Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
26 jolay–1 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84: “Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”


“26 jolay–1 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84: - Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“26 jolay–1 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
I Joseph Smith mandray ny fisoronana Melkizedeka

Famerenana amin’ny laoniny, nataon’i Liz Lemon Swindle

26 jolay–1 aogôsitra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84

“Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 ianao dia diniho ilay torohevitra mba “hivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra” (andininy 44). Ahoana no fomba hivelomanao amin’ny teny rehetra ao amin’io fanambarana io?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Hatramin’ny namerenana amin’ny laoniny ny fisoronana tamin’ny taona 1829 dia voatahy tamin’ny alalan’izany hery masina izany ny Olomasin’ny Andro Farany. Natao batisa sy noraisina ho mpikambana ary nantsoina hanompo amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izy ireo, tahaka ny miseho eo amintsika amin’izao fotoana izao. Saingy ny hoe manana ny herin’ny fisoronana dia tsy mitovy amin’ny hoe mahatakatra tanteraka ny fisoronana ary mbola betsaka ny zavatra tian’ Andriamanitra ho takatr’ireo Olomasiny indrindra rehefa nanakaiky ny famerenana amin’ny laoniny ireo ôrdônansin’ny tempoly. Ilay fanambarana tamin’ny 1832 mikasika ny fisoronana izay hita ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 dia nampivelatra ny fahatakaran’ireo Olomasina ny tena dikan’ny fisoronana. Ary afaka manao izany amintsika koa izany ankehitriny. Raha ny marina, dia betsaka ny zavatra azo ianarana mikasika ilay hery avy any an-danitra izay mihazona “ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra,” izay mampiseho “ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” ary manomana antsika “[h]ahita ny tavan’ Andriamanitra, dia ny Ray, ary ho velona” (andininy 19–22).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–5, 17–28

Manana fahafahana handray ny hery sy ireo fitahian’ny fisoronan’ Andriamanitra aho.

Rehefa misaintsaina ny teny hoe fisoronana ianao dia inona no tonga ao an-tsainao? Isaky ny inona ianao no mieritreritra momba ny fisoronana sy ny fiantraikany eo amin’ny fiainanao isan’andro? Rehefa avy misaintsaina momba ireo fanontaniana ireo ianao dia halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1-5, 17-28. ary eritrereto ny zavatra tian’ny Tompo ho fantatrao momba ny herin’ny fisoronany. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ireo andininy ireo mba hamariparitana ny fisoronana amin’ny olona iray sy hanazavana ireo tanjony?

Azonao atao koa ny misaintsaina ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay efa nandraisanao anjara. Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao “ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” (andininy 20) niseho tao amin’izy ireo? Saintsaino ny zavatra tian’ny Tompo hataonao mba handraisanao bebe kokoa ny heriny eo amin’ny fiainanao.

Jereo koa ny M. Russell Ballard, “Men and Women and Priesthood Power,” Ensign, sept. 2014, 28–33; Gospel Topics, “Priesthood,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31–42

Raha mandray ny Tompo sy ireo mpanompony aho dia handray ny zavatra rehetra ananan’ny Ray.

Nampianatra ny Loholona Paul B. Pieper hoe: “Mahavariana fa ao anatin’ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31-42,], dia mampiasa ny matoanteny hoe mahazo sy mandray ny Tompo. Tsy mampiasa ny matoanteny hoe manendry Izy. Ao amin’ny tempoly no ahazoan’ny lehilahy sy vehivavy ary andraisan’izy ireo, miaraka, ireo fitahiana sy hery avy amin’ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka” (“Revealed Realities of Mortality,” Ensign, jan. 2016, 21).

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31–42 ianao dia tadiavo ireo teny hoe “mahazo” sy “mandray.” Saintsaino ny mety ho dikan’ireo teny ireo ao anatin’izany sahan-kevitra izany. Amin’ny fomba ahoana no “andraisa[nao]” ny Tompo sy ireo mpanompony?

Azonao atao koa ny mandray an-tsoratra ireo fampanantenana ao anatin’ireo andininy ireo izay mifandray amin’ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana, izay tsy azon’ Andriamanitra “ravana” (andininy 40). Inona ny zavatra hitanao fa manosika anao ho mahatoky kokoa amin’ny fandraisana ny Ray sy ireo mpanompony ary ny herin’ny fisoronany?

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanana,” “Fianianana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–58

Manatona an’ i Kristy aho rehefa mankatò ny teniny sy mihaino ny fanahiny.

Mihoatra lavitra noho ny zavatra iray ilaina vitaina ao anatin’ny lisitry ny zavatra ara-panahy tokony hatao ny famakiana tsy tapaka ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Inona ireo fahamarinana hitanao ao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43-58 izay manampy anao hahatakatra ny antony ilanao mandalina tsy tapaka ny tenin’ Andriamanitra? Jereo ny fahasamihafan’ny fahazavana sy ny haizina ao anatin’ireo andininy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny “fitandrema[nao] fatratra ny tenin’ny fiainana mandrakizay” nitondra hazavana sy fahamarinana ary ny “Fanahin’i Jesoa Kristy” teo amin’ny fiainanao? (andininy 43, 45).

Jereo koa ny 2 Nefia 32:3; “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson (2014), 125–35.

Sary
vehivavy mandalina ny soratra masina

Ny fandalinana ny soratra masina dia manampy ahy hahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:62–91

Hiaraka amiko ny Tompo rehefa manao ny asany aho.

Rehefa mamaky ireto andininy ireo ianao dia afaka mamantatra ireo fomba nolazain’ny Tompo fa hanohanany ireo Apôstôliny sy ireo misiônerany. Amin’ny fomba ahoana no ifandraisan’ireo fampanantenana ireo amin’ny asa izay nangatahiny hataonao? Ohatra, tamin’ny fomba ahoana no nahatanteraka ny fampanantenana ao amin’ny andininy 88 teo amin’ny fiainanao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:6–18.Rehefa avy mamaky mikasika ny fomba nandraisan’i Mosesy ny fahefan’ny fisoronana, dia afaka mizara ny zavatra niainany rehefa notendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana iray ny mpihazona ny fisoronana iray ao amin’ny fianakavianao na ny rahalahy mpanompo iray. Raha azo atao dia afaka mizara sy mifanakalo hevitra momba ny rohim-pahefan’ny fisoronany izy. Nahoana no manan-danja ao amin’ny Fiangonana ankehitriny ny fahafahantsika manoritra rohim-pahefan’ny fisoronana miverina mankany amin’ny fahefan’i Jesoa Kristy? Raha te hangataka ny rohim-pahefan’ny fisoronana, dia mandefasa email amin’ny lineofauthority@ChurchofJesusChrist.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20–21.Oviana ny fianakavianao no niaina ny fisehon’ny “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” tamin’ny alalan’ny ôrdônansy iray toy ny batisa na ny fanasan’ny Tompo? Angamba azonareo atao ny mifampiresaka mikasika ny fomba ahafahan’ireo ôrdônansy ireo mitondra ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Azonareo atao koa ny mampiseho sarin’ny tempoly iray ary mifanakalo hevitra momba ny fomba izay hanomezan’ireo ôrdônansin’ny tempoly hery fanampiny ho antsika mba hitovizana amin’ny Mpamonjy. Mety te hihira hira momba ny fisoronana ianareo toy ny “Tafaverina indray ny Fisoronana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 60), ary hifanakalo hevitra momba ny zavatra izay ampianarin’izany hira izany mikasika ny fisoronana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–44.Azonareo atao ny miaraka mikarakara sakafo na mofomamy ary manome anarana ny zavatra tsirairay natao tao anatin’izany amin’ny alalan’ny teny iray na andian-teny avy ao amin’ny andininy 44. Nahoana no manan-danja ny fampiasana ny zavatra rehetra ilaina atao ao anatin’izany? Nahoana no manan-danja ny mivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:98–102.Inona ny zavatra ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ilay “hira vaovao” (andininy 98) ao amin’ireo andininy ireo? Inona no azontsika atao mba hampisy an’ireo toe-javatra voafariparitra ao anatin’ity hira ity?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:106–10.Ahoana no ahafahan’ny fianakaviantsika “rehetra mifampandroso” amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavana sy ireo ezaka ataon’ny “ratsambatana tsirairay”? (andininy 110).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso ho hiraina: “Tafaverina indray ny Fisoronana,” Bokin-kiran’ny ankizy, 60; Jereo koa ny “Hevitra entina hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina.”

Manatsara ny fampianarantsika

Manolora fanasana ary manaova fanaraha-maso ny fandraisana andraikitra eo anoloan’ireo fanasana mba hanao asa. Rehefa manasa ny fianakavianao mba handray andraikitra eo anoloan’ny zavatra ianarany ianao dia asehoy azy ireo fa ny filazantsara dia zavatra tokony hiainana fa tsy zavatra resahina fotsiny. Inona ny asa azonao hanasana azy ireo mba hataon’izy ireo rehefa avy nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 ianareo?

Sary
Tempolin’i Rome Italie

Tempolin’i Rome Italie

Hamoaka printy