Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
27 septambra–3 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110: “Izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao”


“27 septambra–3 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110: -Izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“27 septambra–3 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Tempolin’i Kirtland

Tempolin’i Kirtland, nataon’i Jon McNaughton

27 septambra–3 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110

“Izany no tranonao, toeran’ ny fahamasinanao”

Raha niresaka momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:24–28 ny Loholona David A. Bednar dia nilaza hoe: “Manasa anareo aho mba handalina tsy tapaka sy hisaintsaina amim-bavaka ny dikan’ireo soratra masina ireo eo amin’ny fiainanareo sy ho an’ny finakavianareo” (“Hitondra anarana iray amim-pahamendrehana ary mitoetra,” Liahona, mey 2009, 100). Eritrereto ity fanasana ity eo am-pandalinanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tsy tokony hivoha ireo varavaran’ny Tempolin’i Kirtland raha tsy tamin’ny 8 ora ny marainan’ny 27 martsa 1836. Saingy nanomboka nilahatra vao maraina tamin’ny 7 ora ireo Olomasina izay nanantena ny hanatrika ireo fivoriana fanokanana. Rehefa feno mpivavaka efa dodona haingana tokoa ireo seza sy ireo lalantsara, dia nandroso hevitra ny hanasiana toerana hametrahana ireo olona tsy antonona tao i Joseph Smith. Rehefa feno izany dia nisy fivoriana iray faharoa nomanina. Ary tsy ireo velona ihany no nientanentana mba hanatrika teo. Maro be ireo vavolombelona izay nijoro ho vavolombelona fa nahita anjely tao anatin’ny tempoly sy teny ambony tafo mihitsy aza nandritra sy taorian’ny fanokanana. Tena toy ireny hoe tonga ireny ireo tafiky ny lanitra mba “hihira, hidera, hihoby” miaraka amin’ny Olomasin’ny Andro Farany (“Fanahin’ny Ray,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 2).

Inona no anton’io fientanentanana lehibe avy ao amin’ny lafy roan’ny voaly io? Antony iray tsy maintsy nivondronan’ny Olomasina tany Ohio tamin’ny voalohany ilay fampanantenana fa “[hotafiana] … amin-kery avy any ambony” izy ireo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32). Ary nisy zavatra lehibe kokoa noho izany nampanantenaina amin’ny ho avy. “Izany,” hoy ny Tompo nanambara, “no fiandohan’ny fitahiana izay harotsaka eo ambonin’ny lohan’ny vahoakako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:10). Ny vanim-potoana izay iainantsika ankehitriny, izay nanafaingana ny asa sy ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly izay azon’ny velona sy ny maty an-tapitrisany atao, dia niantomboka tao Kirtland rehefa “[nanomboka n]isinda ny voaly nanarona [ny tany]”(“ Fanahin’ny Ray”).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109

Te hitahy ahy ao amin’ny tranony masina ny Tompo.

Ny Tempolin’i Kirtland dia somary miavaka amin’ireo tempoly izay fantatsika amin’izao fotoana izao. Tsy nisy alitara sy tsy nisy dobo fanaovana batisa tao, ary tsy mbola naverina tamin’ny laoniny ireo ôrdônansy toy ny batisa ho an’ny maty sy ny famehezana. Fa ireo fitahiana voalazalaza ao amin’ny fizarana 109 sy ny vavaka fanokanana ho an’ny Tempolin’i Kirtland kosa no fitahiana raisintsika ao amin’ny tranon’ny Tompo ankehitriny. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto hitadiavana ny sasany amin’ireo fitahiana ireo. Eo am-pamakianao azy ireo dia saintsaino ny antony maha manan-danja azy ireo aminao sy ny fianakavianao.

Andininy 5, 12–13 (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:6–8): Afaka maneho ny tenany amintsika ny Tompo ao amin’ny tempoly ary afaka mahatsapa ny heriny isika.

Andininy 9, 17–19, 26, 78–79: Mitondra eo amintsika ny anaran’ny Tompo isika ao amin’ny tempoly.

Andininy 22–23: Rehefa manao sy manaja ireo fanekempihavanan’ny Tempoly isika, dia manome antsika hery hanaovana ny asany ny Tompo.

Andininy 24–33: Rehefa manatrika fivoriana amim-pahamendrehana ao amin’ny tempoly isika dia afaka mahazo ny fiarovan’ny Tompo.

Fitahiana hafa:

Entanin’ny Fanahy hanao inona ianao mba hahazo ireo fitahiana ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109

Afaka mampianatra ahy momba ny vavaka ilay vavaka fanokanana ny Tempolin’i Kirtland.

Ny Fizarana 109 dia vavaka fanokanana nomena an’i Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fanambarana (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana). Inona no ianaranao momba ny vavaka avy amin’io fizarana io? Rehefa mamaky izany ianao dia mety hieritreritra momba ny vavakao manokana. Inona no fahatsapana voarainao ka afaka manampy anao hanatsara ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra? Ohatra hoe inona no angatahan’ny Mpaminany ao anatin’io vavaka io?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110: 1–10

Afaka maneho ny tenany amiko ny Tompo ao amin’ny tempoly.

Inona no tsapanao momba ny mpamonjy rehefa avy namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–10? Ahoana no nanehoany ny tenany taminao tao amin’ny tempoly? Ahoana no hanampiany anao hahafantatra fa manaiky ny ezakao sy ny fahafoizan-tenanao Izy?

Sary
Endrika anatin’ny Tempolin’i Kirtland

Ahitana polipitra ho an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eny amin’ny farany aloha sy any amin’ny farany aorian’ny Tempolin’i Kirtland.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16

Ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nilaina mba hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra dia ato amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao.

Mba hahatakarana ny amin’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nomen’i Mosesy sy i Elià ary i Elia an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland, dia azonao vakiana ilay hafatra nozarain’ny Loholona Quentin L. Cook hoe “Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra” (Liahona, mey 2018, 114–17). Fariparitan’ny Loholona Cook ny fomba hifandraisan’ireo fanalahidy ireo amin’ny asa ataon’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Azonao eritreretina koa ny hianatra momba ireo mpaminany fahiny amin’ny alalan’ny fandalinana ny “Mosesy,” “Elià,” ary “Elia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Saintsaino izay azonao atao mba hitondranao fanampiana amin’ny asa mifandray amin’ireo fanalahidy ireo.

Jereo ihany koa ny “Fanalahidin’ny Fisoronana,” Miorim-paka ao amin’ny Finoana, 126–27; Henry B. Eyring, “Mandeha eo anoloantsika Izy,” Liahona, mey 2020.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109.Tadiavo miaraka amin’ny fianakavianao ireo andinin-tsoratra masina sasany ao amin’ny fizarana 109 izay mitaona anareo handeha imbetsaka kokoa any amin’ny tempoly (ohatra hoe jereo ireo andinin-tsoratra masina voatanisa eo ambanin’ny hoe “Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina”). Miresaha mikasika ny fomba ahafahanao manao ilay sosokevitra nomen’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “[mitadiava fomba hanamboarana] fotoana hihaonana matetika amin’ny Tompo, ho ao amin’ny tranony masina, ary hihazona izany fotoana izany tsy hiovaova ary am-pifaliana” (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 114). Raha tsy mbola tany amin’ny tempoly ianao na ny fianakavianao dia afaka mitsidika ny temples.ChurchofJesusChrist.org ianareo mba hiomananareo handeha any.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:78–80.Ilay hira hoe “Fanahin’ny Ray” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 56) dia nosoratana ho an’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland—ary nanomboka teo dia nohiraina tany amin’ny fanokanana tempoly rehetra izany. Afaka miara-mihira io fihirana io ianareo dia mitady andian-teny izay mampitombo ny fankasitrahanareo noho ireo tempolin’ny andro farany. Inona no ifandraisan’io fihirana io amin’ny hafatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:78–80?

Ny vavaka fanokanana ho an’ny tempoly akaiky indrindra anao dia azonao jerena ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110.Rehefa mamaky ny fizarana 110 ny fianakavianao ary mijery ilay sary any amin’ny faran’ity lesona ity, dia asao izy ireo haka sary an-tsaina izay mety ho zavatra tsapan’izy ireo raha niara-nanatrika tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izy ireo. Omeo fahafahana ny fianakavianao mba hizara ny zavatra tsapany momba ny Mpamonjy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:15.Inona no mety hanampy mba “hampody ny fon’”ireo zanakao amin’ny razamben’izy ireo? Afaka mahita hevitra mahafinaritra ianao ao amin’ny FamilySearch.org/discovery. Afaka miara-miasa ianareo mba hitady ireo razambe izay mila ôrdônansin’ny tempoly sy hanao drafitra mba hanatanterahana ireo ôrdônansy ireo any amin’ny tempoly. Afaka miresaka mikasika ny fomba nampitomboan’ilay asa izay naverin’i Elia tamin’ny laoniny tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny fitiavanareo ny razambenareo koa ianareo.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Fanahin’ny Ray,Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 56.

Sary
sary famantarana ireo olo-malazan’ny famerenana amin’ny laoniny

Ireo feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny

Fiasan’ny Fanahy sy ny Tempolin’i Kirtland

Sary
Fanokanana ny Tempolin’i Kirtland

Toy ny misy afo miredareda, nataon’i Glen S. Hopkinson

Ireto eto ambany eto ireto ny tenin’ireo Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny Tempolin’i Kirtland nandritra ny fanokanana izany sy tao amin’ireo fivoriana nanaraka izany. Maro no nampitaha ny zavatra niainany tamin’ny zavatra niainan’ireo Olomasina fahiny rehefa “[notafiana … ta]min’ny hery avy any amin’ny avo” izy ireo tamin’ny andron’ny Pentekôsta (Lioka 24:49; jereo koa ny Asan’ny Apostoly 2:1–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:36–37).

Eliza R. Snow

“Mety azo haverina ireo fombafomba natao nandritra io fitokanana io, saingy tsy misy teny afaka mamariparitra ny zava-nitranga masina tamin’io andro manan-tantara io. Nisy anjely niseho tamin’ny olona sasany, raha nahatsapa ny fanatrehan’ Andriamanitra kosa ny rehetra nanatrika teo, ary heniky ny -fifaliana tsy hay lazaina sy feno voninahitra ny fo tsirairay.-”1

Sylvia Cutler Webb

“Iray amin’ireo zavatra tsaroako nitranga tamin’ny fahazazako ny fanokanana ny tempoly. Niampofo anay ny dadako ary nilaza taminay ny antony handehananay any sy ny lanjan’izany hoe manokana tranon’ Andriamanitra izany. Ary na dia tena mbola kely aza aho tamin’izany dia tadidiko tsara ilay fotoana. Afaka manao jery todika ireo zavatra nitranga tamin’ny lasa aho ary mahita tahaka ny nahitako ny Mpaminany Joseph nijoro naninjitra ny tanany nanondro ny lanitra, ny endriny hatsatra tokoa, ny ranomasony nikoriana teo amin’ireo takolany rehefa niteny izy tamin’io andro tsy hay adinoina io. Efa saika ho latsa-dranomaso avokoa ny rehetra. Hipoka olona ilay tempoly ka nampofoin’ny olon-dehibe ny ankamaroan’ireo ankizy. Nampofoin’ny dadako ny rahavaviko ary izaho nampofoin’ny dadako. Mbola tadidiko na ny akanjo nanaovanay aza. Mbola kely loatra aho tamin’izay fotoana izay ka tsy nahatakatra ny hevitr’izany iray manontolo ny saiko, saingy rehefa nandeha ny fotoana dia nihanahatakatra izany aho, ary feno fankasitrahana aho fa nahazo tombontsoa lehibe tamin’ny fanatrehana izany.”2

Oliver Cowdery

“Niara-nivory tamin’ireo mpiandraikitra tao amin’ny Fiangonana tao amin’ny tranon’ny Tompo aho ny hariva. Nirotsaka ny Fanahy. Nahita ny voninahitr’ Andriamanitra aho, tahaka ny rahona lehibe, nidina ary nitoetra teo ambonin’ny tempoly, ary nameno ny tempoly toy ny rivotra mahery mifofofofo. Nahita lela mitarehin’afo ihany koa aho, tahaka ny afo nitoetra teo ambonin’ny olona maro, … teo am-pitenenan’izy ireo tamin’ny fiteny hafa sy naminanian’izy ireo.”3

Benjamin Brown

“Nisy fahitana maro hita. Nisy olona iray nahita ondana na rahona nidina teo ambonin’ny tempoly, izay namiratra toy ireny rehefa mamiratra eny amin’ny rahona tahaka ny volamena ireny ny masoandro. Nisy olona roa hafa nahita olona telo nanetsiketsika fanalahidy namiratra teny an-tanany tao anatin’ny efitrano, ary rojo vy namiratra ihany koa teny an-tanan’izy ireo.”4

Orson Pratt

“Tao Andriamanitra, tao ireo anjeliny, niaraka tamin’ny olona ny Fanahy Masina … ary heniky ny fitaoman’ny Fanahy Masina hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladihany izy ireo.”5

Nancy Naomi Alexander Tracy

“[Rehefa] vita sy notokanana ny tempoly … dia ireo no andro roa mahafaly indrindra teo amin’ny fiainako. Ilay hira sahaza tsara izay nosoratana sy narindra ho an’ilay fotoana dia ny -Fanahin’ny Ray mitarehin’afo.- Tena marina tokoa fa nitoetra tao amin’izany tempoly izany ny fitaoman’ny Lanitra. Tsapako fa lanitra teto an-tany izany.”6

Fanamarihana

  1. Ao amin’ny Edward W. Tullidge, The Women of Mormondom (1877), 95.

  2. Ao amin’ny Karl Ricks Anderson, Joseph Smith’s Kirtland: Eyewitness Accounts (1996), 182–83.

  3. Diarin’i Oliver Cowdery, 27 mar.1836, Tranom-bokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City.

  4. Taratasy nosoratan’i Benjamin Brown ho an’i Sarah vadiny, teo ho eo amin’ny aprily 1836, zavatra nangonin’ny fianakaviana Benjamin Brown, Tranom-bokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; nampanarahana toetrandro ny mari-piatoana sy ny sora-baventy.

  5. Orson Pratt, “Remarks,” Deseret News, Jan. 12, 1876, 788.

  6. Ao amin’ny edisiôna nataon’i Richard E. Turley Jr. sy Brittany A. Chapman, Women of Faith in the Latter Days (2011), 1:442.

Sary
I Mosesy sy Elià ary Elia miseho ao amin’ny Tempolin’i Kirtland

Miseho ao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Mosesy sy i Elià ary i Elia nataon’i Gary E. Smith

Hamoaka printy