2010
Fanontaniana Matetika Mipetraka
2010


Fanontaniana Matetika Mipetraka

Inona no ataon’ny olona ao amin’ny tempoly?

Ampianarina isika ao amin’ny tempoly, manao fanekempihavanana isika, ary dia ampanantenaina fitahiana isika. Isika dia mandray ôrdônansy izay manome fahafahana antsika hiaina eo anatrehan’Andriamanitra.

Ordônansy iray raisintsika any amin’ny tempoly ny fanafiana masina. Ny teny hoe Fanafiana masina dia midika hoe “fanomezana”. Ao anatin’izany ôrdônansy izany, dia ampianarina momba ny tanjon’ny fiainana isika, ny iraka sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary ny drafitry ny Ray any an-danitra ho an’ny zanany. Mahita kely ny mety ho endriky ny fiainana eo anatrehany isika rehefa mahatsapa ilay tontolo feno fahatoniana ao amin’ny tempoly.

Ordônansin’ny tempoly iray hafa ny ôrdônansin’ny famehezana, izay hamehezana ny mpivady ary hamehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreny ho fianakaviana mandrakizay. Midika izany fa raha toa ka mahatoky amin’ny fanekempihavanana isika, dia hitohy mandrakizay ny fifandraisan’ny fianakaviana.

Ankoatra izany ny fandraisana ireo ôrdônansy ireo ho an’ny tenantsika, dia azontsika raisina ihany koa izy ireny ho an’ny razambentsika. Arak’izany, ny olona izay efa maty ka tsy nandray ireo ôrdônansy ilaina tahaka ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, ny fanafiana masina, ary ny famehezana, dia hanana fahafahana hanaiky ireo ôrdônansy ireo.

Tahaka ny ahoana ny ao anatin’ny tempoly?

Ny tempoly dia toerana tena milamina, toerana masina, ary lavitra ny tebiteby sy ny fisafotofotoan’izao tontolo izao. Ny faritra rehetra ao amin’ny tempoly dia kolokoloina tsara sy amim-pitandremana mba hitazonana ny fanahin’ny fanajana fatratra. Noho ny maha-tranon’ny Tompo izany sy noho ny maha-masina ny asa tanterahana ao dia, afaka mahatsapa be dia be ny Fanahy isika ary mahatsapa fa akaiky ny Tompo ao amin’ny tempoly. Ao no ahafahantsika mahazo fanambarana ho an’ny tenantsika manokana sy tanjaka ara-panahy izay hanampy antsika handresy ny fitsapana. Izany dia ampahany amin’ny antony amporisihina antsika handeha tsy tapaka any amin’ny tempoly.

Ahoana no fomba fiakanjoko rehefa ho any amin’ny tempoly aho?

Manaova akanjo maotina fitondra Alahady rehefa mandeha any amin’ny tempoly ianao. Ialao ny fiakanjo sy ny fihaingoana mihoatra ny tokony ho izy toy ny tsy fanaovaonao izany ihany rehefa manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ianao. Mampiseho fanajana fatratra ny Tompo sy ny tranony ianao ary manasa ny Fanahy amin’ny alalan’ny fahadiovanao sy ny fanaovana fitafy araka ny tokony ho izy

Misy fisoloana akanjo manokana ao amin’ny tempoly izay toerana hanalanao ny akanjo fitondra Alahady ary hampidiranao akanjo fotsy. Izany fisoloana akanjo izany dia entina ampahatsiahivana anao fa mandao mandritra ny fotoana fohy an’izao tontolo izao ianao ary miditra toerana masina iray. Ny akanjo fotsy dia maneho ny fahadiovana, ary ny fahitana ny rehetra manao akanjo mitovy ao amin’ny tempoly dia miteraka fahatsapana firaisan-kina sy ny fitoviana.

Rahoviana aho no tokony handray ny fanafiana masina?

Raha ny tena izy dia handray ny fanafiana masina ianao aloha kelin’ny handehananao hanao asa fitoriana amin’ny fotoana maharitra na alohan’ny hanambadianao any amin’ny tempoly. Ny mpikambana mpitovo mananika ny faramparan’ny taona maha-zatovo azy na vao feno roapolo taona mahery kely izay tsy nandray ny antsony hanao asa fitoriana ary tsy hanambady dia tsy amporisihana amin’ny ankapobeny handraisay ny fanafiana masina ho an’ny tenany manokana.

Ny mpikambana vaovao dia miandry farafahakeliny herintaona aorian’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana alohan’ny handraisany ny fanafiana masina.

Ny fandraisana ny fanafiana masina ho an’ny tenanao manokana dia tena zava-dehibe. Resaho miaraka amin’ny evekanao izany. Mivavaha sy mandiniha mba hahafantaranao ny fotoana hahavonona anao.

Inona no azoko lazaina amin’ny hafa momba ny zavatra niainako tany amin’ny tempoly?

Afaka miresaka momba ny endriky ny tempoly ao anatiny ianao, ary afaka mizara amim-pahalalahana ny zavatra tsapanao tany amin’ny tempoly. Kanefa, ny fanekempihavanana sy ny ôrdônansin’ny tempoly, ary tafiditra ao anatin’izany ireo teny ampiasaina ao, dia masina loatra raha resahana amin’ny antsipiriany ety ivelan’ny tempoly. Ny fisorohantsika ny firesahana ireo zavatra masina ireo ety ivelan’ny tempoly, dia iarovantsika azy ireo amin’ny fandrabirabiana sy ny faniratsirana ary ny tsy fanajana. Aoka tsy hatao toy ny zavatra tsotsotra ny fomba firesakao ireo zavatra niainanao tany amin’ny tempoly.

Nahoana no mampiasa mari-pamantarana any amin’ny tempoly

Nandritra ny fanompoany tety an-tany, ny Mpamonjy matetika dia nampianatra tamin’ny alalan’ny fanoharana hanehoana an’ohatra ireo fahamarinana mandrakizay. Nanome torolalana Izy mba hampianarana antsika amin’ny fomba mitovy amin’izany koa. Misy fampiasana mari-pamantarana ao anatin’ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanan’ny tempoly, eo amin’ny fanazavana azy ireo, ny toerany ara-batana ary eo amin’ny akanjo anaovana. Raha mandalina ny dikan’ireo mari-pamantarana ireo amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao, dia afaka manampy anao izy ireo hahafantatra ny fahamarinana, hianatra momba ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy, ary hivoatra ara-panahy.

Misy olona ao amin’ny fianakaviako izay tsy afaka miditra ny tempoly. Inona no azoko atao hanampiana azy ireo hahatsapa fa anisan’ny mandray anjara amin’ny fanambadiako any amin’ny tempoly?

Loha-hevitra somary sarotra ity. Noho ny tempoly izay tranon’ny Tompo, natokana ho Azy, dia tsy maintsy mihazona fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly manan-kery ireo rehetra miditra ao, izay manamarina fa miaina ny fitsipika izay napetrany izy ireo. Kanefa, ireo izay tsy manana fahazoan-dalana idirana ny tempoly dia asaina ho eo amin’ny tokontanin’ny tempoly, ary ny ankamaroan’ny tempoly dia manana efitrano izay ahafahan’izy ireo miandry mandritra ny famehezana an’ireo olona amin’ny fianakaviany. Ny mpivady izay manana fianakaviana tsy afaka miditra ny tempoly dia afaka manasa ny eveka na ny mpikamban’ny Fiangonana iray hiaraka amin’izy ireo ao amin’ny efitrano fiandrasana.

Ny mpivady koa dia afaka mikarakara miaraka amin’ny evekan’izy ireo hanaovana fivoriana manokana aorian’izany hiarahana amin’ny fianakaviana sy namana izay tsy manana fahazoan-dalana. Izany fiarahana izany dia hanome fahafahana ho azy ireo hahatsapa fa nandray anjara izy ireo ary hianatra momba ny fanambadiana mandrakizay. Na dia tsy misy fombafomba sy fifanekena aza mandritra izany fiarahana izany dia azo atao ny ifanolorana peratra.

Inona no tokony hataoko hiomanako amin’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly?

Afaka miomana ianao amin’ny alalan’ny fandehanana tsy tapaka any amin’ny tempoly mba handray anjara amin’ny fanaovana batisa ho an’ny maty sy amin’ny alalan’ny fanatrehana seminera fiomanana ho any amin’ny tempoly karakarain’ny eveka, ary amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny lahatsoratra ao amin’ity bokikely ity.

Afaka miomana koa ianao amin’ny alalan’ny fiainana ny fitsipiky ny Tompo mba hahamendrika ho any amin’ny tempoly. Kolokoloy ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Hajao ny Tenin’ny Fahendrena sy ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Tohano ireo Mpitondra ny Fiangonana, aloavy ny fahafolonkarena, ary atreho ireo fivorian’ny Fiangonana. Aoka ianao ho marin-toetra eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa, ary ataovy izay hahatonga ny fiainam-pianakavianao hifanaraka amin’ny fampianaran’ny Fiangonana. Hajao ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa mba hahafahanao ho vonona ny handray ireo fanekempihavanana ambony kokoa any amin’ny tempoly.

Efitrano selestialy, Tempolin’i Mount Timpanogos Utah.

Tempolin’i Jordan River Utah. Notokanana tamin’ny 16 Nôv. 1981.

Tempolin’i Nauvoo Illinois Notokanana tamin’ny 27 Jiona 2002.

Hamoaka printy