Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
9–15 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88: “Manorena … tranon’ Andriamanitra”


“9–15 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88: -Manorena … tranon’ Andriamanitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“9–15 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
efitrano iray misy seza sy dabilio

9–15 aogositra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88

“Manorena … Tranon’ Andriamanitra”

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118 dia manoro hevitra hoe: “Mifampianara ny teny fahendrena ianareo.” Inona avy ireo “teny fahendrena” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 izay toa tena manan-danja ho an’ny ankizy ampianarinao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Lazao ny ankizy fa tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika mba hianatra mandritra ny fiainantsika. Angataho izy ireo avy eo mba hizara zavatra izay nianaran’izy ireo tany an-trano na tany an-tsekoly na tany am-piangonana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63

Tian’ Andriamanitra mba ho akaiky Azy aho.

Inona no azonao atao mba hanampiana ny ankizy ampianarinao hahatsapa ny fanatrehan’ Andriamanitra eo amn’ny fiainan’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88: 63 ianao dia asao ny ankizy mba haneho amin’ny alalan’ny fihetsika ny sasany amin’ireo teny izay henon’izy ireo. Ohatra, afaka mody mitady zavatra izy ireo na mody mandondona.

  • Mangataha ankizy iray mba hihazona ny sarin’i Jesoa iray eny aloha ao anatin’ilay efitrano ary misy ankizy iray hafa mijoro any aoriana ao amin’ilay efitrano. Asao ny ankizy mba handroso indray mandeha isaky ny miteny zavatra azontsika atao mba hanakaikezana kokoa ny Mpamonjy ianao ary hihemotra indray mandeha isaky ny miteny zavatra izay mampanalavitra antsika amin’ny Mpamonjy ianao. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa miezaka ny manakaiky kokoa ny Tompo isika dia hanakaiky kokoa antsika Izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118

Tian’ny Ray any An-danitra hianatra aho.

“Lafiny iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fianarana mba hanampiana anao hitovy kokoa Aminy. … Ny fahalalana azonao dia ho sarobidy aminao mandritra ny fiainana an-tany sy any amin’ny fiainana ho avy” (Jeunes, soyez forts, 9).

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina sekoly iray, na manaova sarin’izany eny amin’ny solaitrabe, ary asao ny ankizy hanazava ny atao hoe sekoly sy ny zavatra mitranga ao anatin’izany. Resaho ny mikasika ilay sekoly natombok’i Joseph Smith (jereo ny “Chapitre 31: La Parole de Sagesse,” Histoires des Doctrine et Alliances,119–22). Mampisehoa sarina trano iray, fiangonana iray ary tempoly iray amin’ny ankizy ary anontanio azy ireo ny mahatonga an’ireo toerana ireo ho toy sekoly koa.

  • Mihirà hira mikasika ny fianarana toy ny “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66). Anontanio ny ankizy izay zavatra mahafinaritra azy ireo ny mianatra azy.

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118, ary antitrantero ilay andian-teny hoe “mifampianara.” Mizarà zavatra sasantsasany mifono fahendrena izay nianaranao avy amin’ny ankizy tsirairay ao amin’ny kilasinao, ary asao izy ireo mba hizara izay zavatra mifono fahendrena nianaran’izy ireo.

    Sary
    ankizy mandalina ny soratra masina

    Tokony hikatsaka fahendrena sy fianarana isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119

Ny tempoly dia tranon’ Andriamanitra.

Diniho ny fomba hanampianao ny ankizy hahatsapa fitiavana ny tempoly sy hahatsapana faniriana ny hitsaoka ny Tompo any rehefa vonona izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny ankizy ny fomba hanamboarana “tilikambon’ny” tempoly amin’ny alalan’ny fananganan’izy ireo ny tanan’izy ireo ka ampifandraisina ny tendron’ireo rantsan-tanan’izy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119, ary angataho izy ireo mba hanao tilikambo isaky ny miteny ilay teny hoe “trano” ianao. Hazavao fa tian’ny Ray any An-danitra i Joseph Smith sy ireo Olomasina mba hanorina tempoly iray, na “tranon’ Andriamanitra.” Mampisehoa sarina tempoly iray izay any akaikin’ny toerana misy anao rehefa miresaka momba ny fahasamihafan’ny tempoly sy ny trano fivoriana an’ny Fiangonana ianao.

  • Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny tempoly, ary iaraho hiraina ny hira iray momba ny tempoly toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99). Asao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo mandeha any amin’ny tempoly.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:68, 74

Afaka manadio ahy amin’ny fahotana i Jesoa Kristy.

Ny hoe lasa masina dia midika hoe voadio. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra fa afaka ny ho lasa masina izy ireo rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:68 ary ankizy iray hafa hamaky ny andininy 74. Angataho ny ankizy mba hihaino andian-teny iray izay samy hita ao anatin’ireo andininy ireo. Ahoana no fomba “hanamasinantsika” ny tenantsika? (Raha ilaina, dia ampio ny ankizy mba hitady ny hoe “Fanamasinana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.) Manaova sarina fo iray sy tanana iray ary tongotra iray eny amin’ny solaitrabe. Ampio ny ankizy hieritreritra ny mety ho dikan’ny hoe “manadio” ny fontsika sy ny tanantsika ary ny tongotsika. Ahoana no fomba hanampian’ny Mpamonjy antsika hanao izany? Ahoana no fomba ahafahantsika mampiasa ny fontsika sy ny tanantsika ary ny tongotsika mba hitoviana kokoa amin’i Jesoa?

  • Hazavao fa tian’ny Tompo ny olony mba ho masina mialoha ny hahafahan’izy ireo miditra ny tempoly. Hevero ny hanasa zatovovavy iray na zatovolahy iray izay manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hitsidika ny kilasy. Asao izy mba hampiseho ny ankizy ny endriky ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy hiresaka ny zavatra hataon’izy ireo mba ho mendrika ny hihazona izany, ary hizara ny maha-zava-dehibe ny fananana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly na dia tsy mipetraka any akaikin’ny tempoly iray aza isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80, 118

Tian’ny Ray any An-danitra hianatra aho.

Afaka manampy ny ankizy ianao hahatakatra fa ny fianarana zavatra ara-panahy sy ara-nofo dia afaka manomana antsika hanompo ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Inona, Nahoana, ary Ahoana. Asao ireo mpianatra hamaky tsiroaroa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77-79 ary hitanisa hoe inona avy ireo zavatra tian’ny Tompo hianarantsika. Angataho izy ireo avy eo mba hamaky ny andininy 80 ka hitady hoe nahoana no tiany hianatra isika. Avy eo izy ireo dia afaka mamaky ny andininy 118 mba hitadiavana hoe ahoana ny fomba tokony hianarantsika. Inona avy ireo zavatra ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba fahitan’ny Tompo ny fandrantoana fahalalana sy fianarana?

  • Mampisehoa sarintanin’izao tontolo izao ary iaraho vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:79. Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mianatra momba ireo firenena sy kolontsaina hafa? Raha toa ianao na ny ankizy ampianarinao ka efa nipetraka tany amin’ny firenena iray hafa, dia mampisehoa zavatra izay maneho ny kolontsaina ary mizarà zavatra nianaranao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119–26

“Manorena … tranon’ Andriamanitra.”

Ny torolalan’ny Tompo mikasika ny “tranon’ Andriamanitra” dia afaka ny ho torolalana tena ilaina ho antsika rehefa manorina ny fiainantsika sy ny tokantranontsika isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hisafidy teny fito izay mamaritra ny tranon’izy ireo na trano hafa izay notsidihan’izy ireo. Angataho izy ireo avy eo mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119 ary hitady ireo teny fito izay nampiasain’ny Tompo mba hamaritana ny tranony. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo manao ny tranon’izy ireo ho “tranon’ Andriamanitra.”

  • Omeo andian-teny iray avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119–26 ny ankizy tsirairay mba hataon’izy ireo sary. Rehefa mifampiseho sary izy ireo dia avelao ny ankizy hamaky ireo andinin-tsoratra masina mba hamantarana hoe inona ilay andian-teny asehon’ny sary tsirairay.

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Hatao sy Tsy hatao. Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119–26 ary hitanisa ireo zavatra izay tian’ny Tompo hataon’ny Olomasina na tsy hataon’ny Olomasina mba hiomanana hianatra ao amin’ny tempoly. Afaka mijery ao amin’ny rakibolana ireo teny tsy fahita mahazatra izy ireo. Asao ny ankizy mba hisafidy zavatra izay hatombok’izy ireo hatao na zavatra izay hajanon’izy ireo ny fanaovana azy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hanoratra na hanao sary ny zavatra iray izay nianaran’izy ireo ka tian’izy ireo hozaraina amin’ny fianakavian’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy kely mba handray anjara ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara. Mety mila mieritreritra fomba tsara ahafahana manao fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara miaraka amin’ny ankizy kely ianao. Ohatra, azonao atao ny mitondra any an-dakilasy zavatra izay azon’ny ankizy tazonina rehefa anjarany no miteny.

Hamoaka printy