Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
31 mey – 02 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62: “Eo an-tanako ny nofo rehetra”


“31 Mey–6 Jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62: ‘-Eo an-tanako ny nofo rehetra,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“31 Mey–6 Jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Reniranon’i Missouri

Afon-dasy tao Missouri, nataon’i Bryan Mark Taylor

31 mey–6 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62

“Eo an-tanako ny nofo rehetra.”

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson fa rehefa mandalina ny soratra masina isika dia “hitombo ny fijoroana ho vavolombelona. Hihamatanjaka ny fanolorantena. Hihamatanjaka ny fianakaviana. Hitosaka ny fanambarana ho an’ny tena manokana” (“The Power of the Word,” Ensign, Mayey 1986, 81).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny Jona 1831 i Joseph Smith dia nitarika fivoriana niaraka tamin’ireo loholon’ny Fiangonana tao Kirtland. Tamin’io no nandrafetan’ny Tompo ny sasany tamin’ireo loholona mba ho mpinamana sy nandefasany azy ireo tany Missouri, Faribohitr’i Jackson niaraka tamin’ity andraikitra ity hoe : “Aoka hitor[y] eny an-dalana” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:10) ). Maro tamin’ireo loholona no nanao izany tamim-pahavitrihana saingy maro no tsy nanao. Noho izany, rehefa tonga ny fotoana niverenana ho any Kirtland dia nilaza ny Tompo hoe: “Tsy mankasitraka ny [loholona] sasany Aho, satria tsy tiany ny hanokatra ny vavany, fa afeniny ny talenta izay efa nomeko azy noho ny tahotra ny olona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2). Maro amintsika no mety malahelo an’ireo loholona ireo ary mety hiahotra koa isika ny hanokatra ny vavantsika sy ny hizara ny filazantsara. Mety ho voasakana noho ny “tahotra ny olona” ihany koa isika. Mety miahiahy momba ny fahamendrehantsika na ny fahaizantsika isika. Na inona na inona antony lazaintsika, ny Tompo dia “mahalala ny fahalemen’ny olona ary ny fomba hamonjena [antsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:1). Miely manerana ireo fanambarana ho an’ireo misiônera tany aloha ireo ny fanomezan-toky izay afaka manampy antsika handresy ny tahotra mikasika ny fizarana ny filazantsara na ireo tahotra hafa izay mety atrehantsika: “Izaho Tompo dia manapaka eny amin’ny lanitra ambony.” “Haiko ny hahatonga anareo ho masina.” “Eo an-tanako ny nofo rehetra.” Ary “mahereza rankizy madinika fa eo afovoanareo Aho.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:4, 7; 61: 6, 36.)

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6062

Faly ny Tompo rehefa manokatra ny vavako aho hizara ny filazantsara.

Isika rehetra dia efa niaina toe-javatra izay tokony ho nahafahantsika nizara ny filazantsara tamin’ny olona iray, fa noho ny antony samihafa dia tsy nizara isika. Rehefa mamaky an’ireo tenin’ny Tompo ho an’ireo misiônera tany aloha izay tsy “nanokatra ny vavany” ianao, dia eritrereto ireo fahafahana anananao manokana hizarana ny filazantsara. Ahoana no maha-toy ny “talenta” na harena avy amin’ Andriamanitra ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara? Amin’ny fomba ahoana no mahatonga antsika “manafina ny talentan[tsika]” indraindray? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2; jereo ihany koa ny Matio 25:14–30).

Nahitsin’ny Tompo ireo misiônera tany aloha ireo saingy niezaka ny hanentana azy ireo koa Izy. Inona ny hafatra mankahery avy Aminy hitanao ao amin’ny fizarana 60 sy 62? Ahoana no mahatonga ireo hafatra ireo hampiorina ny fahatokian-tenanao rehefa mizara ny filazantsara? Amin’ireo andro ho avy dia mitadiava fahafahana hanokafana ny vavanao sy hizarana ny zavatra izay napetraky ny Tompo taminao.

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:8–10; 103:9–10; Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 15–18.

Sary
misiônera ao anaty fiara fitateram-bahoaka

Tian’ Andriamanitra aho hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:5–6, 14–18

Moa ve ny rano rehetra no nozonin’ny Tompo?

Ny fampitandreman’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61 amin’ny lafiny iray dia fampitandremana mikasika ny loza izay mety hanjo ireo vahoakany rehefa hihazo an’i Ziona izy ireo ka hamakivaky ny reniranon’i Missouri, izay fantatra tamin’izany fotoana izany fa mampidi-doza. Io fampitandremana io dia tsy tokony ho raisina hoe tsy tokony hanao dia eny ambony rano isika. Ny Tompo dia manana ny “hery rehetra,” anisan’izany ny hery hifehezana ny rano (andininy 1).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61–62

Manana ny hery rehetra ny Tompo ary afaka ny hiaro ahy.

Teny an-dalana hiverina ho any Kirtland i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana dia niaina zavatra nihatra aman’aina teo amin’ny Reniranon’i Missouri (jereo ny Olomasina, 1:133–34). Nampiasain’ny Tompo io fotoana io hampitandremana sy hampianarana ireo mpanompony. Inona no hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61 ka mamporisika anao hametraka ny fitokianao amin’ny Tompo rehefa misedra olana ianao? Ohatra, nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa Andriamanitra dia “Ilay rahatrizay ka haharitra mandrakizay”? (andininy 1).

Misy hevitra mitovy amin’izany ihany koa ao amin’ny andininy 62. Inona no ampianarin’ny Tompo anao mikasika Azy sy ny heriny eto amin’ity fanambarana ity?

Diniho ireo traikefa manorina finoana nanananao tamin’ny nanampian’ny Tompo anao hanohitra ireo olana ara-nofo sy ara-panahy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62

Tian’ny Tompo aho handray fanapahan-kevitra “araka izay heveri[ko] ho tsara.”

Indraindray isika dia omen’ny Tompo torolalana mazava tsara fa amin’ny tranga hafa dia avelany isika no hanapa-kevitra. Ahoana no fahitanao io fitsipika io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62? (jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:5; 61:22). Ahoana no fomba nahitanao io fitsipika io teo amin’ny fiainanao? Nahoana no tsara ho antsika ny mandray fanapahan-kevitra sasany tsy misy torolalana mazava avy amin’ Andriamanitra?

Jereo koa ny Etera 2:18–25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–28.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2–3.Nahoana ireo misiônera sasany tany aloha no tsy sahy nizara ny filazantsara? Nahoana isika indraindray no miahotra? Diniho ny hilalaovana an-tsehatra ny fomba ahafahan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana mizara ny filazantsara amin’ny karazana toe-javatra samihafa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:36–39.Inona avy ireo antony hitantsika ao amin’ireo andininy ireo ka tokony “hananana fahatokiana”? (jereo ihany koa ny Jaona 16:33). Azon’ny fianakavianao atao angamba ny manoratra na manao ny sarin’ireo zavatra izay mitondra fifaliana ho azy ireo ary angony ao anatina boatin’ny “fahatokiana” izany. (Makà antoka fa misy sarin’i Jesoa Kristy sy ireo zavatra mampahatsiahy momba ny fitiavany antsika ao anatin’izany.) Mandritra ny herinandro rehefa mila fampahatsiahivana ireo olona ao amin’ny fianakaviana hoe nahoana no tokony ho sambatra dia afaka misafidy zavatra avy ao amin’ilay boaty izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:36.Ahoana no ahafahanao manampy ny fianakavianao hahatsiaro fa ny Mpamonjy dia “eo afovoan[tsika]”? Afaka miara-manapa-kevitra ianareo ny amin’izay toerana tsara hametrahana ny sariny ao an-tranonareo. Ahoana no ahafahantsika manasa ny Mpamonjy ho ao anatin’ny fiainantsika andavanandro?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:3.Azon’ny fianakavianao atao ny manao fivoriana hijoroana ho vavolombelona rehefa avy mamaky ity andininy ity. Mba hanazavana hoe inona no atao hoe fijoroana ho vavolombelona dia azonao atao ny mizara ny ampahany amin’ny hafatra nozarain’ny Filoha M. Russell Ballard hoe “Un témoignage pur” (Le Liahona, nov. 2004, 40-43). Nahoana no zavatra tsara ny firaketana ny tenivavolombelontsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:5, 8.Nahoana ny Tompo no tsy manome antsika didy mikasika ny antsipiriany rehetra eo amin’ny fiainantsika? Araka ny andininy 8, ahoana no tokony ho fomba handraisantsika fanapahan-kevitra?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Le Saint Esprit a témoigné,” Cantiques, no. 74.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Avelao ny Fanahy hitarika ny fandalinanao. Avelao ny Fanahy Masina hitarika anao. Meteza hihaino tsara ny bitsiny rehefa mitarika anao amin’ireo zavatra ilainao ianarana isan’andro Izy, na dia manoro hevitra anao aza ny bitsiny hamaky na handalina lohahevitra hafa na amin’ny fomba hafa noho izay fanaonao mahazatra.

Sary
I Jesoa miantsoroka zanak’ondry

Mpiandry tsara, nataon’i Del Parson

Hamoaka printy