Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
2–8 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85-87: “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina”


“2–8 aogôsitra. Fanekempihavanana 85-87: -Mitsangàna eo amin’ny toerana masina-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021 (2020)

“2–8 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
fianakaviana mandeha any amin’ny tempoly

2–8 aogôsitra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87

“Mitsangàna eo amin’ny toerana masina”

Ny Fanahy dia mety hitarika anao handalina fitsipika ao amin’ny fizarana 85–87 izay tsy havohitra ao amin’ity rindran-damina ity. Araho ny toroheviny.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny andron’ny Krismasy dia matetika fotoana iray hisaintsainana ireo hafatra toy ny hoe “fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany” sy ny hoe “amin’ny olona ankasitrahany” (jereo ny Lioka 2:14). Saingy tamin’ny 25 desambra 1832 dia sahiran-tsaina momba ny fandrahonan’ady nisy i Joseph Smith. Vao avy nihantsy ady tamin’ny fitondram-panjakan’i Etazonia mihitsy i Caroline du Sud ary niomana ny hiady. Ary nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph fa vao ny fiantombohany fotsiny izany: “[Ny] ady,” hoy izy “dia ho [halatsaka] amin’ny firenen-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:2). Toa ny hoe ho tanteraka tsy ho ela ilay faminaniana.

Kanefa dia tsy tanteraka ilay izy. Tao anatin’ny herinandro vitsy monja dia nahita marimaritra iraisana i Caroline du Sud sy ny fitondram-panjakan’i Etazonia ary dia voasoroka ny ady. Kanefa ireo fanambarana dia tsy tanteraka foana amin’ny fotoana sy ny fomba andrandraintsika. Tokony ho 30 taona latsaka kely taty aoriana, fotoana ela taorian’ny naha-maty martiora an’i Joseph Smith sy nifindran’ireo Olomasina monina nankany andrefana , vao nikomy i Caroline du Sud ary nisy ny ady an-trano taorian’izany. Nanomboka teo dia niteraka “[f]itolokoan’ny tany” ny ady manerana izao tontolo izao (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:6). Na dia efa tanteraka aza ilay faminaniana dia tsy dia ilay faminaniana ny fotoana hitrangan’ny loza no tena mampanan-danja io fanambarana io fa ny fampianarany ny amin’izay tokony hatao rehefa mitranga izany. Mitovy ny torohevitra nomena na tamin’ny taona 1831 na 1861 na ho an’ny taona 2021: “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina” (andininy 8).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:1–2

Tsara ny “mirakitra tantara.”

Ny tantara fariparitana ao amin’ny andininy 1 dia mirakitra ny anaran’ireo izay “[n]andray lova ara-drariny” tao Ziona (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:24-26). Kanefa izany tantara izany dia mihoatra lavitra noho ny resaka ara-pitantanana. Firaketana sarobidy an’ireo “fomba fiaina[n’ireo Olomasina] sy ny finoan[’izy ireo] ary ny asan’[izy ireo]” izany (andininy 2).

Manoratra tantaran’ny tenanao manokana na manao diary ve ianao? Inona no azonao raketina momba ny fomba fiainanao sy finoanao ary asanao izay mety hitahy ny taranaka ho avy? Ahoana no maha-fitahiana izany tantara izany ho anao?

Jereo koa ny “Journals: ‘Of Far More Worth than Gold,’” Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff (2011), 125–33; “Turning Hearts” (video, ChurchofJesusChrist.org).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6

Mibitsika amin’ny “feo tony sy malefaka” ny Fanahy Masina.

Saintsaino ny teny nampiasain’i Joseph Smith hamariparitana ny Fanahy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6. Amin’ny fomba ahoana no maha-“tony” sy “malefaka” ny feon’ny Fanahy? Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay “mandoaka” eo amin’ny fiainanao?

Jereo ireto famaritana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith ireto eo am-pieritreretanao ny fomba hiresahan’ny Fanahy aminao: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–24; 8:2–3; 9:7–9; 11:12–13; 128:1. Inona no zavatra tsapanao fa ilainao atao mba handrenesanao ny feon’ny Fanahy kokoa raha mifototra amin’izay vao novakinao?

Jereo koa 1 Mpanjaka 19:11–12; Helamàna 5:30.

Sary
vehivavy mandalina ny soratra masina

Manampy antsika handre ny Fanahy Masina ny fandalinana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86

Hangonina ireo olomarina amin’ny andro farany .

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1-7 dia ahitana ny fanazavan’ny Tompo momba ny fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary izay izay somary misy tsy fitoviana kely amin’ny nolazainy ao amin’ny Matio 13:24–30, 37–43. Inona no fahasamihafana tsikaritrao rehefa mampitaha azy roa ianao? Diniho hoe nahoana io fanoharana io, miaraka amin’ireo fahasamihafana ireo no ilaina averimberina “amin’ny andro farany, dia ankehitriny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:4). Inona no azonao ianarana avy amin’io fanoharana io ary inona no azo andraisana izany amin’izao andro farany izao?

Araka ny voarakitra ao amin’ny andininy 8–11 dia niresaka momba ny fisoronana sy ny famerenana amin’ny laoniny ary ny famonjena ny vahoakany ny Tompo tamin’io fotoana io. Inona no fifandraisana hitanao eo amin’ireo andininy ireo sy ny fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary? Ahoana no ahafahanao ho “mpamonjy ho an’ny olon’[ny Tompo]? (andininy 11).

Jereo koa Gospel Topics, “Apostasy,” “Restoration of the Priesthood,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87

Any amin’ny “toerana masina” no ahitana ny fiadanana.

Ankoatra ny loza ara-batana ateraky ny “fandatsahan-dra … [sy] ny mosary sy ny areti-mandringana ary ny horohoron-tany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:6) dia azo raisina ho tahaka ny loza manambana ara-panahy atrehintsika rehetra koa amin’ny andro farany ny torohevitra ao anatin’ity fanambarana ity. Aiza no misy ireo “toerana masi[nao]” (andininy 8) izay ahitanao fiadanana sy fialofana? Inona no mahatonga ny toerana iray ho masina? Ankoatra ny toerana dia mety hisy koa fotoana masina na fombafomba masina na koa eritreritra masina izay afaka mitondra fiadanana. Inona no dikan’ny hoe “aoka tsy hoesorina” amin’ireny toerana ireny?

Jereo koa ny Henry B. Eyring, “Tokantrano itoeran’ny Fanahin’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 22–25; Olomasina, 1:163–64; “Peace and War .

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6.Ahoana no ahafahanao mampianatra ny fianakavianao hamantatra ny feo tony sy malefaky ny Fanahy? Angamba azonareo atao ny manao kilalao izay misy olona iray mibitsika torolalana manan-danja kanefa misy tabataba manakorontana eo amin’ny manodidina. Inona no zavatra mety manelingelina antsika ka tsy handrenesantsika ny Fanahy Masina? Angamba azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara ny zavatra ataony mba handrenesany ny feon’ny Fanahy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86.Mety hanampy ny fianakavianao hahatakatra ny fanoharana ny amin’ny vary sy tsimparifary ny fanaovana na fijerena sary. Mety ho tianao ny hanomboka izany amin’ny sary maneho ireo zavatra faritana ao amin’ny Matio 13:24–30. Avy eo dia azon’ny fianakavianao atao ny manome anarana ireo sary amin’ny alalan’ireo fanazavana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1-7. Inona no mampitovy antsika amin’ny vary? Ahoana no ahafahantsika ho toy ilay anjely manangona ilay vary?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8.Mba hampidirana fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba hanaovana ny tranonao ho lasa trano masina kokoa dia afaka manasa olona ao amin’ny fianakaviana ianao hanao sarina trano ho an’ny olona iray tia ny Mpamonjy. Mety hiteraka hevitra mikasika ny fomba “handaminana” ny tranonao mba ho lasa toerana misy fiadanana eo afovoan’ny loza manambana ara-panahy eto amin’izao tontolo izao izany. Afaka manome hevitra ho anao ny hira toy ny “Fitia an-tokantrano,” “Notre foyer ici-bas” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, Cantiques, pejy 88, no.188), na “Raha tsapa fa ao ny fitia” (Bokin-kiran’ny ankizy, 76).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso ho hiraina: “Raha tsapa fa ao ny fitia,” Bokin-kiran’ny ankizy, 76.

Manatsara ny fampianarantsika

Asehoy ny fahaizanao mamorona. Aza mametra tena amin’ireo fanontaniana sy ireo hevitra mikasika ny asa azo atao izay atolotra ato amin’ity rindran-damina ianao rehefa mampianatra ny fianakavianao avy amin’ny soratra masina. Avelao ireo hevitra ireo handrehitra ny fahaizanao mamorona. Saintsaino ireo zavatra hahafinaritra ny fianakavianao sy ny zavatra hanampy azy ireo hahita fifandraisana eo amin’ny soratra masina sy ny fiainan’izy ireo.

Sary
tanimbary

Nampiasa ny fanoharana ny amin’ny vary sy tsimparifary ny Tompo mba hanehoana ny fomba hanangonany ny vahoakany amin’ny andro farany.

Hamoaka printy