Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
9–15 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88: “Manorena … Tranon’ Andriamanitra”


“9–15 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88: -Manorena … Tranon’Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“9–15 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
efitrano misy seza sy dabilio

9–15 aogôsitra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88

“Manorena … Tranon’ Andriamanitra”

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe, “Mampanantena aho fa rehefa miasa amim-pahazotoana ianareo hanamboatra ny tokantranonareo ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara, … [dia] hihena ny fitaoman’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo sy any an-tokantranonareo” (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Matetika ny Tompo no manome antsika sombiny kely amin’ilay “fiandrianany sy ny heriny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:47) tsy misy fetra amin’ny alalan’ny fanomezana fanambarana lehibe an’ireo mpaminaniny. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia anisan’izany fanambarana izany, izay mahakasika ny fahazavana sy ny voninahitra ary ireo fanjakana izay afaka mahatonga an’ireo ahiahintsika eto an-tany ho lasa tsy misy dikany raha ampitahaina amin’izany. Na dia tsy vitantsika aza ny mahatakatra ny zava-drehetra izay ampianarin’ny Tompo amintsika, dia farafaharatsiny afaka mahatsapa isika fa betsaka lavitra noho izay takatsika ankehitriny ireo zavatra mikasika ny mandrakizay. Mazava ho azy fa tsy nilaza ireo mistery goavana ireo akory ny Tompo ho fampitahorana antsika na mba hahatonga antsika hahatsiaro ho bitika. Raha ny marina, nampanantena Izy fa “ho avy ny andro izay hahazoanareo na dia Andriamanitra aza” (andininy 49; nampiana fanamafisana). Angamba ho an’izany fiafarana ambony dia ambony izany no nahatonga ny Tompo nanosika ireo Olomasiny tao Kirtland hanorina ny Sekolin’ny Mpaminany. “Mifandamina ianareo,” hoy Izy. “Omano ny zavatra rehetra ilaina; ary manorena … tranon’ Andriamanitra” (andininy 119). Satria ao an-tranon’ Andriamanitra sy ao an-tokantranontsika no ahafahany, mihoatra noho ny any amin’ny toeran-kafa, mampiakatra ny fijerintsika hihoatra ny fiainana an-tany, “[mampiseho antsika] ny tavany,” ary manomana antsika “handray ny voninahitra selestialy” (andininy 68, 22).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88

Manolotra fanantenana sy fiadanana ho antsika ny Mpamonjy.

Andro vitsy monja taorian’ny fampitandremany fa hisy ady “[hilatsaka] amin’ny firenen-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:2), dia nanome fanambarana ny Tompo izay nantsoin’i Joseph Smith hoe “-ravin’oliva- … nongotana tamin’ny hazon’ny Paradisa, ny hafatry ny Tompo mitondra fiadanana ho antsika” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88, Sasin-tenin’ny fizarana). Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ity fanambarana ity ho toy ny ravin’oliva, mariky ny fandriampahalemana mahazatra? (jereo koa ny Genesisy 8:11). Inona avy ireo fahamarinana ao amin’ity fizarana ity izay manampy anao hahatsapa fanantenana sy fiadanana ao amin’i Kristy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–67

Avy amin’i Jesoa Kristy ny fahazavana sy ny lalàna.

Ireo teny hoe fahazavana sy lalàna dia miverina imbetsaka ao amin’ny fizarana 88. Ireo teny ireo dia nampiasaina ao amin’ny soratra masina hafa mba hamariparitana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany (ohatra, jereo ny Isaia 60:19; Jaona 1:1–9; 3 Nefia 15:9). Asio marika na raiso an-tsoratra ireo andininy izay ahitanao an’ireo teny ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekemihavanana 88:6–67, ary soraty ny zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy, sy ny fahazavana ary ny lalàna. Ireo andininy ireo dia mety hanosika anao hanao fanovana eo amin’ny fiainanao mba handray amim-pahatokiana kokoa sy hiaina amim-pahatokiana ny “lalàn’i Kristy” (andininy 21).

Jereo ihany koa ny Sharon Eubank, “Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” Liahona, mey 2019, 73–76).

Sary
fianakaviana mandalina ny soratra masina

Ny soratra masina dia ahitana ny lalàn’i Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–126

Omano ny zavatra rehetra ilaina.

Amin’ny lafiny iray isika dia miaina ao anaty fotoana iray izay nofaritan’ny Tompo hoe “hisamboaravoara ny zava-drehetra; ary ho ketraka marina tokoa ny fon’ny olona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:91). Rehefa mamaky ny andininy 62–126 ianao dia diniho ny fomba ahafahan’ny torohevitry ny Tompo manampy anao hiomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy azo dinihina:

Andininy 62–76.Rehefa mandinika ireo andininy ireo ianao, dia voaentana hanao inona ianao mba “[hanakaikezana]” kokoa an’ Andriamanitra? (andininy 63). Diniho hoe mety midika inona aminao ilay didin’ny Tompo hoe “manamasina ny tenanareo” (andininy 68).

Andininy 77–80, 118–26.Nahoana no mety “ilaina ho takatrareo” na ny lohahevitra ara-potopampianarana na ny ara-nofo? (andininy 78). Ahoana no fomba hanarahanao ilay torohevitra hoe “katsahonareo ny fianarana”? (andininy 118). Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe mianatra “amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana”?

Andininy 81–116.Hevero ny hanamarika ireo faminaniana mikasika ny Fiavian’ny Mpamonhy Fanindroany ao amin’ireo andininy ireo. Nahoana araka ny hevitrao no Tian’ny Tompo hahalala mikasika ireo zavatra ireo ianao?

Andininy 117–26.Hevero ny hamaky ireo andininy ireo ka ataovy ao an-tsaina ny tempoly. Inona no hitanao eto ka afaka manampy anao hiomana hiditra ny tranon’ny Tompo?

Jereo ihany koa ny D. Todd Christofferson, “Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 81–84; David A. Bednar, “Seek Learning by Faith,” Ensign, Sept. 2007, 61–68; Saints, 1:164–66; “A School and an Endowment,” Revelations in Context, 174–82.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–33, 95–101.Inona no zavatra ianarantsika momba ny Fitsanganana amin’ny maty ao amin’ireo andininy ireo? Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana ireo hisy fiantraikany eo amin’ireo safidy izay ataontsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:33.Azonao atao ny manomboka fifanakalozan-kevitra momba an’io andininy io amin’ny alalan’ny fangatahana ny olona ao amin’ny fianakaviana hiresaka momba ireo fanomezam-pahasoavana nomena azy ireo, na ireo izay noraisiny tamim-pifaliana izany na ireo hafa izay tsy noraisin’izy ireo. Ahoana no ahafahantsika maneho amin’ny Tompo fa mifaly amin’ny fanomezana ilay voninahitra selestialy izay omeny antsika isika? Ahoana no ifaliantsika amin’“ilay mpanome fanomezana”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63, 68.Ireo andininy ireo dia ahitana teny vitsivitsy maneho asa izay mety hitaona anao hieritreritra fomba miavaka hoentina mampianatra ireo hafatra ao amin’ireo andininy ireo amin’ireo zanakao. Ohatra, azonareo atao ny manao fangalampiery entina hifanakalozana hevitra momba ilay fehezan-teny hoe “tadiavo fatratra aho dia hahita Ahy ianareo” (andininy 63; nampiana fanamafisana).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81.Miaraha amin’ny maha-fianakaviana mitady ireo mari-pamantarana maneho fampitandremana ao an-tranonareo sy manodidina ny tranonareo, toy ny mari-tsoratra fampitandremana eo amin’ny fonosam-panafody na ireo mari-pamantarana momba ny fifamoivoizana ho an’ireo mpamily. Nahoana no manampy antsika ireo fampitandremana ireo? Inona no tian’ny Ray any An-danitra hampitandremantsika ny namantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119.Mba hanentanana ny fianakavianao hanorina tokantrano izay manaraka ilay famaritana ao amin’ny andininy 119 dia manandrama zavatra toy izao: Manorata andian-teny avy amin’io andinin-tsoratra masina io eo amin’ny taratasy kely misaratsaraka ary ampiasao izany mba hanakonana sarin’ny tempoly iray. Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119. ary avelao ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hanala ny taratasy kely tsirairay isaky ny maheno andian-teny mifandray amin’ilay andinin-tsoratra masina izy ireo. Inona no azontsika atao mba hanaovana ny tokantranontsika ho lasa “tranon’Andriamanitra”?(andininy 119).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso ho hiraina: “Mon Dieu plus près de Toi,” Hymns, no. 100.

Manatsara ny fampianarantsika

Omeo fahafahana haneho ny fahaizan’izy ireo mamorona ny ankizy. Rehefa manasa ireo zanakao hamorona zavatra mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara iray ianareo dia tsy hoe manampy azy ireo hatakatra izany fitsipika izany kokoa fotsiny ianareo fa manome fampahatsiahivana azo tsapain-tanana azy ireo momba ny zavatra nianaran’izy ireo ( jereo nyMampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Sary
i Jesoa miaraka amin’ireo mpianany

Manolotra fiadanana ho antsika i Jesoa Kristy. Fiadanana no omeko anareo, nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy