Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
16–22 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92: “Fitsipika omban’ny fampanantenana”


“16–22 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92: -Fitsipika omban’ny fampanantenana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“16–22 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
lehilahy sy vehivavy mahandro sakafo

16–22 aogôsitra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92

“Fitsipika omban’ny fampanantenana”

Halalino amim-bavaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92, ary raketo izay fahatsapana ara-panahy noraisinao. Aoka ianao hahay hahatsapa ny fomba hanehoan’ny “Fanahy ny fahamarinana” aminao rehefa mandalina (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:4).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tao amin’ny Sekolin’ireo Mpaminany dia nampianatra an’ireo loholon’i Isiraely ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Nifanakalo hevitra izy ireo momba ireo fahamarinana ara-panahy, niara-nivavaka, nifady hanina, ary niomana hitory ny filazantsara. Saingy nisy zavatra tao amin’ilay tontolo izay mety ho hafahafa amintsika ankehitriny, ary toa tsy nety tamin’ny sain’i Emma Smith koa. Nandritra ireo fivoriana dia nifoka sigara ireo rahalahy ary nihinam-paraky, izay mahazatra tamin’izany fotoana izany, saingy lasa nisy loto maintimainty ilay gorodona hazo ary namela fofona mahery izany. Nozarain’i Emma tamin’i Joseph ny ahiahiny ary dia nanontany ny Tompo i Joseph. Ny vokatr’izany dia fanambarana iray izay nihoatra lavitra ny setroka sigara sy ny loto avy amin’ny paraky. Izany dia nanome ho an’ireo taranaka maro ho avy, “fitsipika iray omban’ny fampanantenana”, fampanantenana fahasalamana ara-batana, “fahendrena,” ary “rakitsoa lehiben’ny fahalalana” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:3, 19).

Jereo ihany koa ny Olomasina, 1:114–19

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89

Ny Tenin’ny Fahendrena dia “fitsipika omban’ny fampanantenana.”

Raha vao sambany nandre an’i Joseph Smith namaky ny Tenin’ny Fahendrena ireo loholona tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany dia narian’izy ireo avy hatrany tao anaty afo ny pipan’izy ireo sy ny parakin’izy ireo” (Saints, 1:168). Tamin’izany fotoana izany ny Tenin’ny Fahendrena dia noraisina toy ny fampitandremana fa tsy hoe didy, saingy naniry izy ireo ny haneho ny finiavan’izy ireo hankatò. Angamba ianareo mety efa “nanary” hiala amin’ny fiainanareo ireo zavatra ampitandreman’ny Tenin’ny Fahendrena, saingy inona koa no ianarantsika ao amin’io fanambarana io? Diniho ireto hevitra ireto:

  • Mitadiava andian-teny izay mety mbola tsy tsikaritrao, na hoe neritreretinao lalina, tany aloha. Inona no ianaranao avy amin’izany?

  • Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 dia ahitana fampanantenana maro (jereo ny andininy 18–21). Inona araka ny eritreritrao no dikan’ireo fampanantenana ireo?

  • Inona no ampianarin’io fanambarana io anao mikasika ny Tompo?

  • Inona avy ireo ohatra hitanao maneho “sain-dratsy sy ny fikasana … ao am-pon’ny mpiaramioko”? (andininy 4).

  • Raiso ho toy ny “fitsipika omban’ny fampanantenana” io fanambarana io (andininy 3), fahamarinana maharitra izay mitari-dalana eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, fa tsy lisitrana zavatra azo atao sy tsy azo atao fotsiny. Inona avy ireo fitsipika izay hitanao fa afaka manampy anao eo amin’ny fandraisanao fanapahan-kevitra?

Ireo mpaminany maoderina dia nampitandrina ihany koa mikasika ireo zavatra sy fihetsika manimba ankoatra ireo voalaza ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena (jereo ny “Santé physique et émotionnelle,” Jeunes, soyez forts, 25–27). Inona no no tokony hataonao mba hikarakarana tsara kokoa ny sainao sy ny vatanao?

Jereo ihany koa ny Daniela 1; 1 Korintiana 6:19–20; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Tenin’ny Fahendrena,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; “The Word of Wisdom,” Revelations in Context, 183–91; addictionrecovery.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
ankizilahy mihazakazaka eny amoron-dranomasina

Mampianatra antsika ny Tenin’ny Fahendrena hikarakara tsara ny vatantsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–17

Ny Fiadidiana Voalohany no mihazona ireo “fanalahidin’ny fanjakana.”

Ao amin’ny fizarana 90 ny Tompo dia manome toromarika mikasika ny “asa fanompoana sy fiadidiana” (andininy 12) an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ary i Frederick G. Williams, izay mpikambana ao amin’ilay antsointsika ankehitriny hoe Fiadidiana Voalohany. Inona no ianaranao momba ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny andininy 1–17? Avereno jerena ireo hafatra vao haingana nomen’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny tenin’izy ireo “hamelabelatra [aminao] ireo misterin’ny fanjakana”? (andininy 14). Amin’ny fomba ahoana no “handaminan’ [izy ireo] ny raharaha rehetra an’ny fiangonana sy ny fanjakana”? (andininy 16).

Jereo ihany koa ny Henry B. Eyring, “Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana,” Liahona, mey 2019, 58–60.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24

“Hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoa[ko].”

Diniho izay mety ho zavatra niainanao ka manamarina ilay fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24. Diniho ny hiraketana ireo zavatra niainanao ireo sy ny hizarana izany amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na olon-tiana iray. Mety ho olona mila fampahatoniana na fankaherezana izany. Raha mbola misy fitahiana andrasanao dia diniho izay azonao atao mba hijanonana ho mahatoky eo am-piandrasanao ny fahitana fa “hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombotsoa[nao].”

Fotopampianarana sy Fanekemihavanana 90:28–31

Iza moa i Vienna Jaques?

I Vienna Jaques dia teraka tamin’ny 10 jona 1787 tany Massachusetts. Vehivavin’ny finoana izay nanam-bola i Vienna raha sambany nihaona tamin’ireo misiônera tamin’ny 1831. Rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona tamin’ny Fanahy izy fa marina ny hafatr’izy ireo, dia nanao dia mba hihaonana amin’ny Mpaminany tany Kirtland, Ohio, ary natao batisa.

Nankatò ny torohevitry ny Tompo ho azy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:28–31 i Vienna. Ny fanokanana nafoiny ho an’ny Tompo, tafiditra ao anatin’izany ireo fanomezana natolony teo aloha tany Kirtland, dia tonga tamin’ny fotoana tena nilan’ny Fiangonana an’izany, raha teo am-piezahana hividy tany hanorenana ny Tempolin’i Kirtland ireo mpitarika. I Vienna dia “[n]ahatoky, … ka tsy [n]idonana-poana” nandritra ny fiainany ary taty aoriana afaka “nanorim-ponenana tamim-piadanana” (andininy 31) tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake, ka tao izy no nodimandry tamin’ny faha-96 taonany.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89.Mety ankafizin’ny fianakavianao ny manao na mitady sarina sakafo sy ireo zavatra hafa voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89. Avy eo dia afaka manao kilalao ianareo. Afaka mifandimby ireo olona ao amin’ny fianakaviana misafidy sary an-kisendrasendra, ka mametraka ireo zavatra izay tsy tokony horaisintsika na hohanintsika ao amin’ny fanariam-pako ary ireo zavatra tokony horaisintsika na hohanintsika ao anaty lovia. Tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’ireo fampanantenana ao amin’ny andininy 18–21 teo amin’ny fiainantsika?

Ny famakiana ny “Santé physique et émotionnelle” ao amin’ny Jeunes, soyez forts (25–27) dia afaka miteraka fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba hafa hikarakarana ny fahasalamantsika sy mikasika ireo fitahiana izay ampanantenain’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:5.Miresaha mikasika ny fomba “[andraisanao] ny fanambaran’ Andriamanitra [na ireo fanambarana avy amin’ireo mpaminany].” . Ahoana no fomba ahafahantsika mampiseho fa tsy “zava-maivana” ho antsika izy ireny?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91.Azonareo ifampiresahana ny fomba ahafahan’ny torohevitry ny Tompo mikasika ireo Apôkrifa (jereo ny andininy 1-2) mba hihatra amin’ireo haino aman-jery eo anoloan’ny fianakaviana ankehitriny (jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Apôkrifa,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Azonao atao ihany koa ny mizara ireo zavatra niainanao manokana rehefa “[no]hazavain’ny Fanahy” (andininy 5) ianao izay nanampy anao hanavaka ny marina sy ny diso.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 92:2.Inona no dikan’izany hoe “mpikambana mavitrika” ao amin’ny Fiangonana izany?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso ho hiraina: “Je demeure dans un temple,” Chants pour les enfants, 73.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà zavatra isan-karazany. Mitadiava fomba maromaro hanentanana ny fianakavianao hanao fandalinana soratra masina iarahan’ny mpianakavy. Ohatra, afaka mihira hira ao amin’ny fihirana na hiran’ny ankizy ny mpianakavy mahakasika ny andinin-tsoratra masina iray, na manao ny sarin’ireo zavatra novakian’izy ireo, na mamintina andininy iray amin’ny fampiasana ny tenin’izy ireo manokana.

Sary
voankazo sy legioma

“Ny olomasina rehetra izay … [m]ampihatra ireo teny ireo sady mandeha amin’ny fankatoavana ny didy dia hahazo fahasalamana eo amin’ny foitrany ary tsoka ho an’ ny taolany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18).

Hamoaka printy