Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
11–17 ôktôbra Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120: “Ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany”


“11–17 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120: -Ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“11–17 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Far West

Far West, nataon’i Al Rounds

11–17 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120

“Ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany”

Te hiresaka aminao ny Tompo. Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia mivavaha ary angataho Izy mba hanampy anao hamantatra ireo hafatra natokany ho anao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny jolay 1838 dia nanana antony tsara ny mba ho velom-panantenana momba an’i Far West, Missouri izay toerana vaovao iangonan’izy ireo ny Olomasina. Nivoatra haingana ilay tanàna, toa namokatra ilay tany ary nisy fanambarana azo fa tsy lavitra teo nianavaratra no ahitana an’i Adama-Ondia-Amàna, toerana iray izay manan-danja lehibe tokoa ara-panahy (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:53–56;116). Na dia izany aza dia mety ho mafy tamin’ireo Olomasina ny tsy hieritreritra momba ny zavatr’izy ireo izay very. Efa voaroaka avy tao Independence izy ireo, ilay toerana voatendry ho ivon-toeran’iZiona, ary mety tsy ho tafaverina vetivety any intsony izy ireo. Ho fanampin’izany dia tsy maintsy nandao an’i Kirtland, Ohio ireo Olomasina, nandao ny Tempoly malalan’izy ireo roa taona monja taorian’ny nahavitana an’ilay tempoly. Ary tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy ireo fahavalo ivelan’ny Fiangonana fotsiny no niteraka olana—betsaka ireo mpikambana fanta-daza izay nivadika tamin’i Joseph Smith, tao anatin’izany ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna sy ny mpikambana efatra tao amin’ny Roambinifololahy. Mety nanontany tena ny sasany hoe, moa ve tena mihamatanjaka tokoa ny fanjakan’ Andriamanitra sa mihamalemy?

Na dia izany aza ireo dia tsy navelan’ireo mahatoky nanakana azy ireo ny ahiahy toy izany. Nanomboka nanorina toerana masina vaovao kosa izy ireo, ary tao Far West izany tamin’ity indray mitoraka ity. Nanao drafitra ny hanorina tempoly vaovao izy ireo. Nisy Apôstôly efatra vaovao indray voantso, tao anatin’izany i—John Taylor sy Wilford Woodruff— izay ho lasa Filohan’ny Fiangonana taty aoriana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118:6). Nianatra ireo Olomasina fa ny fanaovana ny Asan’ Andriamanitra dia tsy midika hoe tsy lavo mihitsy ianao; midika izany fa “hiarina indray” ianao. Ary na dia tsy maintsy hahafoy zavatra aza ianao, ireny fahafoizan-tena ireny dia ho masina amin’ Andriamanitra, eny “ho masina kokoa … noho ny fitomboa[nao] ” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:13).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4–6

Ny Tompo no nisafidy ny anaran’ny Fiangonana.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson fa “tena zavatra manan-danja” ny anaran’ny Fiangonana (“Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 87). Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4–6 ianao dia eritrereto hoe nahoana no marina izany. Inona no ifandraisan’ny anaran’ny Fiangonana amin’ny iraka nampanaovina azy sy ny asany?

Jereo koa ny 3 Nefia 27:1–11.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6

Manolotra “fialofana amin’ny tafio-drivotra” i Ziona sy ireo tsatòkany.

Na dia teo aza ireo fahasarotana izay nolalovan’ireo Olomasina tamin’ny 1838 dia mbola niandry zavatra lehibe tamin’izy ireo ihany ny Tompo. Mitadiava teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6 izay manantitrantitra ny anjara asa izay tian’ny Tompo ho tontosan’ny Fiangonany sy ny mpikamban’ny fiangonany eo amin’izao tontolo izao. Ohatra, inona no tsapanao fa tokony hataonao mba “hitsangana sy hamirapiratra”? (andininy 5). Inona ireo tafio-drivotra ara-panahy izay tsikaritrao manodidina anao, ary ahoana no fomba ahitantsika “fialofana” amin’ny alalan’ny fiaraha-mivondrona? (andininy 6).

Jereo koa ny 3 Nefia 18:24.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117

Masina amin’ny Tompo ny fahafoiza-tenako.

Ho an’ny olona toa an’i Newel K. Whitney izay efa nanorina fiainana niroborobo ho an’ny fianakaviany tao dia mety ho sarotra manokana ny nandao an’i Kirtland. Inona no hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:1–11 izay mety ho nanampy azy ireo nanao izany fahafoizan-tena izany? Ahoana no anovan’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny fomba fijerinao mahakasika ny zavatra izay tena manan-danja?

Niavaka ny fahafoizan-tena izay nangatahina tamin’i Oliver Granger: Notendren’ny Tompo mba hijanona tao Kirtland izy sy handamina ny toebolan’ny Fiangonana. Andraikitra navesatra izany, ary rehefa nisolo tena ny Fiangonana tamim-pahamarinan-toetra tanteraka izy dia tsy nahaverina vola betsaka akory tamin’ny farany. Saintsaino hoe ahoana no mety hampiharana ireo tenin’ny Tompo ao amin’ny andininy 12–15 amin’ireo zavatra izay nangatahin’ny Tompo taminao.

Jereo ihany koa ny Matio 6:25–33;

Sary
Adama-Ondia-Amàna ao amin’ny Fivondronan’i Daviess, Missouri

Amin’io sary io dia nodidiana mba hifindra ho any Adama-Ondia-Amàna i Newel K. Whitney.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–20

Manampy amin’ny fanorenana sy ny “fanamasinana ny tanin’i Ziona” aho amin’ny alalan’ny fandoavako fahafolonkarena.

Ireo torolalana ao amin’ny fizarana 119 sy 120 dia mitovitovy amin’ny fomba hanohanana ara-bola ny asan’ny Tompo amin’izao androntsika izao. Ankehitriny, ireo Olomasina dia mitondra anjara biriky “iray ampahafolon’ny izay zavatra rehetra miditra aminy isan-taona [izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe vola miditra]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:4), ary ireo famatsiam-bola ireo dia tantanan’ny filankevitra izay ahitana ny Fiadidiana Voalohany, ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ary ny Episkôpà Mpiahy. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mandalina ireo fizarana ireo ianao:

  • Nahoana ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena no “manamasina ny tanin’i Ziona”? Ahoana no hahafahan’ity lalàna ity hanampy amin’ny fanaovana ny toerana izay misy anao ho “tanin’i Ziona ho anao”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:6).

  • Inona no manan-danja aminao ao amin’ilay fehezan-teny hoe“amin’ny alalan’ny feoko ho azy ireo” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120?

Jereo ihany koa ny Malakia 3:8–12; David A. Bednar, “Ny varavaran’ny lanitra,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 17–20

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4–6.Mety amin’ny fianakavianao ve ny mamaky an’ireto andinin-tsoratra masina ireto sady mijery ny fiposahan’ny masoandro? Mety hanampy anareo ny mifanakalo hevitra momba ny dikan’ny hoe “Mitsangàna ary mamirapirata” (andininy 5). Na azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny dikan’izany hoe mitady fialofana mandritra ny tafio-drivotra iray izany. Amin’ny fomba ahoana no itovizan’izany traikefa izany amin’ny fahitana “fialofana” ao am-piangonana? (andininy 6). Ary avy eo ianao dia afaka miresaka momba ireo fomba izay ahafahan’ny fianakavianao hanampy ny hafa hisitraka ny fialofana izay atolotry ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:1–11.Afaka mampitaha ny “piti-drano” iray amina “ventin-javatra” iray (andininy 8), toa ny zinga fasiana rano ny fianakavianao. Afaka mitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ireo zavatra izay tsy dia manan-danja eo amin’ny fiainantsika izay mety hanakana antsika amin’ny fandraisana ireo fitahiana sesehena avy amin’ Andriamanitra izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119.Azonareo atao ny mihira hira toy ny “Seigneur, j’ai tant recu” (Cantiques,139). Inona no ampianarin’ilay hira sy ny fizarana 119 momba ny antony handoavantsika fahafolonkarena? Afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny alalan’ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana ihany koa ny ankizy kely: afaka manome zavatra kely azo tsapain-tanana azy ireo ianao, ampio izy ireo hanao kajy ny iray ampahafolony, ary lazao azy ireo ny antony handovanao fahafolonkarena. (Jereo ihany koa ny Miorim-paka ao amin’ny finoana, 180–82.)

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Seigneur, j’ai tant recu,” Cantiques,139.

Manatsara ny fampianarantsika

Mamporisika ny fizakan-tena. “Rehefa manana fanontaniana [ny olona ao amin’ny fianakaviana] dia indraindray tsara kokoa ny mampianatra azy ireo ny fomba ahitana valiny avy amin’ny ezaka ataony manokana, fa tsy avy hatrany dia mamaly ny fanontanian’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 28).

Sary
Fampiasana ny fahafolonkarena

Ny fanomezana ny ampahafolon’ny harenantsika ho fahafolonkarena amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fampandrosoana ny asa fanavotany.

Hamoaka printy