Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
22–28 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136: “Efa namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny rany izy”


“22–28 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136: -Efa namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny rany izy- Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“22–28 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Ivelan’ny Fonjan’i Carthage

Fonjan’i Carthage

22–28 nôvambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136

“Efa namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny rany izy”

Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–36, dia mety hanome anao hevitra avy amin’ny bitsiky ny Fanahy ny Tompo mba hanampiana anao hampihatra ny zavatra izay vakinao. Rehefa mitranga izany dia soraty ny zavatra izay ampianariny anao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny tolakandron’ny 27 Jona 1844, dia nampidirina tao am-ponja indray i Joseph sy i Hyrum Smith, niaraka tamin’i John Taylor sy i Willard Richards. Nino izy ireo fa tsy nanan-tsiny tamina asa ratsy mihitsy, saingy nanaiky nosamborina izy ireo, mba hanakanana ny fampiharana herisetra tamin’ireo Olomasina tao Nauvoo. Tsy vao voalohany izao no nampidiran’ny ireo fahavalon’ny Fiangonana am-ponja ny Mpaminany Joseph Smith, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia toa fantany fa tsy ho tafavoaka velona izy. Niezaka nifampionona izy sy ireo namany tamin’ny alalan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna sy ny fihirana hira tao amin’ny fihirana. Avy eo dia naheno feom-basy ary tao anatin’ny minitra vitsivitsy monja dia nifarana ny fiainan’i Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny teto an-tany.

Nefa tsy izany no fiafaran’ny asa masina izay neken’izy ireo tanteraka mba hatao. Ary tsy izany no fifaranan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mbola maro ny asa ilaina hatao ary mbola maro ny fanambarana izay hitarika ny Fiangonana handroso. Tsy afaka namono ny asan’ Andriamanitra ny famonoana ny Mpaminany.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135; 136:37–39

Namehy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo tamin’ny rany i Joseph sy i Hyrum Smith.

Alaivo sary an-tsaina izay mety ho tsapanao raha toa ka nipetraka tao Nauvoo ianao tamin’ny fotoana izay namonoana an’i Joseph sy i Hyrum Smith. Ahoana no mety niezahanao hahatakatra ny anton’ilay zavatra nitranga? Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135, izay navoaka voalohany telo volana latsaka taorian’ny ilay famonoana ho maritiora dia mety ho nanampy. Afaka manisy marika ireo teny sy andian-teny izay mety ho nanampy anao hahatakatra sy hatoky tena ianao. Inona no havalinao ny olona iray izay manontany hoe,: “Fa nahoana Andriamanitra no mamela ny Mpaminaniny ho faty?”

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:21–22; 6:29–30; “Remembering the Martyrdom,” Revelations in Context, 299–306; Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith, 522–23, 529–40; M. Russell Ballard, “Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika?Liahona, mey 2020.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3

Joseph Smith dia efa nahavita mihoatra noho ny olona niaina teto, afatsy i Jesoa Kristy irery ihany ho famonjena antsika.

Eritrereto ireo fitahiana izay efa tonga taminao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy anao. Firy amin’izy ireny no vokatry ny asa fanompoana vitan’ny mpaminany Joseph Smith? Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3 dia mitanisa ny sasany amin’ireo zavatra lehibe izay vitan’i Joseph Smith tao anatin’ny 24 taona taorian’ny Fahitana Voalohany. Inona no fiantraikan’ireo zavatra ireo taminao sy tamin’ny fifandraisanao tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpaminany Joseph Smith. Iza no mety mila mahare ny fijoroana ho vavolombelona anananao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136

Manome torohevitra ahy ny Tompo mahakasika ny “fandehana[ko]” eo amin’ny fiainana.

Rehefa avy noterena hiala avy tao Nauvoo ireo Olomasina dia nanao dia lava be nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake City, ary tena mafy sy niadana be ireo kilômetatra vitsivitsy nataon’izy ireo voalohany. I Brigham Young izay nitarika ny Fiangonana tamin’izay tamin’ny naha Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy dia niahiahy ny amin’ny fomba izay hahafahan’ireo Olomasina hahavita ny ambin’ny dia an-tongotra lava be. Nanorina toby vonjimaika nantsoina hoe Winter Quarters izy ary nivavaka mba hahazo fitarihana. Ho valin’izany dia nanome fanambarana azy ny Tompo, izay ny fizarana136 ankehitriny. Ankoatra ny zavatra hafa, ity fanambarana ity dia nampahatsiahy ireo Olomasina fa “ny fitondrantenan’izy ireo nandritra ilay dia dia nanan-danja tahaka ny toerana izay halehan’izy ireo” ary “nanova ny fifindrana miankandrefana ho toy ny traikefa ara-panahy nifampizarana izay nanan-danja raha toa ka zavatra tsy maintsy natao ary nampalahelo izany teo aloha” ( , )

Ataovy ao an-tsaina hatrany io sahan-kevitra io mandritra ny fandalinanao ny fizarana136. Inona no torohevitra hitanao fa afaka hanampy hanova ny fitsapana izay sarotra eo amin’ny fiainanao “ho lasa traikefa ara-panahy … manan-danja”? Azonao atao ihany koa ny misaintsaina momba ny fomba hahafahan’ilay torohevitra hanampy anao hanatontosa ny sitrapon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao manokana, tahaka ny nanampian’izany an’ireo Olomasina voalohany hanao ilay dia lavitra sy sarotra miankandrefana.

Jereo koa ny “This Shall Be Our Covenant,” Revelations in Context, 307–14; Church History Topics, “Succession of Church Leadership,” ChurchofJesusChrist.org/study/history/topics.

Sary
Winter Quarters

Winter Quarters, nataon’i Greg Olsen

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1, 3.Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakaviana hahatakatra ny dikan’ny hoe i Joseph Smith dia “efa namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ ny rany,” dia afaka mijery ny horonan-tsary “Temoignage du Livre de Mormon” ny fianakavianao (ChurchofJesusChrist.org; Jereo koa ny Jeffrey R. Holland, “Antoka ho an’ny fanahy,” Liahona nôv 2009, 88–90). Inona no manaitra antsika mikasika ireo andininy ireo? Ahoana no ahafahantsika ho mahatoky bebe kokoa amin’ny fijoroana ho vavolombelona izay ananantsika, na dia tsy nasaina nanolotra ny aintsika ho azy ireny aza isika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3.Mba hifanakalozana hevitra momba ny dikan’ny ilay filazana fa hoe i Joseph Smith “dia efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto, afa-tsy i Jesoa irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’ ity izao tontolo izao ity,” dia azonareo atao ny mamerimberina ny zavatra izay efa nianaran’ny fianakavianao mikasika an’i Joseph Smith tamin’ny ity taona ity. Afaka mampiasa sary avy amin’ny ity loharanom-pitaovana ity ianao mba hanampiana azy ireo hitadidy ny zavatra izay efa nianaran’izy ireo sy hanasa azy ireo mba hizara ny tantara na ny fampianarana izay tena nankafizin’izy ireo. Nahoana isika no feno fankasitrahana noho ny amin’ny Mpaminany Joseph Smith sy noho ireo zavatra izay vitan’ny Tompo tamin’ny alalany? Azonareo atao ihany koa ny mijery ilay horonan-tsary “Joseph Smith: The Prophet of the Restoration” (ChurchofJesusChrist.org).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136.Rehefa nanambara ny fizarana 136 ny Tompo dia mbola nanana dia lava be nanoloana azy ireo ny Olomasina, teo ambany fitarihan’i Brigham Young (jereo ny toko 58, 60, ary 62 ao amin’ny Doctrine and Covenants Stories, 206–8, 211–16, 222–24). Rehefa miaraka mamaky ny fizarana 136 ianareo, dia eritrereto ireo zavatra sarotra izay mety tsy maintsy hatrehan’ny fianakavianareo. Inona no torohevitra hitantsika ao amin’io fanambarana io izay afaka ny hanampy antsika hahazo ny fanampian’ny Tompo sy ny heriny?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:4.Inona no dikan’ny hoe “handeha araka ny ôrdônansy rehetra an’ ny Tompo”? Inona no fiantraikan’ireo ôrdônansy efa noraisintsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, pejy 100.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mahita ny fitiavan’ Andriamanitra. Nampianatra ny Loholona M. Russell Ballard fa “ny filazantsara dia filazantsaran’ny fitiavana, izany hoe fitiavana an’ Andriamanitra sy fifankatiavana” (“God’s Love for His Children,” Ensign, May 1988, 59). Eo am-pamakianareo ny soratra masina dia azonareo atao ny mandray an-tsoratra na manisy marika ireo porofo mampiseho ny fitiavan’ Andriamanitra.

Sary
Vondron’olon-dratsy manafika an’i Joseph Smith sy ny hafa tao amin’ny Fonjan’i Carthage

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, nataon’i Casey Childs

Hamoaka printy