Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
12–18 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80: “Hitari-dalana anareo aho”


“12–18 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80: -Hitari-dalana anareo Aho,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“12–18 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
ondry manara-dia an’i Jesoa

Mody any an-trano, nataon’i Yongsung Kim

12–18 jolay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80

“Hitari-dalana anareo Aho”

Niteny tamin’i Joseph Smith ny Tompo fa Izy dia “hiteny eo an-tsofi[ny] ny tenin’ny fahendrena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:2). Inona no tenin’ny fahendrena azonao rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80 ianao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Roa taona latsaka taorian’ny namerenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny dia nitombo ho 2000 mahery ny mpikambana ary niparitaka haingana. Tamin’ny martsa 1832 i Joseph Smith dia nihaona tamin’ireo mpitarika hafa tato amin’ny Fiangonana mba “hiresaka momba ny raharahan’ny Fiangonana”: ny ilana ny hamoahana ireo fanambarana sy ny hividianana tany hiangonana ary ny hikarakarana ny mahantra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78, sasin-tenin’ny fizarana). Mba hahatratrarana izany dia niantso mpitarika tao amin’ny Fiangonana vitsivitsy ny Tompo hanorina ny Orinasa Miray, vondron’olona izay hampitambatra ny herin’izy ireo “hampandroso ny foto-kevitr[y]” ny Tompo (andininy 4) teo amin’ireo sehatra ireo. Saingy na dia teo amin’ny resaka ara-pitantanana tahaka izany aza dia nifantoka tamin’ireo zavatry ny mandrakizay ny Tompo. Raha ny marina, ny tanjona amin’ny milina fanontana na ny tranom-barotra, toy ny zavatra hafa rehetra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, dia ny hanomanana ireo zanany hahazo “toerana ao amin’ny tontolo selestialy” sy “ny haren’ny mandrakizay” (andininy 7, 18). Ary na dia sarotra takarina aza ireo fitahiana ireo amin’izao ankehitriny izao, ao anatin’ny fisafotofotoan’ny fiainana andavanandro dia manome toky antsika Izy hoe “matokia fa hitari-dalana anareo Aho” (andininy 18).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77

Manambara ny misiteriny amin’ireo izay mikatsaka ny hahafantatra Azy Andriamanitra.

Roambinifolo taona taorian’ny Fahitana Voalohany, dia mbola nitohy nitarika an’i Joseph Smith ihany ilay fanasana ao amin’ny Jakoba 1:5 “hangataka amin’ Andriamanitra,” rehefa tsy manam-pahendrena izy. Rehefa nanana fanontaniana izy sy Sidney Rigdon mikasika ny Apokalypsy tamin’izy ireo niasa nanao ny fandikana ny Baiboly notarihin’ny fanahy, dia nandeha ho azy tamin’i Joseph ny fikatsahana fahendrena avy tamin’ Andriamanitra. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 ianao, dia diniho ny hanoratana ny hevitrao momba ireo toko mifandray amin’izany ao amin’ny Apokalypsy.

Ho fanampin’izany dia diniho ny fomba hanarahanao ny ohatry ny Mpaminany Joseph rehefa mandalina ny soratra masina ianao. Afaka manontany ny Ray any An-danitra ianao hoe: “Inona no tokony ho takatro?”

Sary
i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon eo am-pamakiana

Fandikana ny Baiboly, nataon’i Liz Lemon Swindle

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78

Inona moa ilay Orinasa Miray?

Ny Orinasa Miray dia natsangana mba hitantanana ny famoaham-bokin’ny Fiangonana sy ny raharam-pitantanana tany Ohio sy Missouri. Izany dia nahitana an’i Joseph Smith sy i Newel K. Whitney ary ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana izay nanambatra ny enti-manan’izy ireo mba hiatrehana ny zavatra ara-nofo ilain’ilay Fiangonana izay nivelatra. Ny mampalahelo dia tafidi-trosa ilay Orinasa Miray ary rava tamin’ny 1834 rehefa tsy nety notantanana intsony ny trosa.

Jereo ihany koa ny “Newel K. Whitney and the United Firm,” Revelations in Context, 142–47; “United Firm,” Church History Topics, ChurchofJesusChrist.org/study/church-history.ChurchofJesusChrist.org/study/church-history.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:1–7

Afaka manampy aho “hampandroso ny foto-kevitr[y]” ny Fiangonana.

Nilaza tamin’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ny Tompo fa ny fitantanana trano fitehirizana sy milina fanaovana printy dia hanampy “hampandroso ny foto-kevitra izay efa nirotsahanareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:4). Inona no holazainao hoe “fotokevitr[y]” ny Fiangonana? Eritrereto io rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78: 1–7 ianao. Angamba ny fieritreretana mikasika ireo andininy ireo dia afaka hitarika ny fomba hanatontosanao ny antsonao ao amin’ny Fiangonana na hanompoanao ny fianakavianao. Ahoana no ahafahan’ny fanompoanao “hampandroso ny foto-kevitr[y]” ny Tompo? Ahoana no ahafahan’izany manomana anao amin’ny “toerana ao amin’ny tontolo selestialy”? (andininy 7).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–22

Hitari-dalana ahy ny Tompo.

Efa nahatsiaro ho toy ny ankizy madinika ve ianao noho ny zavatra izay “tsy mbola takatra” na tsy “tanty”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–18). Mitadiava torohevitra ato amin’ireto andininy ireto izay afaka hanampy anao mba “hatoky” (andininy 18) amin’ny fotoana tahaka izany. Araka ny eritreritrao, nahoana ny Tompo indraindray no miantso ireo mpanara-dia Azy hoe “zaza madinika”? (andininy 17). Azonao dinihana ihany koa ny fomba mety ataon’ny Tompo “hitari[hana] lalana anao” (andininy 18).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80

Ny antso hanompo an’ Andriamanitra no manan-danja kokoa noho ny toerana izay hanompoako.

Mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80, dia nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Angamba ny lesona iray ampianarin’ny Mpamonjy antsika ao amin’io fanambarana io dia ny hoe: ny fanendrena hiasa amina toerana voafaritra iray dia tena ilaina sy manan-danja kanefa faharoa aorian’ny antso mba hiasa” (“Voantso amin’ny asa,” Liahona, mey 2017, 68). Eritrereto ny antsonao ato amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao sy ireo antsonao taloha. Inona avy ireo zavatra niainanao ka nanampy anao hianatra fa marina ireo tenin’ny Loholona Bednar ireo? Inona no lesona fanampiny hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80 ka afaka manampy anao hanampy olona iray izay vao nahazo antso vaovao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:2.Rehefa avy mamaky an’ity andininy ity ny fianakaviana dia afaka manao sarina “biby, … zava-mandady, … [na] voro-manidin’ny habakabaka” noforon’ Andriamanitra izay tian’izy ireo indrindra. Inona no zavatra ianaranao mikasika ny faharian’ Andriamanitra ao amin’io andininy io? (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:16–20). Afaka mihira hira iray momba ny faharian’ Andriamanitra ihany koa ianareo, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17) ary asehoy ny sary hosodoko izay miaraka amin’ity rindran-damina ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:14.Ity andininy ity dia manazava fa nihinana boky iray i Jaona izay naneho ny asa nanirahana azy ho mpanangona an’i Isiraely. Inona no aroson’io tandindona hoe mihinana io momba ny tokony hanatanterahantsika ny andraikitsika amin’ny fanangonana an’i Isiraely na amin’ny fanaovana ireo zavatra hafa tian’ny Tompo hataontsika? Ireto misy soratra masina izay nampiasana ny fihinana hampianarana fahamarinana ara-panahy: Jaona 6:48–51; 2 Nefia 32: 3; Môrônia 4. Angamba afaka manao ireo sakafo ankafizin’ny fianakaviana ianao ary miara-mihinana izany mandritra ity fifampiresahana ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–19.Afaka manao ny sarin’ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra ny olona ao amin’ny fianakaviana izay maha-feno fankasitrahana azy ireo. Inona no ataontsika hanehoantsika ny fankasitrahantsika noho ireo fitahiana ireo? Afaka mifampiresaka ihany koa ianareo momba ny fomba hanarahanareo ny torohevitra hoe mandray “ny zava-drehetra amin’ny fankasitrahana” (andininy 19). Inona no ampanantenain’ny Tompo an’ireo rehetra izay manao izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79:1.Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny “hery” izay noraisinao rehefa natokana na nametrahan-tanana tamin’ny antso tao amin’ny Fiangonana. Inona avy ireo fanomezana manokana sy fitaomam-panahy izay nomen’ny Tompo anao tamin’ny ianao nanompo?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Isao ireo fitahiana,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p.16.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova sary. Azonareo fianakaviana atao ny miara-mamaky andininy vitsivitsy ary avy eo dia manokana fotoana ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana manao sarin-javatra izay mifandray amin’izay zavatra novakin’izy ireo. Apetraho manodidina ny trano ireo sary mba hampahatsiahy ny fianakavianao an’ireo fitsipika izay nianaranao.

Sary
zaridaina misy biby.

Zaridainan’ Andriamanitra, nataon’i Sam Lawlor

Hamoaka printy