Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
4–10 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114: “Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo”


“4–10 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114: -Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“4–10 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
I Joseph Smith mitory teny

4–10 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114

“Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo”

Angataho amim-bavaka ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–14 ianao ary raketo ny zavatra tsapanao. Dia eritrereto ny fomba hahafahanao mamadika ho asa ireo zavatra tsapanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Efa nisy zavatra niainanao ara-panahy izay nahatonga anao nahatsapa ho matoky tena sy lavitry ny loza tao anatin’ny finoanao ve, saingy taorian’izay dia nosedrain’ireo fahoriana eo amin’ny fiainana ny finoanao, ary nitolona mba hahatsapa indray ilay fiadanana tsapanao teo aloha ianao? Zavatra toy izany no nitranga tamin’ireo Olomasina tao Kirtland. Herintaona latsaka taorian’ilay fitobahan’ny Fanahy nifandray tamin’ny fanokana ny Tempolin’i Kirtland dia nipoitra ireo olana. Nahatonga ny sasany tsy hiorina tamin’ny finoany ny tsy fahampiana ara-bola sy ny tsy fifanarahana teo amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ary ireo fitsapana hafa.

Tsy afa-miala amin’ny fitsapana isika, koa ahoana ary no ahafahantsika manakana azy ireny tsy hampidi-doza ny finoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Ny ampahany amin’ny valin’izany angamba dia afaka ny ho hita ao amin’ilay torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112, izay nomena raha mbola nihanahazo vahana ny fahoriana. Hoy ny Tompo hoe: “Diovy eo anoloako ny fonareo” (andininy 28), “Aza mikomy” (andininy 15), “Sikino ho amin’ny asa ny valahinao” (andininy 7), ary “Aoka ianao hanetry tena” (andininy 10). Rehefa manaraka io torohevitra io isika dia “hitarika [antsika] amin’ny tanana” ny Tompo ao anatin’ny fahoriana sy ho amin’ny fahasitranana sy ny fiadanana (jereo ny andininy 10, 13).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111

Afaka “[mandrindra] ny zavatra rehetra ho tombontsoa[ko]” ny Tompo.

Tamin’ny 1836 dia nidiran-trosa mavesatra ny Fiangonana tamin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo. Rehefa nanahy ny amin’ireo trosa ireo i Joseph Smith sy ireo hafa ary nieritreritra fomba handoavana izany, dia nandeha tany Salem Massachussetts izy ireo satria angamba noho ny fisian’ny feo niely fa nisy vola tavela tao amin’ny trano iray tao Salem (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111). Rehefa tonga tao Salem izy ireo dia nanambara ny Tompo hoe :“Misy rakitsoa mihoatra ny anankiray ao amin’ ity tanàna ity ho anareo” (andininy 10)—ary isan’izany rakitsoa izany ireo olona izay “hangoni[ny] … amin’ ny fotoana mahamety izany ho tombontsoan’ i Ziona” (andininy 2; jereo koa ny Eksodosy 19:5). Na dia tsy nisy vola hita aza tao Salem dia ampahany amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenana nataon’ny Tompo ireo mpikambana niova fo izay azo avy tamin’ny ezaka nataon’ireo misiônera taty aoriana.

Rehefa mamaky ny fizarana 111 ianao, dia eritrereto ireo zavatra mampanahy anao. Eritrereto ny fomba azo hampiharana aminao ny teny nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph. Ahoana no nanampian’ ny Tompo anao hahita “rakitsoa” tsy nampoizina? (andininy 10). Eritrereto ny zavatra nataony mba “[handrindrana] ny zava-drehetra ho tombontsoanareo” (andininy 11). Inona no ampianarin’ilay andian-teny hoe “haingana araka izay ahaizanareo mandray azy ireny” momba ny Ray any An-danitra?

Jereo koa ny Matio 6:19–21, 33.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:3–15

Hitarika ireo izay mikatsaka ny sitrapony amim-panentren-tena ny Tompo.

Nihen-danja ny firaisan-kina teo anivon’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy tamin’ny fahavaratry ny taona 1837. Nisy tsy fitovian-kevitra teo amin’ny andraikitra nosahanina, ary nanohitra ny Mpaminany Joseph Smith ny mpikambana sasany. Nanahy i Thomas B Marsh, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy tamin’izany, ka dia niainga avy tany Missouri nankany Ohio izy mba hitady torohevitra avy amin’ny Mpaminany. voarain-dRahalahy Marsh tamin’ny alalan’ilay fanambarana ao amin’ny fizarana 112 izany. Ahoana no mety nahafahan’ny torohevitry ny Tompo nanampy azy sy ny kôlejiny? Inona no lesona tsoahinao rehefa mikatsaka ny handresy ny fifandirana sy ny lolom-po ianao?

Azonao saintsainina manokana ny andininy 10. Midika inona amin’ny Tompo ny hoe mitarika anao “amin’ny tanana”? Nahoana ny fanetren-tena no ilaina amin’io karazana fitarihana io?

Jereo koa ny Ulisses Soares, “Aoka ho malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, nôv. 2013, 9–11.

Sary
olona roa mivavaka

Raha manetry tena isika, dia hitarika antsika ny Tompo ary hamaly ny vavaka ataontsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113

“[Mpanompo] teo an-tanan’ i Kristy” i Joseph Smith.

I Isaia dia niantso ny iray amin’ireo taranak’i Jese hoe “solofo” sy “fototra” (Isaia 11:1, 10). Ao amin’ny fizarana 113 ny Tompo dia manazava fa io taranaka io, izay mpanompon’i Kristy, dia ho fitaovana amin’ny fanangonana ny olon’ny Tompo amin’ny andro farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:4, 6), faminaniana iray izay mamaritra tsara ny Mpaminany Joseph Smith. Ahoana no mety nankaherezan’io sy ireo fahamarinana hafa ao amin’ny fizarana 113 ireo Olomasina nandritra ny fahoriana izay niainan’izy ireo tao Kirtland? Inona no hitanao ao amin’io fanambarana io izay manentana anao handray anjara amin’ny asan’ny Tompo amin’izao fotoana izao?

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Jese,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; 2 Nefia 21:10–12; Joseph Smith—Tantara 1:40.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:2, 9–11.Ireo andininy ireo dia afaka mamporisika fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra izay omen’ny fianakavianao lanja ho toy ny “rakitsoa” mandrakizay. Afaka mamorona kilalao haza rakitsoa ianareo amin’ny alalan’ny fanafenana zavatra manerana ny trano, izay maneho zavatra manan-danja na sarobidy amin’ny Tompo. Rehefa mahita ny zavatra tsirairay ny fianakavianao, dia resaho ny zavatra azonareo hatao mba hanehoana fa manan-danja aminareo izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10.Nofaritan’ny Loholona Ulisses Soares toy izao ny olona manetry tena: “Mora ampianarina ireo manetry tena, manaiky fa miantehitra tanteraka amin’ Andriamanitra ary maniry ny hanoa ny Sitrapony. Malemy fanahy ireo manetry tena ary manana fahaizana mitaona ny hafa mba ho tahaka izany koa” (“Aoka ho malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, nôv. 2013, 10). Mieritrereta fomba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny dikan’ny hoe manetry tena. Afaka mihira hira momba ny fanetren-tena ianareo, toy ny “Oh, sois humble” (Cantiques, no. 69), ary mandritra izany ny olona iray ao amin’ny fianakaviana dia mandray “amin’ny tanana” ireo olona hafa ary mitarika azy ireo manerana ny trano. Na mizarà zavatra niainana izay nitarihan’ny Mpamonjy “[t]amin’ny tanana” ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy nanomezany “ny valin’ ny fivavak[’izy ireo].”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:11–14, 26.Inona no maha samihafa ny hoe mahafantatra ny anaran’ny olona sy ny mahafantatra azy ireo? Inona no ianarantsika avy amin’ny andininy 11–14 momba ny dikan’ny hoe mahafantatra ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:15.Inona no dikan’izany hoe “mikomy” amin’ny mpaminany izany? Inona no hitantsika ao amin’io andininy io izay manampy antsika hanohana ny mpaminany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:7–8.Inona no ianarantsika avy amin’ny andininy 8 izay hanampy mba “hampodiana indray an’i Ziona” sy hanavotana an’i Isiraely?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Oh! Sois humble,” Cantiques, no. 69

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao. “-Ny toetranao dia hita taratra any amin’ny fampianarana ampitainao,- hoy ny Loholona Neal A. Maxwell nampianatra. -Ho tsaroana kokoa ireo toetranareo … noho ny fahamarinana miavaka iray nampitaina nandritra ny lesona iray” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 13).

Sary
I Thomas B. Marsh sy i Joseph Smith

Mirakitra an-tsoratra ny fanambarana nomena azy tamin’ny alalan’i Joseph Smith i Thomas B. Marsh. Aoka ianao hanetry tena, nataon’i Julie Rogers.

Hamoaka printy