Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
23–29 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93: “Mandray amin’ ny fahafenoany”


“23–29 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93: -Mandray amin’ny fahafenoany-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“23–29 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Mahita an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy i Stefana

Hitako ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra, nataon’i Walter Rane

23–29 aogositra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93

“Mandray amin’ ny fahafenoany”

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 dia mampianatra fa “ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy, ary araka ny haha-izy azy” (andininy 24). Eo am-pandalinanao ity fizarana ity dia mitadiava fahamarinana ary raketo an-tsoratra ny zavatra ianaranao. Vonona ny hanao inona ianao mba hahazo fahamarinana? (Jereo ny andininy 27–28).

Raketo ireo zavatra tsapanao

“Raha miakatra tohatra ianao,” hoy i Joseph Smith nampianatra, “dia tsy maintsy manomboka any ambany ary miakatra tsikelikely mandra-pahatonganao any amin’ny tampony ary dia toy izany koa amin’ireo fitsipiky ny filazantsara—tsy maintsy manomboka any amin’ny voalohany ianao ary manohy hatrany mandrapahaizanao ireo fitsipika rehetra mikasika ny fisandratana” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 268).

Indraindray ilay tohatry ny fisandratana dia toa avo be loatra ka tsy ho tody any mihitsy isika, saingy nateraka mba hiakatra hatrany an-tampony isika. Na inona na inona no sakantsakana mety ho hitantsika eo amintsika, ny Ray any An-danitra sy ny Zanany lahy kosa dia mahita zavatra be voninahitra sy araka an’ Andriamanitra ao anatintsika. Tahaka an’i Jesoa Kristy izay “niaraka tamin’ny Ray tany am-piandohana,” “Ianareo dia niaraka [Taminy] koa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21, 23). Tahaka Azy izay “nanohy ny fahasoavana niampy fahasoavana ambara-pandraisany ny fahafenoana,” dia toy izany ihany koa no “[handraisanareo] fahasoavana miampy fahasoavana” (andininy 13, 20). Ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia mampianatra antsika momba ny toetra marin’ Andriamanitra, ary toy izany ihany koa no ampianarany antsika mikasika ny tenantsika manokana sy izay azontsika ahatongavana. Na dia eo aza ny ezaka ataon’ “ilay ratsy” (andininy 39)—ary na dia eo aza ny zavatra izay tsapanao fa mety tsy anananao, dia zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny ianao izay manana fahafahana ny “[h]andray amin’ny fahafenoany amin’ny fotoana mahamety izany” (andininy 19).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93

Mivavaka amin’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany isika.

Raha niresaka ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 ny Tompo dia nanazava hoe: “Omeko anareo ireo teny ireo hahazoanareo mahatakatra sy mahafantatra ny fomba ivavahanareo sy izay ivavahanareo, mba hahazoanareo manatona ny Ray amin’ny anarako ary mandray amin’ny fahafenoany amin’ny fotoana mahamety izany” (andininy 19). Rehefa mandalina io fanambarana io ianao dia asio marika ireo fahamarinana hitanao momba ireo Olona hivavahantsika: Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany. Inona no ianaranao mikasika ny “fomba [hivavahana]” amin’Izy ireo? mikasika ny fomba “[hanatonana] ny Ray”?

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa: “Raha tsy mahatakatra ny toetoetran’ Andriamanitra ny olona, dia tsy mahatakatra ny toetoetrany manokana izy.”(Teachings: Joseph Smith, 40). Rehefa mianatra momba ny Mpamonjy ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93, dia tadiavo koa ny zavatra izay ianaranao momba ny tenanao. Ohatra hoe inona no ianaranao momba Azy avy amin’ny andininy 3, 12, 21, ary 26? Inona no fahamarinana mitovy amin’izay izay hitanao momba ny tenanao ao amin’ny andininy 20, 23, ary 28–29? (Jereo koa ny 1 Jaona 3:2; 3 Nefia 27:27; Dean M. Davies, “Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana,” Liahona, nôv. 2016, 93–95.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–39

Ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny fahazavana sy fahamarinana.

Mety ho tsikaritrao fa ny voninahitra, ny fahazavana, ary ny fahamarinana dia voatonona matetika ato anatin’ity fanambarana ity. Rehefa mandalina ny andininy 21–39 ianao indrindra indrindra, dia ataovy lisitra ireo fahamarinana ianaranao momba ny voninahitra, ny fahazavana, ary ny fahamarinana. Ahoana no hitaoman’ireo fahamarinana ireo anao hikatsaka fahazavana sy fahamarinana bebe kokoa? Inona no mety ho fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fomba iainanao ny fiainanao andavanandro?

Sary
varavarankely fitaratra

Mahazo fahazavana sy fahamarinana isika rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40–50

“[Alamino] ny ankohonanao.”

Any ho any amin’ny andininy 40, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 dia toa miampita avy amin’ny fampianarana momba ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny fahafahantsika ho lasa andriamanitra mankany amin’ny fampianarana momba ny fitaizan-janaka sy ny fandaminana ny ankohonantsika. Ahoana no hanampian’ny fampianaran’ny Tompo momba ny fahazavana sy ny fahamarinana ary ny voninahitra ao amin’ny andininy 1–39 anao hahatakatra sy hanaraka ny torohevitra ao amin’ny andininy 40–50?

Jereo koa ny David A. Bednar, “Hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano,” Liahona, nôv. 2009, 17–20.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:2.Tamin’ny fomba ahoana no naha “fahazavana marina” an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainantsika? Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny Fahazavany tao anatin’ireo olona hafa manodidina antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:3–29.Mba hanampiana ny fianakavianao hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana 93 momba ny Mpamonjy sy ny tenan’izy ireo dia afaka manao kilalao fampifandraisan-javatra ianareo. Ohatra hoe afaka manomana antontan-karatra ianao izay misy andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny fizarana 93 izay mampianatra fahamarinana momba ny Mpamonjy (jereo ny andininy 3, 12, 21, 26) ary antontan-karatra iray hafa izay mampianatra zavatra mitovy amin’izany momba ny tenantsika (jereo ny andininy 20, 23, 28–29). Afaka mifandimby mandray karatra iray avy amin’ny antontany tsirairay avy ireo olona ao amin’ny fianakaviana, dia mamaky ireo andinin-tsoratra masina, ary miezaka mitady ny fahamarinana izay mifandray amin’izany. Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny zavatra tsapantsika momba ny Mpamonjy sy ny tenantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12–13, 20.Inona no dikan’ny hoe mandray “fahasoavana niampy fahasoavana” sy ny manohy ny “fahasoavana niampy fahasoavana”? (andininy 12–13). Inona no lazain’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hivoarantsika sy hianarantsika? Inona no fiantraikan’ny fahalalana izany amin’ny fomba itondrantsika ny hafa, na ny tenantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24.Vakio ilay famaritana ny fahamarinana izay hita ao amin’io andininy io ary asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara zavatra avy ao amin’ny fizarana 93 izay heverin’izy ireo ho fahamarinana tena sarobidy. Inona koa ireo famaritana hafa hitantsika ao amin’ny Jaona 14:6; Jakôba 4:13; na ny fihirana iray momba ny fahamarinana, toy ny “O, toi vérité” (Cantiques, no. 175).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40.Rehefa mamaky io andininy io ianareo ohatra dia afaka mihira hira iray momba ny fianarana ao an-tokantrano ny fianakavianao, toy ny“Ampianaro aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 70). Mety ho tian’ny ankizy madinika ny hanao fihetsika mifanaraka amin’ny tonony. Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanasana “fahazavana sy fahamarinana” bebe kokoa ho ao an-tokantranonao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:41–50.Manaova filankevitry ny mpianakavy momba ny zavatra izay mety ho tsy “marina ao amin’ny ankohonanao.” Inona no azontsika atao mba “handamina[na] ny ankohona[ntsika]”? (andininy 43–44).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso:mba hohiraina “Zanaky ny Ray aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3.

Manatsara ny fianarantsika

Ataovy mihoatra ny indray mandeha ny famakian-teny. Afaka misafidy ny hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 mihoatra ny indray mandeha ianao mandritra ny herinandro. Isaky ny mamaky ianao dia mety hahatsikaritra fa misy fahamarinana isan-karazany manan-danja manokana aminao na mitaona anao amin’ny fomba vaovao. Ny famakian-teny im-betsaka ihany koa dia hanolotra fahafahana ho anao mba hisaintsaina lalina kokoa.

Sary
Jesoa Kristy

Fahazavana sy Fahamarinana, nataon’i Simon Dewey

Hamoaka printy