Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
19–25 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83: “Izay omena be no takiana be”


“19–25 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83: -Izay omena be no takiana be,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“19–25 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
I Kristy sy ilay zatovo mpanankarena

I Kristy sy ilay zatovo mpanankarena, nataon’i Heinrich Hoffman

19–25 jolay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83

“Izay omena be no takiana be”

Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81-83, dia mariho ireo fitsipika izay afaka hanampy anao hanao zavatra tsara eo anivon’ny fianakavianao sy ireo namanao ary ny hafa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny volana martsa 1832 dia niantso an’i Jesse Gause ny Tompo ho mpanolotsain’i Joseph Smith ao amin’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo (antsoina ankehitriny hoe Fiadidiana Voalohany). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81 dia fanambarana ho an-dRahalahy Gause manoro lalana azy amin’ny antsony vaovao sy mampanantena azy fitahiana rehefa manompo amim-pahatokiana. Saingy tsy nanompo tamim-pahatokiana i Jesse Gause. Noho izany dia voantso nandimby azy i Frederick G. Williams ary ny anaran-dRahalahy Gause dia nosoloina ny anaran-dRahalahy Williams ao amin’ilay fanambarana.

Mety ho toy ny antsipirihany kely izany saingy mahakasika fahamarinana iray manan-danja: Ny ankamaroan’ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia natao ho an’olona manokana saingy afaka hatrany isika mikatsaka ny hampihatra azy ireny amin’ny tenantsika (jereo ny 1 Nefia 19:23). Ny torohevitry ny Tompo ho an’i Frederick G. Williams mba “hampatanjaka ny lohalika malemy” dia afaka mampitodika ny saintsika any amin’ireo olona izay azontsika hampatanjahana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5). Ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo mpikambana tao amin’ny Orinasa Miray ny mba “hamehezanareo ny tenanareo amin’ity fanekempihavanana ity” mba hiatrehana ny zavatra ara-nofo ilain’ny Fiangonana dia afaka mampitodika ny saintsika amin’ireo fanekempihavanan’ny tenantsika ihany. Ary ny fampanantenan’ny Tompo fa Izy dia ho “voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko” dia afaka mampahatsiahy antsika ny fampanantenany amintsika rehefa mankatò isika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10, 15). Izany dia araka ny tokony ho izy, fa ny Tompo ihany koa dia nanambara hoe: “Izay lazaiko amin’ny iray dia lazaiko amin’ny rehetra” (andininy 5).

Jereo ny “Newel K. Whitney and the United Firm,” “Jesse Gause: Counselor to the Prophet,” Revelations in Context, 142–47, 155–57.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81

Afaka ny ho mahatoky aho amin’ny fanaovana ny zavatra izay asain’ny Tompo ataoko.

Moa ve ianao indraindray manontany tena ny fomba ahafahanao manatanteraka ireo andraikitra manan-danja eo amin’ny fiainanao? Amin’ny maha-mpanolotsain’ny Mpaminany Joseph Smith an’i Frederick G. Williams dia azo antoka fa nanana andraikitra maro manan-danja izy. Ao amin’ny fizarana 81 ny Tompo dia nanome torohevitra azy mikasika ny fomba hanatanterahany azy ireny. Inona no zavatra hitanao ao amin’ity fizarana ity ka afaka manampy anao hanatanteraka ireo andraikitra nomen’ny Tompo anao?

Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanampy anao hisaintsaina ny andininy 5:

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany maneho fa ny olona dia mety ho “osa”? Inona no dikan’ny hoe “[mamonjy]” ny osa?

  • Inona no antony mety mahatonga ny tanan’ny olona araka ny hevitra an-kolaka hoe “miraviravy”? Ahoana no fomba “hanakarana” ireo tanana ireo?

  • Inona no mety ho dikan’ilay andian-teny hoe “ny lohalika malemy”? Ahoana no fomba “hanatanjahantsika” ireo izay malemy lohalika?

Angamba ny fandalinanao ity andininy ity dia nahatonga anao hieritreritra olona azo “vonjena” sy “akarina” na “ hatanjahana.” Inona no hataonao mba hanompoana izany olona izany?

Sary
i Sidney Rigdon sy i Joseph Smith ary i Frederick G. Williams

Ny Fiadidiana Voalohany: Sidney Rigdon sy Joseph Smith ary Frederick G. Williams

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1–7

Manasa ahy ny Tompo hibebaka sy hamoy ny fahotako.

Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1–7, dia diniho ny hanaovana lisitra roa momba izay nianaranao: ny fampitandremana momba ny fahotana sy ireo fahamarinana momba ny famelan-kelona. Ahoana no fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo hanampy anao hanohitra ireo fakam-panahin’ny fahavalo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10

Ireo didy dia natao ho famonjena sy fiarovana ahy.

Raha toa ianao, na ny olona iray fantatrao, efa nanontany tena hoe nahoana ny Tompo no manome didy betsaka tokoa, dia afaka manampy anao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8-10. Inona avy ireo hevi-baovao ao amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy anao hanazava amin’ny olona iray hoe nahoana ianao no misafidy ny hanaraka ireo didin’ny Tompo? Mety azonao dinihina ihany koa hoe ahoana no nahafahan’ireo didy ireo nanova ny fiainanao. Inona no ianaranao momba ny Tompo rehefa mamaky ny andininy 10 ianao?

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21; Carole M. Stephens, “Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko,” Liahona, nôv. 2015, 118–20.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83

“Hokarakaraina ny mananotena sy ny kamboty.”

Tamin’ny volana aprily 1832, araka ny torolalan’ny Tompo, dia nanao dia efa saika ho 1300 kilaometatra i Joseph Smith mba hamangiana ireo olomasina izay tafangona tany Missouri(jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:9). Ny fiarahamonina iray izay novangiany dia nahitana mananotena izay nitaiza irery ny zanak’izy ireo. Anisany tamin’izy ireo ry Phebe Peck sy Anna Rogers, izay fantatry ny mpaminany manokana. Tany Missouri tamin’ny taona 1830 tany ho any dia nisy lalam-panjakana nametra ny zon’ireo vehivavy mananotena amin’ny fananan’ny vadin’izy ireo izay maty. Inona no ianaranao ao amin’ny fizarana 83 mikasika ny zavatra tsapan’ny Tompo momba an’ireo vehivavy maty vady sy ireo kamboty? Mahafantatra olona iray ao anatin’izany toe-javatra izany ve ianao ka hoe afaka misitraka ny fitiavanao sy ny fikarakaranao?

Jereo ihany koa ny Isaia 1:17; Jakoba 1:27.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:3.Azonao omena fo vita amin’ny taratasy ireo olona ao amin’ny fianakaviana ary asao izy ireo hanao sary ny zavatra iray izay tian’izy ireo hoentina am-bavaka na hanoratra momba izany. Resaho ihany koa ny dikan’ny hoe mivavaka “mandrakariva na amim-peo avo na anakampo.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5.Mba hahafahana mianatra ireo fitsipika ao amin’ity andininy ity dia angamba afaka mizara ohatra ireo olona ao amin’ny fianakaviana, izay nahatsapan’izy ireo ho “osa” na “malemy” ka nisy olona namonjy na nampatanjaka azy ireo. Azonao atao ihany koa ny mijery horonantsary mikasika ny fanompoana ny hafa toy ny “Works of God” na ny “The Miracle of the Roof” (ChurchofJesusChrist.org). Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ny fianakavianao mifanompo matetika amin’ny fomba tsotra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10.Angamba mety hanampy ny fianakavianao hahatsapa ho feno fankasitrahana noho ireo didin’ Andriamanitra ny fanaovana kilalao tsotra. Afaka manome torolalana ny olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hanampiana olona iray notapena-maso hanamboatra sandwich na hiampita sakana iray eo an-dalana. Mieritrereta zavatra iray mahafinaritra sy mahaliana! Avy eo dia ifanakalozy hevitra ny mahatonga ireo didin’ Andriamanitra rehetra ho toa an’ireo toromarika ao anatin’ity kilalao ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:18–19.Inona no azon’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana atao mba hahazoany “mampitombo ny talentany” sy mba “hahazoan[y] talenta hafa”? Mety hahafinaritra ny mikarakara fampisehoana talenta eo amin’ny fianakavianao. Mieritrereta fomba hampidirana talenta izay tsy mora aseho loatra (toa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy; jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11–26). Ahoana no ahafahantsika mampiasa ireo talentantsika ary mizara amin’ny fananantsika mba hitahiana ny fianakaviantsika sy ny mpiray vodirindrina amintsika? Inona no dikan’ny hoe mampiasa ny talentantsika “mbamin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitra’ Andriamanitra”?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Fihirana aroso mba ho hiraina: “Seigneur j’ai tant reçuCantique, n° 139, jereo ihany koa ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina.”

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana izay mitaona hanao zavatra. Diniho ny hametrahana fanontaniana izay manainga ny olona ao amin’ny fianakavianao handinika ny fomba ahafahan’izy ireo miaina feno kokoa ny filazantsara. “Tsy fanontaniana ifanakalozan-kevitra ireo mazàna fa natao hosaintsainin’ny tena manokana” (Mampianatra araka ny fomban’ny Tompo, 31).

Sary
i Jesoa nanasitrana lehilahy iray

sarin’i Jesoa manasitrana lehilahy iray nataon’i Dan Burr

Hamoaka printy