Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
7–13 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63: “Izay avy any ambony dia masina”


“7–13 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63: -Izay avy any ambony dia masina,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“7–13 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Saha any Missouri

Spring Hill, Faribohitr’i Daviess, Missouri, nataon’i Garth Robinson Oborn

7–13 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63

“Izay avy any ambony dia masina”

Niteny ny Tompo hoe, “Mandray ny Fanahy amin’ny alalan’ny vavaka ianareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64). Diniho ny hivavahana mba hitarihan’ny Fanahy ny fandalinana ataonao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nofidina ny toerana ho an’ny tanànan’i Ziona. Nitsidika ilay toerana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary nanokana izany ho toy ny toerana fanangonana ho an’ireo Olomasina. Araka ny tantaran’i Joseph Smith, dia ny “tanin’i Ziona ankehitriny no tanjona ara-nofo manan-danja indrindra nananan’izy ireo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63, sasin-tenin’ny fizarana). Saingy nizarazara ny hevitra momba an’i Ziona. Olomasina maro no naniry hanomboka hiangona tao Missouri. Tetsy ankilany, ny olona toa an’i Ezra Booth dia diso fanantenana tamin’ilay tanin’i Ziona ary nampahafantatra ny hevitr’izy ireo. Raha ny marina, rehefa niverina avy any Missouri ho any Kirtland i Joseph dia nahita fa nanomboka nisoko niditra tao amin’ny Fiangonana ny fizarazarana sy ny apôstazia rehefa tsy teo izy. Tao anatin’izany toe-javatra izany no nahazoana ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63. Eto ny Tompo dia niresaka ny amin’ny fividianana tany sy ny fifindran’ny Olomasina ho any Missouri. Saingy teo anivon’ireo resaka ara-pitaovana no nisian’ny fampahatsiahivana tena ara-potoana tsara hoe: “Izaho Tompo no mamoaka ny feoko ary izany dia ankatoavina” (andininy 5). Ny feony sy ny sitrapony ary ny didiny, izay samy “avy any ambony” avokoa, dia tsy tokony hamaivanina na hoe hatao tsinontsinona. Izany dia “masina, ary tsy maintsy tenenina am-piheverana” (andininy 64).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–6, 32–37

Ny fahatezeran’ny Tompo dia mirehitra amin’ny olon-dratsy sy mpikomy.

Tamin’ny fotoana nandraisan’i Joseph Smith an’ity fanambarana ity dia nisedra tsikera mafy avy amina mpikamban’ny Fiangonana maromaro izay nivadika taminy (jereo ny “Ezra Booth and Isaac Morley,” Revelations in Context, 130-36). Inona no fampitandremana nomen’ny Tompo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1-6, 32–37 mikasika “ny olon-dratsy sy mpikomy”? Ahoana no maha-porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra an’ireo fampitandremana ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:7–12

Tonga amin’ny alalan’ny finoana sy ny sitrapon’ Andriamanitra ireo famantarana.

Ny famantarana na fahagagana fotsiny dia tsy mamokatra finoana maharitra. Ny voalohandohan’ny taona 1831, i Ezra Booth mpanompo Metôdista iray tao Kirtland dia nanapa-kevitra ny hatao batisa rehefa avy nahita an’i Joseph Smith nanasitrana tamim-pahagagana ny sandrin’i Elsa Johnson naman’i Booth.

Kanefa tao anatin’ny volana vitsy monja dia very ny finoan’i Booth ary nanjary lasa mpitsikera ny Mpaminany izy. Ahoana no nahatonga izany raha eritreretina ny fahagagana izay natrehany maso? Halalino io rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63: 7–12 ianao. Afaka mieritreritra koa ianao hoe nahoana ny olona sasany no mandray famantarana “ho tombontsoan’olombelona mba ho voninahitr’ [Andriamanitra]” (andininy 12) ary ny hafa mandray izany “ho fanamelohana” (andininy 11). Raha miainga avy amin’izay zavatra novakinao, ahoana no hiheveranao fa tian’ny Tompo hieritreretanao sy hahatsapanao ny mikasika ny famantarana?

Jereo koa ny Matio 16:1-4; Jaona 12:37; Môrmôna 9:10 –21; Etera12: 12,18.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:13–23

Ny fahadiovam-pitondrantena dia midika hoe mitandrina ny eritreritro sy ny zavatra ataoko mba ho madio.

Maro ny olona no manaiky fa ratsy ny fijangajangana. Saingy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63: 13–19, dia nataon’ny Mpamonjy mazava tsara fa ny fisainana feno fitsiriritana ihany koa dia misy fiantraikany goavana ara-panahy. “Fa nahoana no fahotana mahafaty tahaka izany ny fanirian-dratsy?” Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland nanontany. “Eny, ankoatra ny fiantraikany izay mandrava tanteraka ny fanahintsika dia mihevitra aho fa ota izany satria manimbazimba ilay fifandraisana ambony sy masina indrindra izay omen’ Andriamanitra antsika eto amin’ny fiainana an-tany—dia ny fitiavana izay misy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray sy ny faniriana ananan’ny mpivady ny hitondra zaza ao anatin’ny fianakaviana iray izay natao haharitra mandrakizay” (“Aza Manome Toerana Intsony ho an’ny Fahavalon’ny Fanahiko,” Liahona, mey 2010, 44).

Inona avy ireo fiantraikany izay nomarihin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:13-19 fa ho tonga amin’ireo izay tsy mibebaka amin’ireo eritreritra sy fihetsika maloto? Asio fanamarihana ireo fitahiana izay ampanantenain’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 20 sy 23 an’ireo izay mahatoky. Inona avy ireo fitahiana tonga teo amin’ny fiainanao noho ny fankatoavanao ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy anao hitoetra ho madio na ho tonga madio?

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45; Linda S. Reeves, “Mendrika ireo fampanantenana notanantsika,” Liahona, nôv. 2015, 9-11.

Sary
lehilahy sy vehivavy eo amin’ny tempoly

Voatahy isika rehefa mitazona ny saintsika sy ny zavatra ataontsika ho madio.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:24–46

Nitarika ny raharaha ara-panahy sy ara-nofon’ny Olomasiny ny Tompo.

Rehefa avy namaritra ny toerana hananganana an’i Ziona ny Tompo, dia mbola nila fitarihana ny Olomasina tao Ohio mikasika ny fotoana hanombohana hifindrana sy ny toerana hahitana vola hividianana tany. Eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63: 24–46, dia tadiavo ireo fitarihana ara-nofo sy ara-panahy nomen’ny Tompo mikasika an’i Ziona. Inona no fitarihana ara-nofo sy ara-panahy izay omen’ny Tompo anao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:7–12.Ny tantaran’i Ezra Booth niala tamin’ny Fiangonana na dia nanatri-maso ny fanasitranana an’i Elsa Johnson aza (jereo ny antsipiriany fohy ao amin’ny hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina” sy ny tabilao nampiarahana amin’ity rindran-damina ity) dia mety hamporisika ny fifampiresahana mikasika ny fahagagana. Mety ho azon’ny fianakavianao atao ny miresaka momba ny fahagagana izay nanamafy orina ny finoan’izy ireo, anisan’izany ireo zavatra niainana avy amin’ny fianakavianao na avy amin’ny tantaram-pianakavianao. Ahoana no nampiharan’izy ireo ny finoana nilaina mba handraisana ireo fahagagana ireo? Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:7-12 mikasika ny fifandraisana misy eo amin’ny finoana sy ny fahagagana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:13–19.Ahoana no ahafahantsika miaro ny tenantsika amin’ ny fitarihan-dratsy toy ny pôrnôgrafia? (Afaka mahita loharanom-panampiana maro ho an’ny fianakaviana ianao ao amin’ny AddressingPornography.ChurchofJesusChrist.org.) Inona avy ireo fitahiana noho ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:23.Ahoana no hanampianao ny fianakavianao hahatakatra ny “mistery momba ny fanjakana,” na ny fahamarinan’ireo filazantsara izay toy ny “loharanon’ny rano velona”? Ohatra, afaka mitsangantsangana manamorona loharano na renirano ianareo (na mampiseho horonan-tsary na sarin’ny iray amin’izany). Ahoana no mahatonga ireo fahamarinan’ny filazantsara ho tahaka ny rano?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:58.Inona avy ireo fampitandremana hitantsika ao amin’ny fizarana 63? Inona avy ireo fampitandremana sasany henontsika avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:58–64.Mampisehoa sarina harenam-pianakaviana sarobidy iray amin’ny fianakavianao. Ahoana no hitandremantsika an’io zavatra io raha oharina amin’ireo zavatra hafa izay tsy misy vidiny? Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:58–64 antsika mikasika ny zavatra izay azontsika atao ho fanajana ireo zavatra masina?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Ny fanehoam-panajana dia fitiavana,” Bokin-kiran’ny ankizy,12.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Iaino izay ianaranao. “Rehefa tsapanao ny fifaliana avy amin’ny fahatakarana ny filazantsara, dia haniry hampihatra izay nianaranao ianao. Miezaha miaina mifanaraka amin’ny zavatra takatrao. Hanamafy orina ny finoanao sy ny fahalalanao ary ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny fanaovana izany” (Torio ny filazantsarako, 19).

Sary
Joseph Smith mitazona tanam-behivavy

Fanasitranana ny sorok’i Elsa Johnson, nataon’i Sam Lawlor

Hamoaka printy