Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
21–27 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67-70: “Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo”


“21–27 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70: -Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“21–27 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
revelation manuscript book in display case

21–27 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70

“Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo”

Na maro amin’ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana aza no natao ho an’olona manokana amin’ny toe-javatra manokana, izy ireny dia “hahazoan’ny olon-drehetra tombontsoa” (“Tenivavolombelon’ireo Apôstôly Roambinifolo ny amin’ny fahamarinan’ny Boky Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,” Teny fanolorana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana). Tadiavo ireo fahamarinana sy fitsipika izay hahazoanao tombontsoa rehefa mandalina ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nanomboka tamin’ny 1828 ka hatramin’ny 1831 dia nandray fanambarana maro avy tamin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith, anisan’izany ny torolalana masina ho an’olona manokana sy ireo torolalana mikasika ny fitantanana ny Fiangonana ary ireo fahitana manentam-panahy mikasika ireo andro farany. Saingy betsaka ireo Olomasina no tsy namaky azy ireny. Mbola tsy navoaka ireo fanambarana ary ireo boky vitsivitsy nisy dia natao sora-tanana tamina taratasy izay nozaraina tamin’ireo mpikambana sy nentin’ireo misiônera.

Avy eo tamin’ny nôvambra 1831 dia niantso filankevitr’ireo mpitarika ny Fiangonana i Joseph mba hifampiresaka ny amin’ny hamoahana ireo fanambarana. Rehefa avy nikatsaka ny sitrapon’ny Tompo ireo mpitarika ireo dia nanao drafitra hamoahana ny Bokin’ireo Didy izay niavian’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Vetivety monja ny tsirairay dia ho afaka hamaky ny tenin’ Andriamanitra nambara tamin’ny alalan’ny mpaminany velona, porofo velona fa “ireo fanalahidin’ireo misterin’ny fanjakan’ny Mpamonjy antsika dia ankinina amin’olombelona indray.” Noho ireo antony ireo sy ny maro hafa ireo Olomasina tamin’izany sy amin’izao fotoana izao dia nihevitra ireo fanambarana ireo ho “sarobidy mihoatra noho ny haren’ny tany manontolo” (Fanekempihavanana 70, sasin-tenin’ny fizarana.).

Jereo ny Olomasina,1:140–43.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:1–9; 68:3–6

Manohana ireo mpanompony sy ireo teny izay lazain’izy ireo amin’ny anarany Andriamanitra.

Toa ohatran’ny tsotra ilay fanapahan-kevitr’i Joseph Smith hamoaka ireo fanambarana saingy ny sasany tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany aloha dia tsy nahazo antoka hoe hevitra tsara izany. Anisan’ny olana ny mahakasika ny tsy fahatanterahana teo amin’ny fiteny nampiasain’i Joseph Smith rehefa nanoratra ireo fanambarana. Ny fanambarana ao amin’ny fizarana 67 dia tonga ho valin’io olana io. Inona no zavatra ianaranao mikasika ireo mpaminany sy ny fanambarana ao amin’ny andininy 1–9? Inona no hevi-baovao fanampiny azonao avy amin’ny 68:3–6?

Talohan’ny nanontana ny Bokin’ireo didy dia mpitarika ao amin’ny Fiangonana maromaro no nanao sonia fijoroana ho vavolombelona an-tsoratra fa marina ireo fanambarana ao anatin’ilay boky. Raha hijery ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona dia jereo ny “Testimony, circa 2 November 1831,” Revelation Book 1, 121, josephsmithpapers.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:1–8

Ny fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina dia taratry ny sitrapon’ny Tompo.

Nambara ireo teny ao amin’ireo andininy ireo rehefa nantsoina “ hanambara ny filazantsara maharitra mandrakizay amin’ny alalan’ny Fanahin’ilay Andriamanitra velona, amin’ny vahoaka tsirairay sy isam-paritra” i Orson Hyde sy ireo hafa (andininy 1). Ahoana no ahafahan’ny fanambarana ao amin’ny andininy 4 manampy olona iray izay irahina hitory ny filazantsara? Ahoana no iantefan’ireo teny ireo aminao? Mieritrereta fotoana iray izay “nanentanan’ny Fanahy Masina” anao (andininy 3) hiteny zavatra iray na hanao zavatra iray. Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo ka manome fahatokiana anao hanaraka ireo bitsika ara-panahy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28

Tompon’andraikitra ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany.

Ny rahavavy Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany dia nampianatra fa “[Ny] fanalahidy hanampiana ny ankizy ho tonga mahatohitra fahotana dia ny manomboka mampiditra ao amin’izy ireo amim-pitiavana dieny mbola kely ireo fotopampianarana sy fitsipika fototry ny filazantsara avy ao amin’ny soratra masina, ireo fanekem-pinoana, ny kiboky Jeunes soyez forts, ireo hiran’ny kilonga, fihirana, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana izay hitarika ny ankizy ho any amin’ny Mpamonjy” (“Taranaka mahatohitra fahotana,” Liahona, mey 2017, 88).

Araka ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28, inona avy ny sasany amin’ireo “fotopampianaran’ny filazantsara fototra” izay lazain’ny Rahavavy Jones fa tsy maintsy ampianarin’ny Ray aman-dreny an’ireo zanany? Nahoana no nomena an’ireo ray aman-dreny io andraikitra manan-danja io? Inona no ho lazainao amina ray aman-dreny izay mahatsapa ho tsy mahay mampianatra ireo zavatra ireo amin’ny zanany?

Jereo koa ny Tad R. Callister, “Ny ray aman-dreny: mpampianatra voalohany ny filazantsara ho an’ireo zanany,” Liahona, nôv. 2014, 32–34.

Sary
fianakaviana manao fandalinana

Ny tokantrano no toerana tsara indrindra hampianarana ny filazantsara ny ankizy.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:10–14.Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fialonana sy ny tahotra ary ny hambom-po hanakana antsika tsy hanakaiky ny Tompo? Nahoana no tsy afaka ny ho eo anatrehan’ny Tompo ny “olona araka ny nofo”? (andininy 12; jereo koa ny Môzià 3:19). Inona no hitantsika ao amin’ireo andininy ireo ka manentana antsika “[hitozo] amin’ny faharetana mandra-pahatonga [antsika] ho tanteraka”? (andininy 13).

Azonao averina jerena miaraka ao amin’ny fianakaviana ihany koa ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Aoka ho tanteraka ianareo—amin’ny farany” ( Liahona, nôv. 2017, 40–42).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:3–4.Afaka mizara ireo zavatra niainana ny fianakaviana izay nampatanjaka ny finoan’izy ireo fa ny tenin’ireo mpanompon’ny Tompo dia “ny sitrapon ny Tompo,” “ny sain’ny Tompo,” ary “ny herin’ Andriamanitra ho famonjena” (andininy 4). Na afaka mijery ireo hafatry ny fihaonambe vao haingana izy ireo izay mifandray amin’ireo olana mety atrehan’ny fianakavianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–35.Ireo andininy ireo dia ahitana torohevitra manan-danja ho an’ny “mponin’ i Ziona” (andininy 26). Inona no hanentanan’ny Fanahy antsika ho hatsaraina rehefa avy namaky an’ireo andininy ireo? Mety hahafinaritra ny mamorona sary izay mifandray amin’ireo fitsipika sasany ao amin’ireo andininy ireo ary manafina izany eran’ny tranonao. Ary avy eo, amin’ireo andro manaraka rehefa misy olona mahita sary iray dia azonao ampiasaina izany ho fahafahana mampianatra an’iny fitsipika iny. Nahoana ny tokantrano no toerana tsara indrindra hampianarana ny zanaka ireo zavatra ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:1–2.Nalefa tany Misssouri i Oliver Cowdery niaraka tamin’ny tahadikan’ireo fanambarana nosoratan’ny Mpaminany sy ny vola hanampiana amin’ny fananganana ny Fiangonana tany. Inona no torohevitra nomen’ny Tompo tao amin’ny andininy 1 mikasika ny dian’i Oliver? Nahoana no zava-dehibe ny miaraka amin’olona “marina sy mahatoky”? (andininy 1). Oviana no nisy namana nitarika antsika handray fanapahan-kevitra tsara na ratsy? Ahoana no ahafahantsika ho lasa mpitarika ny hafa ho amin’ny tsara?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:1–4.Ny Tompo dia nanome andraikitra an’ireo loholona sasany hanara-maso ny famoahana ireo fanambarana. Na dia tsy manana izany andraikitra manokana izany aza isika dia amin’ny lafiny ahoana no azo hiheverana antsika ho “mpitantan-draharaha hiandraikitra ireo fanambarana sy didy”? (andininy 3).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso ho hiraina: “Notre foyer ici-bas,” Cantiques, no. 188.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiharo eo amin’ny fiainantsika ny soratra masina. Rehefa avy mamaky andinin-tsoratra masina ianareo dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hampihatra izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra, azonao atao ny manasa azy ireo hieritreritra toe-javatra mitovy mety atrehan’izy ireo ka mitovy koa ireo fitsipiky ny filazantsara hiatrehana an’izany.

Sary
Trano printy Grandin

Ny Bokin’ireo didy, izay niavian’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia natonta tamina fanaovam-printy toy ity anankiray ity.

Hamoaka printy