Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
14–20 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64-66: “Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo”


“14–20 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66: -Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“14–20 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
saha iray amin’ny fiposahan’ny masoandro

Faribohitr’i Daviess, Missouri

14–20 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66

“Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo”

Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Matetika aho no mamaky ny soratra masina miaraka amin’ireo fanontaniana hoe: -Inona no tian’ Andriamanitra hataoko?- na -Inona no tiany ho tsapako?- Isaky ny manao izany aho dia tsy maintsy mahita hevitra sy eritreritra vaovao izay tsy mbola nananako hatrizay” (How God Speaks to Me through the Scriptures” 6 feb. 2019,blog.ChurchofJesusChrist.org).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tao anatin’ny hafanana migaingain’ny volana aogôsitra 1831 dia loholona maro no nanao dia niverina ho any Kirtland rehefa avy nanao tomba-maso ny tanin’i Ziona tany Missouri araka ny torolalan’ny Tompo. Tsy dia nahafinaritra loatra izany dia izany. Ireo izay nanao ilay dia, i Joseph Smith, i Oliver Cowdery, i Sidney Rigdon, i Ezra Booth, sy ny hafa, dia nafana sy reraka ary vetivety dia nivadika disadisa ny zava-niainana. Toy ireny hoe ny fananganana an’i Ziona, ilay tanànan’ny fitiavana sy firaisan-kina ary fiadanana dia mbola haharitra ela tokoa.

Soa ihany fa ny fananganana an’i Ziona tany Missouri tamin’ny 1831 na ao am-pontsika sy any amin’ireo paroasintsika ankehitriny dia tsy mitaky antsika ho tonga lafatra. Fa “takiana aminareo kosa ny hamela,” hoy ny Tompo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10). Takiny “ny fo sy ny saina marisika” (andininy 34). Ary takiny ny faharetana sy ny fahazotoana, satria i Ziona dia aorina amin’ny fanorenan’ny “zavatra madinika,” ary hotanterahin’ireo izay tsy “ketraka amin’ny fanaovan-soa” (andininy 33).

Jereo ihany koa ny Olomasina,1:133–34136–37.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–11

Takina amiko ny hamelako ny olon-drehetra.

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1-11 ianao, dia eritrereto ny fotoana iray izay namelan’ny Tompo anao. Afaka mieritreritra olona iray izay ilainao avela heloka ihany koa ianao. Amin’ny fomba ahoana no hahatonga ny fitseran’ny Mpamonjy hanana fiantraikany amin’ny fihetseham-ponao mikasika anao manokana sy ny hafa? Araka ny eritreritrao, nahoana ny Tompo no mandidy antsika “hamela ny olon-drehetra” (andininy 10). Raha toa ianao sahirana amin’ny famelana heloka dia diniho ny fomba hampianaran’ireto loharano ireto anao mikasika ny fomba hanampian’ny Mpamonjy: Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 77-79; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mamela,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:31–34

Takin’Andriamanitra ny foko sy ny fanahiko marisika.

Efa nahatsapa ho “ketraka” tamin’ny “fanaovan-tsoa” izay nezahanao notanterahana ve ianao? Tadiavo ireo hafatry ny Tompo ho anao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64: 31–34. Inona no dikan’ny hoe manolotra ny “fo sy ny saina marisika” ho an’ Andriamanitra? (andininy 34).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64: 41–43

I Ziona dia ho “Faneva ho an’ny vahoaka.”

Ny faneva dia “saina ivondronan’ny olona manodidina azy, miray hina noho ny tanjona na noho ny maha-izy azy ireo” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Faneva,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ahoana aminao no mahatonga an’i Ziona na ny Fiangonan’ny Tompo hitovy amin’ny faneva? Diniho ireto ohatrana zavatra hafa ireto izay ajoro ho toy ny faneva mba hitahiana ny olona: Nomery 21:6–9; Matio 5:14–16; Almà 46:11–20. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao mikasika ny fomba ahafahanao manampy ny Fiangonana ho lasa faneva any amin’ny toerana izay ipetrahanao? Tadiavo ireo fomba hafa hamaritan’ny Tompo an’i Ziona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64: 41–43.

Sary
Kapiteny Môrônia

Kapiteny Môrônia mitondra ny Fanevan’ny Fahafahana, nataon’i Gary E. Smith

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65

“Omaninareo ny lalan’ny Tompo.”

I Matio dia namariparitra an’i Jaona Mpanao Batisa ho ilay niantso hoe, “Amboary ny lalan’[ny Tompo]” (Matio 3:3; jereo ihany koa ny Isaia 40:3). Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65 ny Tompo dia mampiasa fiteny mitovitovy amin’io mba hamaritana ny asany amin’ny andro farany. Inona no fitoviana hitanao amin’ny zavatra izay nataon’i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny Matio 3:1–12) sy ny zavatra izay tian’ny Tompo hataontsika amin’izao fotoana izao? Inona no hitanao ao amin’io fanambarana io izay manentana anao hanampy amin’ny fanatanterahana ny faminaniana ao anatin’io? Saintsaino ireo fomba ahafahanao “mampahafantatra any anivon’ny olona ireo asan’ [Andriamanitra] mahatalanjona” (andininy 4).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66

Fantatry ny Tompo ireo eritreritry ny foko.

Fotoana fohy taorian’ny nidiran’i William E. McLellin tao amin’ny Fiangonana dia nangataka an’i Joseph Smith izy mba hanambara ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy. Tsy nahalala i Joseph fa i William dia nanana fanontaniana dimy ho azy manokana izay nantenainy fa ho valian’ny Tompo amin’ny alalan’ny Mpaminaniny. Tsy haintsika hoe inona avy ireo fanontanian’i William, saingy fantatsika fa ny fanambarana izay natao ho azy, izay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66 ankehitriny, dia namaly ny fanontaniana tsirairay nananan’i William tamin’ny “fahafenoana sy fahafaham-po tanteraka” (“William McLellin’s Five Questions,” Revelations in Context, 138).

Rehefa mamaky ny fizarana 66 ianao dia eritrereto ny zavatra fantatry ny Tompo mikasika an’i William McLellin sy ny olany ary ny fanirian’ny fony. Ahoana no fomba nanambaran’ny Tompo fa fantany ianao? Raha manana tsodranon’ny patriarika ianao dia diniho ny handalinana izany. Rehefa manao izany ianao dia amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Fanahy Masina anao hahatakatra ny sitrapon’ny Tompo aminao?

Jereo ihany koa ny Saints, 1:138–40; Gospel Topics, “Patriarchal Blessings,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:8–10.Ny fifandraisan’ny fianakaviana dia manome fahafahana maro hianatra ny hamela heloka. Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao tsara ny miresaka ny fomba nitahiana ny fianakavianao noho ny fifamelana. Ahoana no fomba nanampian’ny Mpamonjy antsika hifamela? Inona no “[fijaliana]” (andininy 8) mahazo antsika rehefa tsy mamela ny hafa isika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33.Inona no tian’ny Ray any An-danitra hataon’ny fianakavianao mba hampandrosoana ny “asa[ny] lehibe”? Mety hoe mandeha any amin’ny tempoly izany na mizara ny filazantsara amin’ny manodidina na mandresy ny fifandirana. Angamba ny olona ao amin’ny fianakaviana tsirairay dia afaka manangona zavatra madinika kely toy ny vato na bokotra na singana piozila ary mampiasa izany hanehoana ireo “zavatra madinika” azontsika atao isan’andro ho “fanorenana ny fototry” ny asa lehiben’ Andriamanitra. Makà iray amin’ireo zavatra madinika ireo mba hiarahan’ny fianakaviana manao amin’ity herinandro ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:3.Ahoana no fomba hampianaranao ny maha-zava-dehibe ny fibebahana? Afaka mandroso sakafo amin’ny lovia ianao izay ny ampahany ihany no madio ary vakio ny tenin’ny Tompo ho an’i William McLellin hoe: “Madio ianao saingy tsy madio tanteraka.” Avy eo dia azonao sasana ilay lovia ary zarao ilay sakafo sady ifampiresaho ny fomba nataon’i Jesoa Kristy mba hahafahantsika ho madio tanteraka.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:10.Ahoana no fomba ahafahan’ny fianakavianao manaraka ny torohevitry ny Tompo hoe “aza mitady izay hahasahirana,” na hivesaran’ny zavatra maro atao? Afaka miresaka mikasika ny tantaran’i Maria sy i Marta ianao (jereo ny Lioka 10:38–42), ary ifampiresaho ny fomba ahafahan’ ny fianakavianao hiala amin’ny fisahiranana amin’ny zavatra izay tsy misy lanjany mandrakizay.

Mba hahitana hevitra hafa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Ray ô! Ampio aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 52.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao ho vonona hamaly fanontaniana. Ny sasany amin’ireo fotoana tena tsara azo ampianarana dia manomboka amin’ny fanontaniana na olana ao am-pon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana. Ampahafantaro an’ireo olona ao amin’ny fianakavianao amin’ny alalan’ny teninao sy fihetsikao fa maniry ny hihaino azy ireo ianao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 16.)

Sary
Vehivavy mandohalika eo anoloan’i Jesoa

Voavela, nataon’i Greg K. Olsen. Nampiasaina rehefa nahazoana fankatoavana. www.GregOlsen.com

Hamoaka printy