Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
30 aogositra–5 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97:“Ho famonjena an’i Ziona”


“30 aogositra–5 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97: - Ho famonjena an’i Ziona-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“30 aogositra–5 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Tempolin’i Kirtland

Tempolin’i Kirtland, nataon’i Al Rounds

30 aogositra–5 septambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97

“Ho famonjena an’i Ziona”

Inona no fitsipika sy fotopampianarana nanan-danja taminao rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97 ianao? Aza adino ny mirakitra an-tsoratra ireo zavatra tsapanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa nandidy an’i Mosesy ny Tompo mba hanorina tabernakely dia niteny an’i Mosesy Izy mba “[hanao] araka ny endrika izay naseho [taminy] tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra” (Hebreo 8:5; jereo koa ny Eksodosy 25:8–9). Tokony ho eo afovoan’ny toby nipetrahan’ny Isiraely tany an-tany foana ilay tabernakely (jereo ny Nomery 2:1–2). Taty aoriana dia nandidy an’i Solomona sy ny vahoakany Andriamanitra mba hanangana tempoly iray araka ny endrika iray izay nambarany (jereo ny 1 Tantara 28:12, 19).

Rehefa namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara ny Tompo dia nandidy an’i Joseph Smith Izy mba hanangana tempoly maro araka ny endrika iray izay nambara. “Aoka haorina ny trano, tsy araka ny fomban’ izao tontolo izao,” hoy ny Tompo. “Aoka haorina izany araka ny fomba izay hasehoko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:13–14; jereo koa ny 97:10). Tahaka ilay tabernakely tany an-tany foana, ny tempoly dia natao mba ho toeram-pamantarana fototra tao Kirtland (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:1).

Ankehitriny dia ahitana tranon’ny Tompo manerana izao tontolo izao. Na dia tsy eo afovoan’ireo tanànantsika aza izy ireo dia afaka ny ho ivon’ny fiainantsika. Na dia tsy mitovy aza ny endrika ivelan’ny tempoly tsirairay avy dia lamina masina mitovy no ianarantsika ao anatin’izy ireny, dia drafitra masina mba hitondrana antsika hiverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Ireo ôrdônansy masina sy mandrakizay dia manampy antsika hanorina ny fiainantsika sy hampatanjaka ny fianakaviantsika “tsy araka ny fomban’ izao tontolo izao” fa araka ny endrika nasehon’ Andriamanitra antsika.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94; 97:15–17

Afaka miaraka amiko eo amin’ny fiainako andavanandro ny Tompo.

Ireo toromarika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94 sy 97 dia nomena tamin’ny andro iray ihany, dia ny 2 aogositra 1833. Ny Fizarana 97 dia miresaka amin’ny ampahany momba ny tempoly iray nomanina hatsangana ho an’ny Fivondronan’i Jackson Missouri, raha toa kosa ny fizarana 94 ka miresaka momba ireo trano ho an’ny fitantanan-draharaha tao Kirtland Ohio. Mety hahatsikaritra fitoviana eo amin’ny zavatra lazain’ny Tompo momba ireo trano isan-karazany ireo ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:2–12; 97:10–17). Rehefa misaintsaina ireo torolalana ireo ianao, dia eritrereto izay azonao atao mba hahatsapana ny voninahitry ny Tompo sy ny fanatrehany matetika kokoa, na ao anatin’ireo tranon’ny Fiangonana na eo amin’ny fiainanao andavanandro.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95

Manafay ireo izay tiany ny Tompo.

Dimy volana teo ho eo no lasana hatramin’ny janoary 1833 rehefa nandidy ny Olomasina ny Tompo mba hanorina tranon’ Andriamanitra sy hanao fivoriana masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:117–19). Rehefa voaray ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana 95 tamin’ny jona 1833, dia tsy mbola nanatanteraka izany didy izany izy ireo. Inona no ianaranao avy amin’ny fomba namaizan’ny Tompo ny Olomasina ao amin’io fanambarana io? Misy didy na torohevitra izay tsy mbola notanterahanao ve? Mahatsapa ho tokony hanao inona ianao?

Jereo koa ny D. Todd Christofferson, “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko,” Liahona, mey 2011, 97–100.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8, 11–17; 97:10–17

Mitahy ny olony ao amin’ny tempoly Andriamanitra.

Taorian’ny namaizana azy ireo noho ny tsy nanorenany tranon’ny Tompo tao Kirtland, dia nisafidy toerana iray tao anaty saham-barim-bazaha izay hanorenany izany ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. I Hyrum Smith rahalahin’ny Mpaminany dia nihazakazaka avy hatrany naka antsim-pijinjana ary nanomboka nanadio ilay saha. “Miomana ny hanangana trano ho an’ny Tompo isika,” hoy izy, “ary tapa-kevitra aho fa izaho no hisantatra ny asa” (ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 271, 273). Saintsaino ny fientanentanan’i Hyrum eo am-pamakinao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8, 11–17; 97:10–17. Inona no zavatra hitanao fa miteraka fanapahan-kevitra mitovy amin’izany ao anatinao mba handray ireo fitahian’ny tempoly?

Sary
Hyrum Smith mihazona antsim-pijinjana

Hyrum Smith manadio velaran-tany, nataon’i Joseph Brickey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:18–28

I Ziona dia “ny madio am-po.”

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa: “Tokony ho ny fananganantsika an’i Ziona no tanjontsika lehibe indrindra” (Teachings: Joseph Smith, 186). Ho an’ireo Olomasina tao anatin’ireo taonan’ny 1830, i Ziona dia toerana, dia ny “tanànan’Andriamanitsika” ara-bakiteny (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:19). Saingy nanitatra izany fomba fijery izany ny Tompo ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana 97. Mamaritra vahoaka iray ihany koa i Ziona, dia “ny madio am-po” (andininy 21). Eo am-pamakianao ny andininy 18–28, dia eritrereto io famaritana io rehefa mamaky ilay teny hoe “Ziona” ianao. Midika inona aminao izany hoe madio am-po izany? Ahoana no hanampian’ny tempoly amin’ny fanatanterahana “ny famonjena an’i Ziona”? (andininy 12).

Jereo koa ny Mosesy 7:18.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8.Ahoana no nitondran’ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanan’ny tempoly “hery avy any ambony” teo amin’ny fiainantsika? Angamba mety afaka hizara ny zavatra tsapany momba ny tempoly ireo olona ao amin’ny fianakaviana na hizara zavatra niainana izay nahatsapany fa nanomezana azy ireo “hery avy any ambony” tamin’ny alalan’ny fitsaohana tany amin’ny tempoly.

Mba hanampiana ireo izay miomana ny hiditra ny tempoly dia azonareo atao ny mijery ireo horonan-tsary sy sary ary torolalana hita ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:1–11.Inona no ianarantsika momba ny famaizana avy amin’ireo andininy ireo? Inona no ianarantsika momba ny Tompo? Inona no fiantraikan’ireo hevitra ireo eo amin’ny fomba hahazoantsika famaizana na hamaizantsika ny hafa?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8.Araka io andininy io dia ahoana no ahafahantsika ho “eken’”ny Tompo? Inona no maha-samihafa izany amin’ny hoe eken’izao tontolo izao? Inona no dikan’ny hoe “hitandrina ny fanekempihavana[ntsika] amin’ ny alalan’ ny fahafoizan-tena”? Ahoana no fomba nanaovantsika izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–21.Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “Na aiza na aiza ivondronan’ny Olomasina dia Ziona, izay haorin’ny lehilahy [sy vehivavy] olo-marina rehetra ho toerana fialofana ho an’ny zana[k’izy ireo]” (Teachings: Joseph Smith, 186). Ahoana no ahafahantsika manorina an’i Ziona ao an-tokantranontsika? Inona avy ireo fitsipika hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–21? Misafidiana fitsipika iray mba hiarahan’ny fianakaviana mifantoka amin’ity herinandro ity.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 99

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Raketo ireo zavatra niainanao. Raketo an-tsoratra ireo zavatra niainanao momba ireo fitsipika sy fotopampianarana izay ianaranao. Afaka ny ho lasa isan’ny tantaran’ny tena manokana izay hitahy taranaka maro ho avy ireo zavatra niainana ireo.

Sary
Fanamboarana ny Tempolin’i Kirtland

Manangana ny Tempolin’i Kirtland, nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy