“5–11 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: ‘-Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)
“5–11 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021
5–11 jolay
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76
“Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny”
Ao amin’ny fizarana 76, ny Tompo dia maneho fa te hanambara fahamarinana amintsika (jereo ny andininy 7–10). Vakio ny soratra masina omban’ny finoana fa Izy afaka manambara ary hanambara aminao “ny zavatra momba an’ Andriamanitra” (andininy 12) izay ilainao ho fantarina. Avy eo dia soraty ireo hevitra izay voarainao “raha mbola tsindrian’ny Fanahy [ianao]” (andininy 28, 80,113).
Raketo ireo zavatra tsapanao
“Inona no hitranga amiko aorian’ny fahafatesako?” Saiky ny antokom-pinoana tsirairay manerana izao tontolo izao no mamaly io fanontaniana io amin’ny fomba samihafa avokoa. Nandritra ny taonjato maro dia fomba Kristianina maro miantehitra amin’ny fampianarana ao amin’ny Baiboly no mampianatra momba ny lanitra sy ny helo, momba ny paradisa ho an’ireo olo-marina ary ny fampijaliana ho an’ireo olon-dratsy. Kanefa moa ve ny zanak’olombelona manontolo dia tena azo sarahina amin’ny fomba hentitra ho ratsy sy tsara? Ary inona no tena dikan’ny teny hoe lanitra? Ny febroary 1832 dia nanontany tena i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon raha toa ka tsy misy zavatra misimisy kokoa azo fantarina momba an’io resaka io (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, sasin-tenin’ny fizarana).
Tena azo antoka fa nisy izany. Raha mbola nisaintsaina ireo zavatra ireo izy ireo, “dia nikasika ny mason’ny fahatakaran[‘izy ireo ny Tompo] ary nosokafana ireo” (andininy 19). I Joseph sy i Sidney dia nandray fanambarana mahatalanjona tokoa, sy mivelatra tokoa, ary mitondra fahazavana tokoa ka nantsoin’ny Olomasina fotsiny hoe “ilay Fahitana” izany. Nanokatra ny varavaran’ny lanitra izany ary nitondra fahatakarana manitatra ny saina momba ny mandrakizay. Manambara io fahitana io fa ny lanitra dia lehibe kokoa sy miitatra kokoa ary mahahenika zavatra betsaka kokoa mihoatra noho izay noheverin’ny olona maro tany aloha. Be famindrampo sy marina kokoa noho izay azontsika takarina Andriamanitra. Ary ny zanak’ Andriamanitra dia manana anjara mandrakizay feno voninahitra kokoa noho izay azontsika saintsainina.
Jereo ny Olomasina,1: 147-50; “The Vision,” Revelations in Context, 148–54.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76
Tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra ny famonjena.
Rehefa namaky ilay fahitana voasoratra ao amin’ny fizarana 76 i Wilford Woodruff dia hoy izy, “Nitia ny Tompo mihoatra lavitra noho ny teo amin’ny fiainako hatrizay aho” (jereo ny “Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny” any amin’ny faran’ity rindran-damina ity). Mety nanana fahatsapana tahaka izany koa ianao rehefa namaky an’io fanambarana io. Raha ny marina dia tsy misy ho tanteraka na iray aza amin’ireo fitahiana goavana voasoritra ao amin’ny fizarana 76 ireo raha tsy misy ny Mpamonjy. Mety azonao atao ny mijery ny andininy tsirairay ao amin’ny fizarana 76 izay manambara an’i Jesoa Kristy. Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao mikasika Azy sy ny andraikiny eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fahatsapanao mikasika Azy? Rehefa mamaky sy mandalina ianao dia afaka mandray fahatsapana mikasika ny fomba ahafahanao “[mandray] ny tenivavolombelon’i Jesoa” ary ho “mahery fo” kokoa amin’izany (andininy 51, 79).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:39–44, 50–112
Tian’ Andriamanitra ny hamonjy ny “asan’ny tanany rehetra.”
Ny olona sasany anisan’izany ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tany am-piandohana dia tsy nanaiky an’io fahitana ao amin’ny fizarana 76 io satria izany dia mampianatra fa saika ny olon-drehetra no ho voavonjy ary handray ambaratongam-boninahitra. Ny tsy faneken’izy ireo dia mety ho misy avy amin’ny tsy fahatakarana mikasika an’ Andriamanitra sy ny fifandraisany amintsika. Rehefa mamaky an’ity fanambarana ity ianao dia inona no ianaranao mikasika ny toetran’ Andriamanitra sy ny drafiny ho an’ireo zanany?
Eritrereto ny tsy mampitovy ny hoe voavonjy (amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy; jereo ny andininy 39, 43–44) sy ny hoe voasandratra (miaina miaraka amin’ Andriamanitra sy tonga tahaka Azy; jereo ny andininy 50–70).
Jereo koa ny Jaona 3:16–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132: 20–25.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70, 92–95
Tian’ny Raiko any An-danitra aho hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialy.
Efa nanontany tena ve ianao na niahiahy raha toa ka ho voaray na tsia ao amin’ny fanjakana selestialy? Rehefa mamaky ireo famaritana an’ireo izay handray an’io voninahitra io ianao (jereo ny andininy 50–70, 92–95), fa tsy mijery fotsiny ny lisitry ny zavatra izay tsy maintsy ataonao, dia jereo izay nataon’ Andriamanitra sy mbola ataony hanampiana anao hitovy Aminy. Moa ve ny famakianao an’io fahitana io amin’io fomba io misy fiantraikany amin’ny fomba fahatsapanao mikasika ny ezaka ataon’ny tenanao manokana?
Afaka mieritreritra ihany koa ianao mikasika ny maha-fitahiana lehibe ny fahafantarana an’ireo antsipiriany momba ny fanjakana selestialy. Amin’ny fomba ahoana no mahatonga io fahitana ny voninahitra selestialy io hisy fiantraikany eo amin’ny fomba fijerinao sy ny fomba tianao hiainana ny fiainanao andavanandro?
Jereo ihany koa ny Mosesy 1:39; Joy D. Jones, “Fananana lanja tsy hay refesina,” nôv. 2017, 13–15; J. Devn Cornish, “Manana fahatsarana ampy ve aho? Ho tonga any ve aho?” Liahona, nôv. 2016, 32–34.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24, 50–52, 78–79, 81–82.Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny maha-zava-dehibe ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Inona no anjara asan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika eo amin’ny anjara mandrakizaintsika? Mety hanampy ny mijery ny famaritana ny maherifo mba hahafahana mifampiresaka ny fomba hahatongavana ho “maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Kristy” (andininy 79). Azonareo hiraina koa ny: “Ho mpanompo mazoto aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 162).
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24.Mety ho tsikaritry ny fianakavianao ireo fifandraisana misy ao amin’ny fizarana 76 sy ireo izay ampianarina ao amin’ny “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3); ny iray amin’ireo fahamarinana ireo dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24. Hanao ahoana ny fiovana eto amin’ izao tontolo izao raha toa ny tsirairay mahatakatra fa isika rehetra dia zanak’ Andriamanitra daholo? Inona no fiantraikan’io fahamarinana io eo amin’ny fomba handraisanao ny hafa? Angamba mety hanampy ny fianakavianao handinika io fanontaniana io ny fijerena sarina karazana zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra eto amin’ity tany ity. (Jereo ihany koa ny horonan-tsary fanehoana “Video Presentation: I Am a Child of God,” ChurchofJesusChrist.org.)
Hevero ny hiarahana mihira ny “Zanaky ny Ray aho” ary ny hitadiavana zavatra hafa mifandray amin’ireo fitsipika ao amin’ny fizarana 76 (jereo ohatra, ny andininy 12, 62, 96).
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–41.Raha toa isika mamintina ny hoe “vaovao mahafaly” (andininy 40) ao amin’ireo andininy ireo amina lohateny fohy an-gazety na tweet dia inona no holazainao? Inona ny vaovao mahafaly hafa hitantsika ao amin’ny fizarana 76?
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70.Ahoana no ahafahanao manampy ny fianakavianao hiandrandra ny fiainana mandrakizay any amin’ny fanjakana selestialy sy hiomana ho amin’izany? Afaka miara-miasa ianareo mba hitady sary sy soratra masina ary fampianarana miendrika faminaniana mifanaraka amin’ireo andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70. Mety afaka mahita ireo zavatra ireo ianao ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na eo amin’ireo fanamarihana eny farany ambanin’ny pejin’ny soratra masina. Avy eo dia azonareo angonina ireo sary sy soratra masina ary fampianarana ireo any amin’ny toerana iray izay afaka mampahatsiahy ny fianakavianao an’ireo tanjonareo mandrakizay.
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba ho hiraina: “Velona ilay Mpanavotra ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 76.
Feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny: Tenivavolombelona momba “ilay Fahitana”
Wilford Woodruff
Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Wilford Woodruff ny volana desambra 1833, saika ho roa taona taorian’ny nandraisan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon an’ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Nipetraka tany New York izy tamin’izany fotoana izany ary nahare mikasika “ilay fahitana” tamin’ireo misiônera nanompo teo amin’ilay toerana. Taona maro taty aoriana dia niresaka mikasika ny fahatsapany momba io fanambarana io izy:
“Nampianarina ahy tamin’ny fahazazako fa nisy Lanitra iray sy Helo iray, ary voalaza fa ny olon-dratsy rehetra dia mahazo famaizana iray ihany ary ny olo-marina dia voninahitra iray ihany. …
“… Rehefa namaky ilay fahitana aho … , dia nanazava ny fanahiko izany sy nanome hafaliana lehibe. Tsikaritro fa ilay Andriamanitra izay nanambara izany fitsipika izany tamin’ny olona dia hendry sy marina, ary sady manana ny toetra tsara indrindra sy fahaiza-miaina tsara ary fahalalana. Tsapako fa tsy niovaova Izy teo amin’ny fitiavana sy ny famindrampo sy ny fahamarinana ary ny fitsarana, ary tsapako hoe nitia ny Tompo mihoatra lavitra noho ny teo amin’ny fiainako hatrizay aho.”1
“Ilay -Fahitana- [dia] fanambarana izay manome fahazavana bebe kokoa, fahamarinana bebe kokoa, ary fitsipika bebe kokoa mihoatra ny fanambarana hafa izay voarakitra ao amin’ny boky hafa izay vakintsika. Manome fahatakarana mazava tsara mikasika ny toerana misy antsika amin’izao izany, avy aiza isika, nahoana isika no eto, ary handeha ho aiza isika. Ny olona tsirairay dia afaka mahafantatra amin’ny alalan’ny fanambarana ny anjara toerany sy ny mety ho fepetra iainany.”2
Talohan’ny nahitako an’i Joseph dia nilaza aho hoe tsy raharahiako izay taonany, na izay hatanorany; tsy raharahiako izay mety ho endriny, na lava ny volony na fohy; ilay lehilahy izay nandroso io fanambarana io dia mpaminanin’ Andriamanitra. Ny tenako ihany no namantatra izany.”3
Phebe Crosby Peck
Tamin’ny fotoana nahenoan’i Phebe Peck an’i Joseph sy i Sidney nampianatra momba “ilay Fahitana” dia nonina tany Missouri izy ary nitaiza zaza dimy sady reny mananontena. Nanaitra sy nanohina ny fanahiny tokoa ilay fahitana ka nahatonga azy nanoratra izao zavatra manaraka izao mba hizarana ny zavatra nianarany tamin’ireo fianakaviany lavitra:
“Manambara ireo misiteriny mikasika ny Fanjakan’ny lanitra amin’ireo zanany ny Tompo. … Nitsidika anay i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny lohataona lasa, ary nanatrika fivoriana maro nitondra fifaliana izahay niaraka tamin’izy ireo, ary misitery maro no novelabelarina teo imasonay izay nanome fankaherezana lehibe ho ahy. Afaka nahita ny fiambanian’ Andriamanitra izahay tamin’ny fanomanana ireo fitoeran’ny fiadanana ho an’ireo zanany. Ary ireo izay tsy handray ny fahafenoan’ny filazantsara ka tsy miezaka ny ho miaramila be herim-po ho amin’ny tanjon’i Kristy dia tsy afaka ny hitoetra eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka. Kanefa misy toerana voaomana ho an’ireo rehetra izay tsy mandray izany, saingy toerana ambany voninahitra lavitra noho ny mitoetra ao amin’ny fanjakana Selesialy izany. Tsy hiezaka hilaza ankoatra izay mikasika ireo zavatra ireo aho fa efa an-dalana ny fanontana azy ireo ary hiparitaka manerana an’izao tontolo izao. Ary angamba ianareo hanana fahafahana hamaky azy ireo, ary raha mamaky izany ianareo, dia manantena aho fa hamaky izany amim-pitandremana sy amin’ny vavaky ny fo ianareo satria ireo zavatra ireo dia mendrika ny hifantohana. Ary maniry aho ny hamakianareo sy handalinanareo azy ireo fa izany no hiankinan’ny fahasambarantsika eto amin’ity tontolo ity sy any amin’ny tontolo ho avy.”4