2010
Ny Zavatra Rehetra mikasika izany Trano izany
2010


Ny Zavatra Rehetra mikasika izany Trano izany

Ny fitoeran-drano fanaovana batisa any amin’ny tempoly dia mipetraka ao aorian’ireo omby roa ambin’ny folo (jereo ny 2 Tantara 4:2–4), enti-maneho ireo foko roa ambin’ny folo amin’ny Isiraely. Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy teo amin’ny fanaovana asa fanompoana feno fitiavana isika dia afaka manao batisa ho an’ireo razambentsika izay maty nefa tsy nandray izany ôrdônansy izany.

Ao amin’ireo efitrano fanatanterahana ôrdônansy dia misy ny fanazavana fohifohy momba ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny zanany. Ny Olomasin’ny Andro Farany dia mianatra momba ny fiainan’izy ireo talohan’ny nahaterahany sy ny fiainany eto an-tany, ny fahariana an’izao tontolo izao sy ny Fahalavoan’ny olona, ny anjara asa lehiben’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpanavotra ny zanak’Andriamanitra rehetra Azy ary ireo fitahiana mety ho azony any amin’ny fiainana ho avy.

Ny efitrano selestialy dia maneho ilay toetry ny fisandratana sy fiadanana izay azon’ny rehetra tratrarina amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izany efitrano izany dia maneho ny fifaliana sy ny filaminana anaty ary ny fiadanana ho azon’ireo fianakaviana miaraka mandrakizay eo anatrehan’ny Ray any an-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy.

Ao amin’ny trano fanaovana famehezana no anatanterahana ny fanambadian’ny lehilahy sy vehivavy izay tsy hivady mandritra ity fiainana ity fotsiny fa mandrakizay.

Takela-pitaratra, Tempolin’i Nauvoo Illinois (farany havia).

Fitoeran-drano fanaovana batisa, Tempolin’i Draper Utah.

Fitoeran-drano fanaovana batisa, Tempolin’i Gila Valley Arizona.

Efitrano fanaovana ôrdônansy, Tempolin’i Manhattan New York.

Efitrano fanaovana ôrdônansy, Tempolin’i Newport Beach Californie.

Efitrano Selestialy, Tempolin’i San Antonio Texas.

Tohatra lehibe, Tempolin’i Oquirrh Mountain Utah.

Latabatra hazo misy raritakela-manify, Tempolin’i Mexico City Mexique.

Efitrano fanaovana famehezana, Tempolin’i Vancouver British Columbia.

Hamoaka printy