Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
20–26 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108: “Hanana ny lanitra misokatra”


“20–26 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108,-Hanana ny lanitra misokatra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“20–26 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
masoandro mitaratra avy eny amin’ny rahona

20–26 septambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108

“Hanana ny lanitra misokatra”

Nampianatra ny Loholona Ulisses Soares hoe: “Isika dia mila mitoetra ao [amin’ny Mpamonjy], miroboka ao amin’ny soratra masina, mifaly ny amin’izany, mianatra ny fotopampianarany, ary miezaka miaina araka ny fomba niainany” (“Ahoana no ahafahako mahatakatra?Liahona, mey 2019). Eo am-pirobohanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–8, dia raketo ireo fomba ahafahanao miezaka miaina ireo fahamarinana izay hitanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Amin’ny voalohany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 raha jerena dia mety ho toy ny hoe momba ny fandaminana ireo anjara fanompoan’ny fisoronana ho lasa rafitra hoenti-mitarika ny Fiangonan’ny Tompo fotsiny. Marina tokoa fa tamin’ny fotoana namoahana io fanambarana io dia efa nihoatra izay zakan’ireo mpitarika vitsy tao anatin’ny Fiangonana teo an-toerana ny isan’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ka noho izany dia azo antoka fa nilaina sy tena nanampy ny fitanisana ireo anjara asa sy andraikitra sahanin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ireo fiadidian’ny kôlejy. Saingy mbola misy zavatra hafa maro anefa ao amin’ilay torolalana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ny fizarana 107 fa tsy fomba fandaminana ireo anjara fanompoana sy kôlejin’ny fisoronana fotsiny. Eto ny Tompo dia mampianatra antsika momba ny lamin’ny fisoronana fahiny iray izay “naorina tamin’ ny andron’ i Adama” (andininy 41). Ny tanjon’izany hatrany am-piandohana dia ny hanao izay ahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra , ka anisan’izany ianao, mba handray ireo ôrdônansin’ny famonjen’ny filazantsara sy hisitraka ireo “fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ ny fiangonana. [Mba hanana] ny tombontsoa handray ny misterin’ ny fanjakan’ ny lanitra, [sy] hanana ny lanitra misokatra eo anoloany” (andininy 18–19).

Jereo ny “Restoring the Ancient Order,” Revelations in Context, 208–12.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106108

Ny Tompo dia mampianatra, mampahery ary manohana ireo izay antsoiny mba hanompo.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106 sy 108, ny Tompo dia nanome torohevitra sy fampanantenana ho an’ny mpikambana miisa roa izay nantsoina hanompo tao amin’ny Fiangonana. Andian-teny inona ao amin’ireo fanambarana ireo no manome fankaherezana sy hevitra momba ny fanompoana ataonao ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra? Ireto misy anankiroa mba hosaintsainina:

Andian-teny hafa inona avy ao amin’ny fizarana 106 sy 108 no manan-danja aminao?

Jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Manompo amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018; “Warren Cowdery,” Revelations in Context, 219–23; “‘Wrought Upon’ to Seek a Revelation,” Revelations in Context, 224–28.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ny Tompo.

Rehefa nandalina ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara ianao dia tsikaritrao angamba fa mazàna ny Tompo dia tsy manazava feno fotopampianarana iray ao anatina fanambarana iray. Izy kosa dia manambara zavatra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:12) rehefa mitaky izany ny toe-java-misy. Na dia efa nanome torolalana momba ny fisoronana aza ny Tompo taloha be tany amin’ny 1829 (jereo ohatra ny fizarana 20 sy 84), dia nanome torolalana fanampiny ho an’ny Olomasina Izy tamin’ny 1835 momba ireo anjara fanompoan’ny fisoronana voafaritra tsara izay nilaina mba hitondra sy hitarika ireo andian’ondriny izay mihamaro.

Rehefa mamaky mikasika ireto anjara fanompoan’ny fisoronana manaraka ireto ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao manohana ireo izay manompo ao amin’ireo antso ireo amin’ny alalan’ny “fahatokiana, ny finoana ary ny vava[kao]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–20

Ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia manolotra fitahiana ara-panahy sy ara-nofo ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Ny fisoronana dia ilay hery sy fahefan’ Andriamanitra nomena mba ho fanavotana sy fitahiana ho an’ny rehetra—lehilahy sy vehivavy ary ankizy. … Rehefa mendrika isika dia hanatsara ny fiainantsika eto an-tany sy hanomana antsika ho amin’ireo fampanantenana goavan’ny tontolo izay miandry antsika ireo ôrdônansin’ny fisoronana” (“Hery ao amin’ny fisoronana,” Liahona, nôv. 2013, 92). Eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–20 (jereo indrindra indrindra ny andininy 18–20) sy ny sisa tavela amin’ny hafatry ny Loholona Andersen, dia raketo an-tsoratra ireo fahatsapana voarainao momba ny fomba hanatsaran’ny herin’ Andriamanitra ny fiainanao eto an-tany sy hanomanan’izany anao ho amin’ny mandrakizay. Inona no ataonao mba handraisanao feno kokoa sy hanampianao ny hafa handray ireo fitahiana ireo?

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–27; Dallin H. Oaks, “Ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidy,” Liahona, mey 2020.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:41–57

Mitahy fianakaviana ny fisoronana.

Tian’i Adama mba hotahian’ny fisoronana ny taranany. Inona avy ireo fampanantenana noraisiny? (Jereo ny andininy 4255). Rehefa mamaky momba ny zavatra nataon’i Adama ianao dia eritrereto ny fanirianao mba hahazoan’ny fianakavianao ny fitahian’ny fisoronana. Entanin’ny Fanahy hanao inona ianao mba hanampiana ny fianakavianao handray ireo fitahiana ireo?

Sary
I Adama mitsodrano ny taranany

I Adama mitsodrano ny taranany, nataon’i Clark Kelley Price

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:6.Inona no azon’ny fianakaviantsika atao mba hahatonga “fifaliana [any] an-danitra”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22.Inona no ataontsika mba hanohanana ireo mpitarika antsika “[a]min’ny fahatokiana, ny finoana ary ny vava[ka]”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–31, 85.Ireo fitsipika izay mitarika ireo filankevitry ny Fiangonana dia afaka manampy antsika ihany koa mba hanao filankevitry ny fianakaviana. Fitsipika inona ao anatin’ireo andininy ireo no azontsika ampiharina amin’ny filankevi-pianakaviantsika? (Jereo ny M. Russell Ballard, “Ireo filankevitry ny mpianakavy,” Liahona, mey 2016, 63–65.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99–100.Omeo torolalana an-tsoratra momba ny raharaha iray fikarakarana tokantrano ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, ary asao izy hisafidy ny fomba hanaovany ilay raharaha: amim-pahazotoana, amin’ny hakamoana, na tsy mamaky ireo torolalana. Avelao ny sisa amin’ny fianakaviana hijery azy hanao ilay raharaha ary hamantatra ny fomba izay nosafidian’ilay olona ao amin’ny fianakaviana. Dia asaivo mifandimby manao izany avy eo ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana. Nahoana isika no tian’ny Tompo sady hianatra ny andraikitsika no hanao izany amin’ny fahazotoana rehetra? (Jereo ny Becky Craven, “Mitandrina tsara ampitahaina amin’ny hoe tsy miraharaha firy,” Liahona, mey 2019.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7.Ahoana no ahafahantsika mifankahery ao anatin’ny fifanakalozantsika hevitra? Ao anatin’ny vavaka ataontsika? Ao anatin’ny fanentanana na fankaherezana ataontsika? Ao anatin’ny zavatra rehetra ataontsika? Afaka misafidy ny iray amin’ireo ianao mba ho ataonareo mianakavy.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hiraina: “Viens écouter la voix de Dieu,” Cantiques, no. 12.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mirakitra ireo zavatra tsapa. Rehefa misy fahatsapana na eritreritra tonga ao aminao dia raketo izy ireny. Rehefa manao izany ianao dia mampiseho amin’ny Tompo fa manan-danja aminao ny torolalana omeny. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,1230.)

Sary
Nitso-drano an’i Abrama i Melkizedeka

Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka, nataon’i Walter Rane.

Hamoaka printy