberty

Fonjan’i Liberty, lohataona nataon’i Al Rounds

18–24 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123

“Andriamanitra ô, Aiza no misy Anao?”

Ho tsara kokoa ny traikefanao amin’ny fandalinana ny soratra masina raha ny hamantatra ny fahamarinana no tanjonao. Atombohy amin’ny vavaka, henoy ny Fanahy, dia raketo ny zavatra tsapanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nantsoina hoe tranomaizina ny tany amin’ny farany ambanin’ilay fonjan’ny fivondronana tao Liberty. Natevina ireo rindrina, nangatsiaka sy naloto ny vato teo amin’ny tany, ny sakafo izay kely dia kely dia nasiso, ary ny hany hazavana niditra tao dia avy teo amin’ny varavarankely tery dia tery anankiroa nisy bara vy, teo akaikin’ny valindrihana. tao amin’io tranomaizina io i Joseph Smith sy ny vitsivitsy tamin’ireo rahalahiny no nandany ny ankamaroan’ny fotoana namonjana azy, efa-bolana tena mamanala nandritra ny ririnin’ny 1838–39, niandry fitsarana noho ny niampangana azy ho mpamitaka nanohitra ny fanjakan’i Missouri. Nandritra io fotoana io dia nahazo vaovao tsy tapaka momba ny fijalian’ny Olomasina i Joseph. Volana vitsy monja no naharetan’ny fandriampahalemana sy ny fananana fanantenana momba ny Far West, dia efa tsy nanan-kialofana sahady indray ny Olomasina, noterena handeha tany an-tany foana mba hitady toerana hafa iray tsy fantatra hanombohana indray, ary tamin’ity indray mitoraka ity dia tany am-ponja ny Mpaminanin’izy ireo.

Tsy mahagaga raha niantsoantso i Joseph Smith hoe: “Andriamanitra ô, Aiza no misy Anao?” Ny valim-bavaka voarainy sy ny “fahalalana avy any an-danitra” izay nidina tao anatin’izany fonja mahonena izany dia naneho fa na dia tsapa ho toy ny tsy marina foana aza ilay izy, dia tsy lavitra izany mihitsy Andriamanitra. Nianaran’ny Mpaminany fa tsy misy hery afaka “hisakana ny lanitra.” “Homba [ny Olomasiny mahatoky] mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1, 33; 122:9.)

Jereo ny Saints, 1:323–96.

famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10, 23–33122

Afaka ny “ho soa ho [ahy]” ny fahoriana.

Rehefa ao anatin’ny fahoriana isika na ireo olona tiantsika dia tsy mahagaga raha manontany tena isika raha toa ka mba mahita antsika Andriamanitra. Eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6 dia eritrereto ireo fotoana izay nanananao fanontaniana na fahatsapana mitovy amin’ny an’i Joseph Smith. Inona no hitanao ao amin’ny valinteny nomen’ny Tompo ka mety hanampy anao rehefa manana ireo fanontaniana na fahatsapana ireo ianao? Ohatra hoe ao amin’ny andininy 7–10, 26–33, jereo ireo fitahiana izay nampanantenainy an’ireo izay “[miaritra] tsara [ny fahoriana].” Rehefa mamaky ny fizarana 122 ianao dia eritrereto ny fomba tian’ny Tompo hiheveranao ireo fahorianao.

Jereo koa ny Henry B. Eyring, “Aiza no misy ny lay?Liahona, nôv. 2012, 72–75.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46

Afaka mahazo ny “herin’ny lanitra” isika.

Tao anatin’ny toe-javatra niainana izay toa tsy nahafahana nanao na inona na inona tao amin’ny Fonjan’i Liberty no nanomezana fanambarana an’i Joseph Smith momba ny hery, tsy ilay hery ara-pôlitika na ara-tafika izay nampiharina tamin’ny Olomasina fa ‘ny herin’ny lanitra.” Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46 ianao dia inona no ianaranao momba ny herin’ Andriamanitra? Inona no maha samy hafa izany amin’ny hery eto amin’izao tontolo izao? Ohatra hoe tadiavo ireo teny ampiasain’ny Tompo ao amin’ny andininy 41–43 mba hamaritana ny “hery na fitaomana.” Inona no ampianarin’izany mikasika ny fomba hihazonan’ Andriamanitra ny “hery na fitaoma[ny]”? Mety hitaona anao angamba ireo andininy ireo mba hisaintsaina ny fiainanao sy ny zavatra azonao atao mba ho mpitaona ho amin’ny tsara eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122

nidina tambanin’ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy.

Nogadraina tsy ara-drariny nandritra ny efa-bolana mahery i Joseph Smith, raha toa kosa ireo namany sy ny fianakaviany ka noterena handao ny tokantranon’izy ireo. Ny asa izay nanokanany ny fiainany dia toa tsy nahomby. Inona no ianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny teny nolazainy tamin’i Joseph ao amin’ny fizarana 122? Inona no ianaranao momba an’i Joseph? Inona no ianaranao momba ny tenanao?

Jereo koa ny Almà 7:11–13; 36:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6.

I Jesoa eo amin’ny tany ao Getsemane

Tsy ny sitrapoko, fa ny Anao, nataon’i Walter Rane

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123

“Aoka isika hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika.”

Tamin’ny martsa 1839 dia mety ho toy ny hoe tsy nisy zavatra firy azon’ny Olomasina natao mba hanovana ny toe-javatra sarotra izay niainan’izy ireo. Kanefa tao amin’ny taratasiny izay nosoratany tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph dia nilaza tamin’izy ireo ny zavatra azon’ izy ireo atao dia ny: “manangona ny filazalazana momba ireo fihetsika” sy “hahajoro … omban’ ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:1, 17). Eo am-pieritreretanao ny fitaka sy ny “hafetsena misokon’ny olona” eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia eritrereto ny zavatra izay azonao atao araka “izay tratry ny heri[nao]” (andininy 12, 17). Nahoana no manan-danja ny manao ireo zavatra ireo amim-pahazotoana? (andininy 17). Iza no olona fantatrao fa “tsy [m]ahita ny fahamarinana” (andininy 12), ary ahoana no ahafahanao manampy io olona io hahita izany?

Maro amin’ireo tantara izay nangatahan’i Joseph tao amin’ny taratasiny no naterina tany amin’ny governemanta ary navoaka tamin’ny fomba miantoana miisa 11 tao amin’ny gazety iray tao Nauvoo, ny Times and Seasons (Fotoana sy vanim-potoana).(jereo ny “A History, of the Persecution, of the Church of Jesus Christ, of Latter Day Saints in Missouri, December 1839–October 1840,”.

famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10.Ilay “tranomaizina” tao amin’ny Fonjan’i Liberty dia 4,2 ampitomboina 4,4 metatra monja. Ahoana no ahafahanao manampy ny fianakavianao haka sary an-tsaina izany hoe mety ho toy ny ahoana izany nidina tao anatina toerana kely tahaka izany nandritra ny efa-bolana mangatsiaka? Afaka mahita antsipirian-javatra hafa momba ny toe-javatra niainana tao amin’ny Fonjan’i Liberty ianao ao amin’ny “fizarana 46: Joseph Smith ao amin’ny Fonjan’i Liberty” (Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 172–74). Azonao vakina koa ny “Ireo olo-malazan’ny famerenana amin’ny laoniny: Fonjan’i Liberty” any amin’ny fiafaran’ity lesona ity. Inona no fiantraikan’io fampahalalana io eo amin’ny zavatra tsapantsika momba ireo fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–36, 41–45.Mety hanampy ny fianakavianao angamba ny fanoharana iray mba hahatakarana momba ny “herin’ny lanitra.” Ohatra, azonareo ampitahaina amin’ny herinaratra ny herin’ Andriamanitra. Inona no mety hanakana ny fitaovana iray mandeha amin’ny herinaratra tsy handray hery? Inona no ampianarin’io fanoharana io miaraka amin’ny andininy 34–36, 41–45 antsika momba ny fomba hampitomboana ny herintsika ara-panahy? Angamba afaka mizara tantara avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay maneho ireo toetra ireo ny olona ao amin’ny fianakaviana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7–9.Mety ho tian’ny olona ao amin’ny fianakaviana angamba ny hanamboatra mari-pamantarana kely izay maneho andian-teny manentana ny fanahin’izy ireo avy amin’ireo andininy ireo. Azo apetaka ao an-tokantranonareo ireo mari-pamantarana ireo. Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa “nidina tambanin’ [zavatra rehetra] ny Zanak’ Olona”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12.Ahoana no ahafahantsika manampy ny olona “[ahafantatra] izay ahitana” ny fahamarinana?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Où pourrais-je chercher?Cantiques, no. 68.

sary famantarana ireo olo-malazan’ny famerenana amin’ny laoniny

Ireo olo-malazan’ny famerenana amin’ny laoniny

Fonjan’i Liberty

Fony izy nogadraina tao amin’ny Fonjan’i Liberty Missouri dia naharay taratasy i Joseph Smith izay nampahafantatra azy momba ny toe-javatra nampidi-doza izay niainan’ny Olomasin’ny Andro Farany izay noterena hiala ny faritany tamin’ny alalan’ny baiko avy amin’ny governora. Nisy taratasy nampihetsi-po avy amin’i Emma vadiny. Ny teny nolazainy, sy ny taratasy namalian’i Joseph izany, dia samy nilaza ny fijalian’izy ireo sy ny finoany nandritra io fotoan-tsarotra io teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana.

Taratasy nosoratan’i Emma Smith ho an’i Joseph Smith, 7 martsa 1839

“Ry vady malalako,

“Manandrana manoratra ho anao aho satria afaka mandefa ity taratasy ity amin’ny alalan’ny namana iray, saingy tsy hotantaraiko eto daholo ny zavatra tsapako rehetra noho ny toe-javatra misy anao amin’izao fotoana izao, ireo rindrina, ireo bara vy, ary ireo hidim-baravarana, ny renirano mikoriana, ny tendrombohitra avo, ny lohasaha lalina, ary ny sahalava midadasika izay manasaraka antsika, ary ny tsindry hazo lena mahatsiravina izay nampidoboka anao am-ponja sy mbola mihazona anao any hatramin’izao, sy ny zavatra maro hafa, dia mahatonga ny zavatra tsapako ho tsy hay lazaina.

“Raha tsy noho ny fahafantarako fa tsy manan-tsiny isika, ary raha tsy noho ny firotsahan’ny famindram-pon’ Andriamanitra an-tsehatra, dia azoko antoka fa tsy ho afaka ny hiaritra ny fijaliana izay niainako aho … ; saingy mbola velona aho ary mbola vonona ny hijaly kokoa raha sitrak’ilay Andriamanitra tsara ny mbola hiaretako izany ho anao.

“Salama daholo izahay amin’izao, afa-tsy i Fredrick izay tena marary.

“I Alexander kely izay trotroiko amin’izao fotoana izao dia zazakely faran’izay mahafinaritra tokoa. Matanjaka tokoa izy ka raha afaka mitehina amin’ny seza dia mihazakazaka manerana ny efi-trano. …

“Tsy misy mahalala afa-tsy Andriamanitra ny zavatra neritreretiko tato an-tsaiko sy ny zavatra tsapako tato am-poko rehefa nandao ny trano fonenantsika aho, sy ny ankamaroan’ny fananantsika rehetra afa-tsy ireo zanatsika mbola kely, ary nandeha nivoaka ny faritanin’i Missouri, namela anao ho voatana samirery ao amin’izany fonja izany. Mafy noho izay zavatra voatery iainan’ny olon-kafa ny mieritreritra ny fandaozana anao sy ny tokantranontsika.

“… Manantena aho fa mbola hisy andro hamiratra ho antsika. … Amim-pitiavana lehibe.

“Emma Smith”1

Taratasy nosoratan’i Joseph Smith ho an’i Emma Smith, 4 aprily 1839

“Ho an’ny vadiko be fitiavana.

“Tamin’ny alakamisy hariva aho dia nipetraka raha iny nody masoandro iny indrindra, teo am-pitazananay teo amin’ireo bara vy an’ity fonja mitoka-monina ity, mba hanoratra aminao ka hahafantaranao ny toe-javatra iainako. Mino aho fa eo amin’ny dimy volana sy enina andro eo izay2 no lasa hatramin’ny niambenan’ny mpiambina masiaka endrika ahy andro aman’alina, sy ny naha-tato anatin’ireo rindrina sy bara vy ahy ary ireo varavaram-by mikarantsan’ny fonja iray mitoka-monina sy maizina ary maloto. Andriamanitra irery no mahafantatra ny fihetseham-po izay entiko hanoratana ity taratasy ity. Tsy misy soratra na fomba fiteny afaka milaza ny zavatra ato an-tsaiko ato anatin’izao toe-javatra iainako izao, na anjely na hosodoko afaka hilaza izany amin’ny olona izay tsy mbola niaina mihitsy ny zavatra izay iainanay. … Tsy miantehitra amin’iza na iza afa-tsy amin’ny sandrin’i Jehovah izahay mba hanafaka anay, ary raha tsy manao izany Izy, dia tsy hisy izany, tena azo antoka ny amin’izany, satria maro ny olona mifofo ny ainay eto amin’ity faritany ity. Tsy noho ny fahamelohanay na amin’ny inona na inona anefa izany. … Ry Emma malalako, mieritreritra anao sy ireo zanatsika foana aho. … Te hahita an’i Frederick kely, sy i Joseph, Julia, Alexander, Joana, ary i major be [ilay alikan’ny fianakaviana] aho. … Amin-kafaliana tokoa no handehanako any aminareo avy aty tsy manao kiraro, tsy misatroka, ary zara raha mitafy, mba hahita anareo sy hieritreritra fa ho fifaliana lehibe ho ahy izany, ary tena hahafinaritra tokoa. … Zakaiko amin-kerimpo ny tsindry mahazo ahy, ary toy izany koa ireo izay miaraka amiko. Tsy mbola nisy taminay no nilavo lefona. Aza avela hisy hanadino ahy [ireo zanatsika]. Lazao azy ireo fa tia azy amin’ny fitiavana lavorary i Dada, ary manao izay rehetra azony atao izy mba hialana amin’ireo andian’olona mpihetraketraka mba hankanesana any amin’izy ireo. … Lazao azy ireo fa tokony ho zaza hendry izy ireo hoy i Dada, ary hihaino ny renin’izy ireo. …

“Amim-pitiavana,

“I Joseph Smith zanany.”3

Fanamarihana

  1. Letter from Emma Smith, 7 March 1839,” Letterbook 2, 37, josephsmithpapers.org; nampanarahana toetrandro ny fitsipi-panoratana, ny mari-piatoana, ary ny fitsipi-pitenenana.

  2. Nosamborina i Joseph sy ireo namana mpiara-miasa taminy ny 31 ôktôbra 1838 ary nambenan’ny mpiambina maro be andro aman’alina. Taorian’ny fitsarana voalohany natao tao Richmond Missouri dia nentina tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy ireo ny 1 desambra.

  3. Letter to Emma Smith, 4 April 1839,” 1–3, josephsmithpapers.org; nampanarahana toetrandro ny fitsipi-panoratana, ny mari-piatoana, ary ny fitsipi-pitenenana.

i Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty

Raha mbola nijaly tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith, dia nankahery azy ny Tompo ary nanambara fahamarinana lehibe.