Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
28 jona–4 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75: “Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo”


“28 jona–4 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75: -Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“28 jona–4 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
i Jesoa miaraka amin’ny ondry

Sarobidy amin’ilay Mpiandry ondry izy ireo, nataon’i Simon Dewey

28 jona–4 jolay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75

“Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo”

Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook hoe: “Ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia tena matetika miaraka amin’ny fandalinana ny soratra masina sy vavaka ataon’ny tena manokana any an-tokantrano” (jereo ny “Fiovam-po lalina sy maharitra ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo,” Liahona, nôv. 2018, 10).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Na dia fony mbola zazalahy aza i Joseph Smith dia niatrika fitsikerana, eny fahavalo mihitsy aza, rehefa niezaka nanao ny asan’ Andriamanitra. Saingy tena tsy maintsy nangirifiry manokana izany tamin’ny faramparan’ny taona 1831 rehefa nanomboka namoaka fitisikerana ampahibemaso ny Fiangonana i Ezra Booth, satria ny tsikera tamin’ity indray mitoraka ity dia avy amina mpino taloha izay niala tao amin’ny Fiangonana. Nahita an’i Joseph nampiasa ny herin’ Andriamanitra i Ezra nanasitranana vehivavy iray. Nasaina izy hiaraka tamin’i Joseph tamin’ny fisafoana ny tanin’i Ziona tany Missouri. Saingy nanary ny finoany izy taorian’izany, raha nanandrana ny hanala baraka ny Mpampinany tamin’ny famoahana taratasy maro nisesy tao amina gazety iray tany Ohio. Ary izany ezaka nataony izany dia toa nahomby: “ny rivom-pankahalana … efa nitombo nanohitra ny Fiangonana” teo an-toerana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71, sasin-tenin’ny fizarana). Inona no tokony hataon’ny mpino amin’ny tranga tahaka izany? Raha tsy tena misy ny valiny tokana tena mety ho an’ny trangan-javatra tsirairay dia toa matetika anisan’ny valintenin’ny Tompo, ao anatin’izany ity tranga tamin’ny 1831 ity, ny miaro ny fahamarinana sy manitsy ireo lainga amin’ny alalan’ny “fitoriana [ny] filazantsara” (andininy 1). Eny, ny asan’ny Tompo dia hisy mpitsikera hatrany saingy any amin’ny farany dia “tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana [izany] ka hiroborobo” (andininy 9).

Jereo ny “Ezra Booth sy Isaac Morley,” Revelations in Context, 134.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71

Hampangaihay ny mpitsikera ny asany ny Tompo amin’ny fotoany.

Mety ho sahirana isika rehefa maheno olona manaratsy na mamingavinga ny Fiangonana na ny mpitarika, indrindra rehefa matahotra isika hoe hisy olona fantatsika sy tiantsika ka mety ho andairan’izany fanaratsiana izany. Rehefa nitranga tany Ohio ny zavatra tahaka izany ny taona 1831 (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71), ny hafatry ny Tompo ho an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon dia hafatry ny finoana fa tsy tahotra. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71 ianao dia inona avy no hitanao fa mampiorina ny finoana ny Tompo sy ny asany? Inona no manaitra anao momba ny torolalana nomen’ny Tompo an’ireo mpanompony eto amin’ity toe-javatra ity?

Jereo ihany koa ny Robert D. Hales, “Christian Courage: The Price of Discipleship,” Ensign na Liahona, Nov. 2008, 72–75; Jörg Klebingat, “Defending the Faith,” Ensign, Sept. 2017, 49–53.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72

Ireo eveka no mpitantan-draharaha eo amin’ny raharaha ara-nofo sy ara-panahin’ny fanjakan’ny Tompo.

Rehefa nantsoina hanompo tamin’ny naha-eveka faharoan’ny Fiangonana azy i Newel K. Whitney dia nisy fahasamihafana kely tamin’ny an’ny eveka ankehitriny ny andraikiny. Ohatra, ny Eveka Whitney no nanara-maso ny fanokanana ny fananana sy ny fahazoan-dalana honina any Missouri tao an-tanin’i Ziona. Fa rehefa mamaky momba ny antsony sy ny andraikiny ianao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72, dia mety hahatsikaritra fifandraisana amin’izay ataon’ny eveka ankehitriny, farafaharatsiny eo amin’ny tanjony, raha tsy ny antsipirihin’ireo andraikiny. Ohatra, amin’ny lafiny ahoana no “hanao[vanao] tatitra momba ny fitantanan-draharahanao” amin’ny evekanao? (andininy 5). Amin’ny lafiny ahoana no “hitantanan[’ny evekanao] ny trano fitehirizan’ny Tompo” sy hitantanany ny fanokanana ataon’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy? (jereo ny andininy 10, 12). Ahoana no fomba nanampian’ny eveka anao?

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Eveka,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
barika sy lasàka misy sakafo

Newel K. Whitney no nitantana ny trano fitehirizan’ny eveka.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73

Afaka mitady ireo fahafahana hitoriana ny filazantsara aho.

Rehefa niverina avy tany amin’ny asa fitoriana fohy nataony i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mba hanarina ny vokatr’ireo zavatra tsy nety nataon’i Ezra Booth (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71), dia nilaza tamin’izy ireo ny Tompo mba hiverenan’izy ireo hanao ny fandikana ny Baiboly (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Dikantenin’i Joseph Smith”). Fa tiany ihany koa izy ireo hanohy hatrany ny fitoriana filazantsara. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73 ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao manao ny fitoriana ny filazantsara ho zavatra “azo atao” mitohy (andininy 4), na azo tanterahina sy ho isan’ny ao anatin’ny fiainanao manoloana ireo andraikitrao hafa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:1–12

Ny Tompo dia mitahy ireo mitory amim-pahatokiana ny filazantsarany.

Mba hamaliana ilay didy hoe “mandehana ianareo eran’izao tontolo izao” hitory ny filazantsara (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:8), dia maro ireo loholona mahatoky no nikatsaka fanampim-pampahalalana momba ny fomba tian’ny Tompo hanatanterahan’izy ireo io didy io. Inona no teny sy andian-teny hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75: 1–12 ka manampy anao hahatakatra ny fomba mahomby hitoriana ny filazantsara? Inona avy ireo fitahiana ampanantenain’ny Tompo an’ireo misiônera mahatoky? Eritrereto ny fomba iantefan’ireo torolalana sy fitahiana ireo aminao rehefa mizara ny filazantsara ianao.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71.Inona no nasaina nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon rehefa nitsikera ny Fiangonana sy ny mpitarika tao aminy ny olona sasany? Ahoana no “hanomanan[tsika] ny lalana” handraisan’ny olona ireo fanambaran’ Andriamanitra? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71:4).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:2.Ahoana no fomba nitondran’ny eveka fitahiana ho an’ny fianakaviantsika? Inona no nangatahan’ny eveka mba hataontsika ary ahoana ny fomba hanohanantsika azy? Angamba afaka manao karatra fankasitrahana ho an’ny evekanao ny fianakavianao noho ny asa fanompoany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73:3–4.Hahazo tombontsoa amin’ny fianarana mikasika ny Baiboly, Dikantenin’i Joseph Smith ve ianao sy ny fianakavianao? (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Dikantenin’i Joseph Smith”). Afaka mijery andalana vitsivitsy izay nasian’i Joseph Smith fanitsiana ianareo ary mifampiresaka momba ireo fahamarinana sarobidy nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany. Raha te hahita ohatra, dia jereo ny dikantenin’i Joseph Smith momba ny Genesisy 14:25–40 sy ny Genesisy 50:24–38 ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina; fanamarihana isan-karazany eny amin’ny farany ambanin’ny pejy ao amin’ny Matio 4:1–11; sy ny Lioka 2:46, fanamarihana eny amin’ny farany ambanin’ny pejy d.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:7.Inona no ampianarin’io andininy io antsika mikasika an’i Jesoa Kristy sy ireo zaza madinika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:3–5, 16.Afaka manampy ny fianakavianao ianao hahatakatra ny fomba tian’ny Tompo hanompoantsika Azy amin’ny alalan’ny firesahana mikasika ny maha-samy hafa ny “[m]idonanam-poana” sy ny “[m]iasa amin’ny herin[tsika].” Angamba mety ho afaka misafidy raharaha ao an-trano ianao ary manasa ireo olona ao amin’ny fianakavianao hampiseho ny fanaovana ireo raharaha ireo amin’ny fomba midonanam-poana, ary avy eo amin’ny herin’izy ireo manontolo. Ahoana no fomba hanompoantsika ny Tompo amin’ny herintsika manontolo? Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:3–5, 13, 16, inona no ampanantenainy an’ireo mpanompony mahatoky?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira asoro mba ho hiraina: “Ndao handroso hatrany,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p. 20.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mitady teny sy andian-teny manentana ny fanahy. Eo am-pamakianao dia mety hisarika ny sainao ho amin’ny teny na andian-teny sasantsasany ny Fanahy. Diniho ny hanaovana fanamarinana an’ireo teny na andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75 izay manentana ny fanahinao.

Sary
zatovolahy miaraka amin’ny mpitarika ao amin’ny Fisoronana

sarin’ny zatovolahy iray miaraka amin’ny mpitarika ao amin’ny Fisoronana nataon’i D. Keith Larson

Hamoaka printy