2010
Ho an’ny Ankizy: Ny Lalanao Mankany amin’ny Tempoly
2010


Ny Lalanao Mankany amin’ny Tempoly

Ho an’ny ankizy

Fantatrao ve ny tempoly akaiky anao indrindra? Ataovy ny sarin’izany tempoly izany, ary ahantony eo amin’ny faritra ahafahanao mahita azy isan’andro.

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Toerana izay ianarantsika momba ny Ray any an-danitra izany, sy anaovana fanekempihavanana (na fampanantenana) miaraka andraisana fitahiana lehibe. Manatanteraka asa lehibe ho an’ny tenantsika isika sy ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay efa nodimandry ao amin’ny tempoly. Anisan’ireo asa atao any amin’ny tempoly ny batisa ho an’ny maty, ny fanafiana masina ary ny famehezana. Ireo no antsoina hoe ôrdônansin’ny tempoly.

Inona no zava-miseho ao anaty Tempoly

Batisa ho an’ny Maty

Rehefa feno valo taona ianao, dia azo atao batisa sy raisina ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Maro amin’ireo razambentsika no maty tsy natao batisa sy tsy noraisina ho mpikambana. Na dia maty aza ny vatan’izy ireo, ny fanahiny dia mbola velona hatrany any amin’ny tontolon’ny fanahy, izay toerana ahafahana mampianatra azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Rehefa feno 12 taona ianao, dia afaka mandeha any amin’ny tempoly ary manampy ireo olona ireo ka hatao batisa sy ho raisina ho mpikambana amin’ny anaran’izy ireo. Avy eo izy ireo dia afaka misafidy raha toa ka hanaiky na tsia ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Hiakanjo fotsy tanteraka ianao rehefa hatao batisa ho an’ny maty, tahaka anao natao batisa ho an’ny tenanao ihany.

Angataho ny ray aman-dreninao mba hanampy hanao ny lisitr’ireo olona ao amin’ny fianakavianao izay efa maty nefa tsy natao batisa tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Karohy raha toa ka efa nisy nandeha tany amin’ny tempoly natao batisa ho azy ireo.

Ny Fanafiana Masina

Iray amin’ireo fitahiana lehibe ao amin’ny tempoly ny fanafiana masina. Ny fanafiana masina dia midika hoe “fanomezana.” Rehefa mandray ny fanafiana masina ianao, dia hianatra bebe kokoa momba ny drafitry ny famonjena ary hanao fanekempihavanana. Ny fanekempihavanana dia fampanantenana ataontsika amin’ny Raintsika any an-danitra. Rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana ireo ianao, dia miomana ny hiaina miaraka amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy indray andro any.

Ao anatin’ny tempoly dia misy efitrano tsara tarehy sy tena milamina izay antsoina hoe efitrano selestialy. Ao amin’ny efitrano selestialy isika dia mahatsapa fa akaiky kokoa ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy, ary mahatsapa kely ny mety ho endriky ny fiainana miaraka amin’Izy ireo any amin’ny fanjakana selestialy.

Famehezana ho amin’izao Fotoana izao sy Mandrakizay

Rehefa mivady any amin’ny tempoly ny lehilahy sy vehivavy, dia mandohalika eo amin’ny alitara izy ireo ary fehezina ho amin’izao fotoana izao sy mandrakizay. Izany dia midika fa izy ireo sy ny zanak’izy ireo dia afaka hitambatra ho fianakaviana mandrakizay. Miomàna hanambady any amin’ny tempoly indray andro any. Izany no fitahiana lehibe indrindran’ny tempoly.

Ny Fahazoan-dalana Mankany amin’ny Tempoly

Ny tempoly dia toerana masina. Ny eveka sy ny filohan’ny sampana dia maka antoka tsara fa ireo izay hiditra ny tempoly dia niomana sy mendrika. Alohan’ny handehananao any amin’ny tempoly, dia hanao tafa sy dinika manokana amin’ny eveka na filohan’ny sampana ianao. Hanontany anao izy raha toa ka manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Fiangonana ianao, mitandrina ireo didy, manohana ny mpitarika ny Fiangonana, mankato ny Tenin’ny Fahendrena, mandoa fahafolonkarena, ary marin-toetra amin’ny zava-drehetra ataonao sy teneninao. Hanampy anao izy hahafantatra ny tokony hatao mba ho mendrika ny hiditra ny tempoly.

Miomàna Dieny izao Hiditra ny Tempoly

Ny Ray any an-danitra dia manome fitahiana maro ho an’ireo izay miaina am-pahamarinana sy mandeha any amin’ny tempoly. Zava-dehibe ny miomana hiditra ny tempoly dieny mbola tanora ianao.

Tia anao ny Ray any an-danitra ary maniry anao handray ireo fitahiana avy amin’ny tempoly Izy. Hitahy anao Izy amin’ny fanatanterahanao ny ôrdônansin’ny tempoly ho anao sy ho an’ny hafa. Na dia mety tsy afaka ny hiditra ny tempoly aza ianao amin’izao fotoana izao, raha toa ka misy tempoly akaiky, dia afaka mitsidika ny tokontanin’ny tempoly ianao hahatsapa ny fanahy eo amin’izany. Afaka manisy sarin’ny tempoly ihany koa ianao any an-tokantranonao hampatsiahy anao ny maha-zava-dehibe ny tempoly. Miainà am-pahamarinana mba hahafahanao ho mendrika hiditra ny tranon’ny Tompo.

Jereo ny fitaratra amin’ity sary ity. Ny sasany amin’ireo efitrano famehezana dia misy fitaratra tahaka ity iray ity. Noho ny famehezana ao amin’ny tempoly dia afaka hitohy hiaraka mandrakizay ny fianakaviantsika, toy ny zavatra hita eo amin’ilay fitaratra.

Jereo ny efitrano selestialy eto amin’ity sary ity sy any amin’ny sary ao amin’ny pejy 64. Inona no tsapanao rehefa mahita ny efitrano selestialy ianao?

Tempolin’i Boston Massachusetts. Notokanana tamin’ny 1 Ôkt. 2000.

Efitrano famehezana, Tempolin’i Aba Nigéria.

Efitrano selestialy, Tempolin’i Nuku’alofa Tonga.

Hamoaka printy